Ry Vahoaka Malagasy mpiray tanindrazana,
Miarahaba anareo amin’izao ankatoky ny fankalazantsika ny tsingerintaonan’ny faha 29 martsa 1947, tolom – panafahana nataon’ireo zoky ray amandrenintsika 62 taona lasa izay. Mbola misy amin’izy ireo miara miriaria mahita ny zava – misy ankehitriny, ireo tapa – porohana sisa tsy may, ireo akanga sisa nanamborana.
Ianareo bekotro maro olatra, misaotra anareo izahay nohon’ny tolona nataonareo ho fanafahana ny tanindrazana malalantsika ity. Mankasitraka anareo izahay nohon’ny hafanam – po, ny fijoroana, fahasahiana ho an’ny taranaka fara aman – dimby.
Mamelà ahy ianareo mba hitodika amin’izy ireo ankehitriny, vanin’andro lehibe sarobidy amin’izy ireo tokoa mantsy izany fahatsiarovana ny tsingerintaona faha 29 mars izany. Aza matahotra ianareo fa ho jerena manokana izay mbola azo hanampiana sy izay azo atao rehetra amin’ny andro sisa mbola hiainanareo.
Mitodika amintsika ankehitriny kosa ary aho ankehitriny. Raha niady mafy izy ireo, nahafoy ny ainy, ary indrindra indrindra nijoro ho lehilahy sy vehivavy, mahita ny zava – misy ankehitriny, miaina zao vanin’andro iainantsika ankehitriny izao, malahelo, misento. Aiza ho aiza no tena fitiavantsika ity tanindrazana malalantsika ity.
Ry vahoaka Malagasy, asehoy ny tena fitiavantsika, mijoroa, misehoa, tiantsika loatra ity firenentsika ity, mamintsika loatra ry malagasy. Fantantsika fa misy dia misy ireo mpanao arira, ireo diso lalana, ireo nania, nefa tonga amin’ilay fitenenana manao hoe ny omby indray mandry hono tsy indray mifoha ary saonjo iray lohasaha tsy hilaozan’izay mamarara, koa havereno ny fifankatiavantsika malagasy. Asehoy fa fianakaviambe iray ihany isika.
Faly aho, faly isika mianakavy satria am – pamendrehana tanteraka no hankalazaintsika izany tantara anankiray tsy azo kosehina ao am – pon’ny malagasy izany.
Misaotra an’Andriamanitra isika fa be ireo olona tia tanindrazana. Ianareo zao, isika rehetra izay mihaino sy manaraka ny fandehanan – draharaha eto amin’ny tany mamintsika ity. Fantatro, fantantsika rehetra fa mandia fotoan – tsarotra ny firenentsika ankehitriny, tsy mifankaiza firy ny zava – misy 62 taona lasa izay. Ny endrika fotsiny no samihafa, ny fotoana no aty aoriana fa ny fanagejana indray no tadiavin’ny sasany ho atao ary ny fizarazarana hanjakana no kendren’ny sasany.
Mahatoky aho, mahatoky isika fa hijoro hatramin’ny farany, hanao arak’izay ato atao mba ahafahantsika mampandresy ny fanamafisana ny demokrasia, ny fankatoavana tanteraka ny lalam – panorenana ary indrindra indrindra ny fanajana ny lalàna velona misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana mba hiadanan’ny vahoaka, hamerenana ny filaminana sy fandriam – pahalemana.
Antso no ataoko, aoka isika samy hiheno ny feon’ny fieritreretana amin’ny fitiavan – tanindrazana hananatika. Tsy tombontson’izao velively ny fandrobana fananan’olona, ny fandorana ny fananam – panjakana sy ny fananan’olon – tsotra. Tsy ny tafondro sy ny basy no hangalana an – keriny ny fahefana fa aoka re mba samy hanaja ny lalam – panorenana, hanamafy ny demokrasia. Mahatoky aho, mino aho fa ampy dia ampy ho lesona ho an’ny ho avy ny zava – mitranga ary izao fahamaroanareo marobe izao tsy hijanona mihintsy.
Miantso anareo aho, mamporisika anareo aho, mankahery anareo aho, fihetsika maha te hidera, fahasahiana hiaraha – mahita izao ataonareo izao, aza manaiky ny hiverenan’ny fangejana ity firenentsika ity intsony. Lavo ankitsirano ny fampiadiana sy ny fizarazarana hanjakana. Tandremo dia tandremo ry Vahoaka Malagasy. Tsy maintsy ataontsika izay ahafahana maneho haingana ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Tsy maintsy ataontsika ny famerenana indray ny fiainam – pirenana ary tsy maintsy ataontsika ny famerenana indray ny fiainam – pirenena ary tsy maintsy ataontsika ny fampandrosoana haingana sy maharitra ity firenena malalantsika ity mba hamaranantsika hatramin’ny farany ny fahantrana misy eto Madagasikara.
Aoka re isika amin’izao fotoanan’andro iainantsika izao hahatsapa fa dia efa noraisin’ireo firenena matanjaka ho modely Madagasikara amin’ny fampandrosoana. Indrisy anefa hoy aho aminareo.
Koa ny fankalazantsika ny 29 martsa rahampitso alahady, andro izay atokantsika hitondrana am – bavaka ny firenentsika ary indrindr’indrindra andro hanakinantsika amin’ny Andriamanitra marina ny fiainan’ity firenena malalantsika ity, miantso anareo aho ry Malagasy, miantso antsika, aza avela ho raraka an – tany re ireo tolom – panafahana nataon’ireo zoky ray aman – dreny teo aloha, aza avela ho raraka an – tany re ireo voninahitra an – tsobika izay azontsika nandritra izay 7 taona – 8 taona niarahana izay.
Ry Vahoaka Malagasy,
Ato am – poko mandrakariva ny fahatsiarovana antsika rehetra, ato am – poko mandrakariva ny afo miredareda tia hampandroso haingana an’i Madagasikara. Tsy ho sandaiko vola na atakaloko izay harena ny fitiavako ny Vahoaka Malagasy sy ny fitiavako ny fireneko. Aza matahotra, ianareo fa tsy ho ela dia heverina aho, hiaraka isika, miasa miaraka no fahombiazana. Ny vavaka asandratrareo, ny fihetsika mendrika maha Malagasy antsika ataonareo, zava – dehibe eo anivon’izao tontolo izao izany. Tohizo, hamafiso izao hetsika ataontsika izao ho ren’izao tontolo izao fa tsy hanaiky mihintsy ny Malagasy raha tsy tafaverina amin’ny laoniny ny ara – dalàna. Mamerina indray aho fa ny akanga maro tsy vakin’amboa, ny mitabe tsy lanin’ny mamba, ka tongava maro ary, hamafiso hatrany izao hetsika hataonareo izao, ho ren – tany, ho ren – danitra fa mifankatia ny Malagasy, tsy hanaiky lembenana intsony ny Malagasy. Hiady hatramin’ny farany ny Malagasy mba ahatonga ny taniny tsy hisian’ny fanagejana intsony indray, mba ahatonga ny taranany rahatr’izay ho lasa taranaka vanona, mendrika ny firenena malagasy.
Andriamanitra tompon’ny fahefana rehetra anie manana fahasoavana manana amby ampy hamindra fo antsika, hitahy antsika ary hanao izay ahatanteraka, izay ahasoa ny Malagasy rehetra.
Homba antsika Mandrakariva anie Andriamanitra.
Discours du président Ravalomanana
-
[image: vih 09 120430 Tafa mivantana nataon'ny PRM]
Il y a 12 ans
very place ve ra ben ravalo no mbola midelira ihany
RépondreSupprimer