ALATSINAINY 22 JONA 2009
Amin’izao hivorianareo marobe eto izao dia mahafaly ahy ny miarahaba anareo rehetra, koa dia miarahaba aho amin’ny alalan’ny tenako manokana ary miarahaba ihany koa aho amin’ny alalan’izahay tena manao izay azo atao rehetra hamerenana amin’ny laoniny sy hamerenana ny ara – dalàna eto amin’ny tany sy ny fanjakana izay hiarahantsika mahalala ny zava – misy ankehitriny, koa miarahaba anareo rehetra aho tonga marobe ary misaotra betsaka.
Fantatro dia fantatro tokoa fa miandry dia miandry ianareo amin’izao fotoana izao hoe nanao ahoana ny fivoriana tamin’ny sabotsy ary rahoviana ihany i Dada vao ho avy.
Marina izany ary tena manao izay azo atao aho fa tsy mandry andro tsy mandry alina aho miaraka amin’ireo mpiara – miasa amiko aty manao izay azo atao rehetra mba hamerenana amin’ny laoniny ny ara – dalàna aty Madagasikara. Tsy ekentsika ny fandrobam – pahefana, tsy ekentsika ny fisian’izao tsy filaminana eto amin’ny tany sy ny fanjakana izao, ary tsy ekentsika hoy aho aminareo i Madagasikara izay tany milamina sy mampiaiky izao tontolo izao no lasa mikorontana koa dia natokan’ny fikambanamben’ny SADC mihintsy ny andro sabotsy tontolo sy sabotsy alina handinihana manokana ny raharahan’i Madagasikara nohon’ny krizy politika. Zava – dehibe amin’ny firenentsika izany hoe noresahana manokana i Madagasikara tsy nasiana resaka hafa, tsy nasiana zavatra hanelingelenana ny fotoana fa momba an’i Madagasikara fotsiny no noresahana tao.
Zao ny zavatra lehibe azoko lazaina aminareo ry Vahoaka, mihainoa tsara ianareo,
Voalohany indrindra dia izao : tsy maintsy haverina amin’ny laoniny ny Ordre constitutionnel aty Madagasikara na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana ; izay no tapaka tao. Ho alefako any aminareo mba hovakianareo any ilay izy. Araky ny paragraphe na andininy dia manambara amin’ny fomba ofisialy ny SADC fa ny mpikambana rehetra na ny firenena rehetra ato amin’ny SADC izany hoe 14 dia samy handrotsaka hanampy an’i Madagasikara amin’izay fomba rehetra azo atao na vola na fitaovana n’inon’inona hamerenana izany Ordre constitutionnel izany.
Hoy aho aminareo hoe natokana mihintsy ny sabotsy faha 20n’ny volana jona handinihana manokana ny raharahan’i Madagasikara. Zava – dehibe izany ary manana ny maha izy azy ny firenentsika.
Ny faharoa tena lehibe anakiray izay tapaka tao ihany koa dia izao : manomboka izao dia olona avy aty amin’ny faritry ny SADC no mitarika ny fifampiraharahana sy ny fifampizahana vahaolana fa tsy olona avy ary alavitra be ary intsony, fa olona avy eto amin’ny firenena SADC izay mandray anjara amin’ny resaka atao raha misy ny resaka tokony atao. Izany koa zava – dehibe izany
Ny fahatelo, manomboka izao dia tsy maintsy atao izay isian’ny fanafainganana ny famerenana amin’ny laoniny izany Ordre constitutionnel izany satria mijaly sy fadiranovana ny Vahoaka.
Koa dia miantso ny Malagasy rehetra aho, miantso ny Vahoaka manontolo aho, miantso ny miaramila aho, ny polisy, ny zandary, isika no tompon’ny firenena, isika no malagasy tompon – tanindrazana, mba samia mieritreritra, samia mampiasa ny feon’ny fieritreretana rey olona a. Tsy tombontsoa ny mandatsak’ain’olona, na mamono ny namana na ny havana, na mampihorohoro. Samia mampiasa ny feon’ny fieritreretana hoy aho aminareo.
Fa mijaly ny vahoaka ankehitriny, miakatra ny vidim – piainana, ny vidin’ny lasantsy etsy andaniny, ka isika izany dia tsy maintsy miasa miaraka ary tsy maintsy manana faharetana, manana faharetana hoya ho aminareo satria tsy mora. Koa mino sy manantena aho fa ny fankalazana amin’izao ankatoky ny fetim – pirenena izao dia alahelo daholo ny Vahoaka malagasy rehetra manerana ny nosy satria zao ny zava – manjo ny firenena. Fa kosa ny andro anakiray izay tena hanafahana izany fampahoriana, tena anafahana an’i Madagasikara ao anatin’izany korontana izany no tena andrandrain’ny Vahoaka marobe. Koa dia matokia ahy ianareo, mahatoky anareo ihany koa aho fa hiasa hiaraka isika. Koa dia tohizo, tohizana foana ny hetsika ataontsika ho ren – tany ho ren – danitra satria zava – dehibe no ahafantaran’ny olona fa i Madagasikara, ny Malagasy dia manana ny soa toavina. Ankehitriny aza dia mbola mitana ny hevitra izay voalaza tamin’ny fivoriana tamin’ny 30 martsa fa hoe tsy maintsy atao izay hanampiana an’i Madagasikara na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana. Fa mila sava lalana aloha ( ?) ny fomba fifampiresahana aloha mba ahafahana mijery haingana sy maharitra ny demokrasia sy ny fandriampahalemana. Tsy maintsy vahana aloha ny resaka fandriampahalemana. Tsy ekena intsony ny fisamborana, tsy ekena intsony ny herisetra izay misy amin’izao fotoana izao.
Mbola betsaka ny tiako resahina ary izahay aty aza mba maika dia maika ny te hody, hiverina aty Madagasikara, ahita ny Malagasy indray fa tsy maintsy atao matotra tsara ny resaka, mazava tsara fa aharitra ny demokrasia eto Madagasikara izany.
Koa mbola mamerina hatrany ny fisaorana sy ny fankasitrahana aho ary mamerina aminareo fa tandremo tsara fa misy ireo mampiraviravy tanana anareo ireo. Aza manaiky izay fampiraviraviana tanana fa tsy manaiky mihintsy raha tsy efa tafaverina any i Dada. Tsy mijanona mihintsy.
Koa Minoa ahy ianareo, izaho koa mahatoky anareo izay ary aloha ny androany, betsaka ny holazaiko aminareo amin’ny manaraka fa mbola miasa izahay amin’izao fotoana izao. Koa dia mametraka ny amin’ny manaraka indray, samy tahian’Andriamanitra.
Discours du président Ravalomanana
-
[image: vih 09 120430 Tafa mivantana nataon'ny PRM]
Il y a 12 ans
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire