Miarahaba anareo vahoaka malagasy indrindra fa ianareo tonga marobe eto amin’ny Magro, maheno an’izany antsoantso sy horakoraka marobe izany milaza hoe tongava amin’izay Dada, ho avy aho fa aza matahotra ianareo.
Mahafaly dia mahafaly indrindra tokoa ny miarahaba anareo amin’izao fotoana izao indrindra amin’ity asabotsy ity. Aty Lybie aho izaho hanatrika ilay conférence, ilay sommet izay atao aty Lybie, efa aty aho izao ary izay no hilazako anareo hoe tsy mandry andro tsy mandry alina fa miasa, mihazona mandrakariva izay relation izay na izay fifanarahana izay. Zava – dehibe loatra mantsy ny fitazomana ny fifampatokisana koa dia matokia ahy ianareo ary izaho koa mahatoky anareo fa tsy maintsy manao arak’izay azo atao aho mba ahafahantsika manarina indray ireo rava, ireo may, ireo simba ireo. Koa dia hoy aho aminareo : matokia fa tsy mijanona fotsiny aho, miasa sy mitady izay vahaolana rehetra mba ahafahan’ny firenentsika, mba ahafahan’ny Vahoaka Malagasy miaina toy ny olona rehetra, mandry am – pilaminana, mandeha amin’ny asa an – davan’andro mba misy fidiram – bola. Minoa ahy ianareo fa tsy maintsy hisy farany izao fijaliana izay mianjady amin’ny Vahoaka Malagasy izao.
Fa izao, izao ny zavatra tiako hafarana aminareo. Voalohany indrindra aloha mankasitraka sy misaotra anareo be dia be aho fa nanaraka ilay antso nataoko tamin’ny alakamisy hariva sy zoma hoe aoka avokoa hitondra am – bavaka ny firenena amin’ny fankalazana ny 26 jona satria iarahantsika mahalala ny zavatra misy fa mbola tsy misy izany atao hoe tena fahaleovantena, tsy misy izany hoe fahafahana izany satria hita fa tena mijaly, tena fadiranovana ny olona, mandry an – driran’antsy. Koa dia mino aho fa fantatrareo tsara ny tiako resahina hoe misy fotoanany daholo ny zavatra rehetra. Fa ny zavatra azoko resahina aminareo dia minoa ianareo ahy, matokia ahy fa tsy maintsy tafaverina any Madagasikara aho, miasa miaraka isika ho fampandrosoana ny firenena.
Tena marary mihintsy ny fo ary malahelo dia malahelo amin’izao fisamborana tsy ara – dalàna mihatra amintsika izao, ary ianareo dia samy mahalala fa ny hevitra tadiavin – dry zareo dia ny ahatonga anareo tsy ho tonga marobe toy izao intsony. Tsia dia tsia fa vao maika mampiakatra ny hafanamponareo izany koa dia aza manaiky lembenana izany mihintsy fa tohizo foana, manàna faharetana. Miara – miasa isika, miara - miharitra ary tsy maintsy miara – mientana ihany koa.
Koa dia misaotra anareo aho, ianareo mpanentana, ianareo solombavambahoaka, ianareo senatera. Misaotra anareo aho, ianareo vehivavy, ianareo ankizy, ianareo ray aman – dreny, ianareo foloalindahy, misaotra fa olon – kendry mahalala ny tokony atao. Ary raha niresaka aho hoe misy ny fifanantonana hifampidinihana, matokia ahy ianareo, talentako io minoaahy ianareo fa tsy maintsy vitantsika io. Koa hiara – hientana isika hananana firenena vanona, hananana taranaka mba handova an’izany zavatra apetrak’isika izany
Tsy ataontsika ankamehana intsony manomboka izao ny fametrahantsika izany atao hoe demokrasia sy ny tany tan – dalàna izany ary indrindra indrindra manaja ny lalàm – panorenana, fa tena hatao maharitra, tsy afaka haozongozina intsony. Variana be loatra tamin’ny fampandrosoana ny ara – toekarena isika, fijerevana ny ara – tsosialy, indrindra indrindra ny fampianarana ny ankizy sy ny fiarovana ny ainy tamin’ny fanaovana vaksiny koa dia amin’ny manaraka dia tsy maintsy ampiarahina daholo izy rehetra rehetra mba tsy hisy intsony ny manozongozina sy mandrodana ny demokrasia mbola tanora dia tanora ireny. Ary mino aho sy mahatoky aho fa ianareo koa izay tsy mijery sy mitsinjo ny ho avy, izay mieritreritra foana fa haka fahefana eny an – tanana na handroba fahefana, mba mieritrereta ihany ho an’ny taranaka fara – mandimby, diniho ihany izao asa ataonareo mampijaly ny vahoaka sy mampisambotra sy mampihorohoro ny sasany izao. Misy farany daholo ny zava – drehetra, ray aman – dreny aho miteny ary amin’ny maha Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ahy no hitenenako. N’iza na iza dia oloko daholo ianareo, aoka re mba hisy fifankatiavana aoka re mba tena hanao izay hampandrosoana ny firenentsika. Ireo firenena izay niara – dia tamintsika any Afrika na any Azia dia efa lasa lavitra daholo. Isika tsy misy dikany ampiadian’olona dia miady, dia lasa tsy mifampialona, dia lasa mifanimba zavatra dia lasa misakana ny sasany, tsy izay no tokony ho izy fa fifaninana no tokony atao hampandrosoantsika ny firenentsika.
Koa dia mino aho fa hanana faharetana ianareo, mahareta aloha satria hamonjy ilay fivoriana aty aho, aty Lybie mandritra ny 3 – 4 andro eo ho eo na 5 andro eo ho eo ary hihaona amin’ireo filoham – pirenena marobe ireo. Tsy maintsy hazavaiko aminy tsara hoe inona no mba ahafahanareo mihetsika haingakaingana kokoa fa tena efa maika dia maika tokoa izahay any Madagasikara. Efa miandry ny fahatongavako any ny olona. Koa dia homeko anareo miandalana ihany ny valiny fa dia manome toky aho ary manana ianareo faharetana. Izay ary aloha ny androany fa dia amin’ny manaraka indray aho mbola hiresaka. Tsy misy izany firenena tsy ara – dalàna izany ka naharitra teo amin’ny fitondrana, ny firenena izay norobana na nalaina an – keriny tsy maharitra ireny.
Koa dia samy hotahian’Andriamanitra. Amin’ny manaraka indray aho miresaka aminareo.
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire