dimanche 22 février 2009

Infos Régions - 21/02/2009

RÉGION SAVA

- Milamina ny fiainan’ny mponina amin’ny ankapobeny raha ny resaka fihetsiketsehana ara-politika no resahana, araka ny fanambaran’ny Chef de Region, sady Reg/Tim, any amin’ny Faritra SAVA, Benaivo.
- Androany Sabotsy 21-02-09 no nanao famoriam-bahoaka tao SAMBAVA ireo mpanohitra miaraka amin’ny TGV saingy tsy nahavory olona maro.
- Zava-dehibe iny vokatry ny fihaonana voalohany teo amin’ny Filoha Ravalomanana Marc sy Atoa Andry Rajoelina iny, hoy ny CR SAVA.
- Ny vidim-piainana no niakatra kely

RÉGION BONGOLAVA

Arakan ny nambaran’ny CR BONGOLAVA, Rabarijaona Jean Caude, dia milamina ny any amin’ny Faritra Bongolava.

- Omaly Zoma 20-02-09 no snikasa hamory olona tao amin’ny renivohitry ny Faritra ireo mpanohitra saingy tsy sahy indray.
- Nankasitraka ny vokatry ny fihaonana voalohany teo amin’ny Filoham-pirenena Marc Ravalomanana sy Atoa Andry Rajoelina ny CR BONGOLAVA.

RÉGION ITASY

- Milamina ny Faritra Itasy hatramin’izay ka hatrmin’izao, hoy ny CR sady Reg/Tim Itasy, Rakotondrazaka Hubert Henri.
- Nankasitraka ny vokatry ny fihaonana voalohany teo amin’ny Filoha Ravalomanana Marc sy Atoa Andry Rajoelina moa ny CR Itasy sady mirary koa ny hitohizan’ny dinika am-pilaminana.

RÉGION BETSIBOKA

- Sabotsy : 6 ora hariva : Gala évangelique karakarain’ny faritra ao amin’ny trano-pokonolona Kanto ao Maevatanàna sy fiobonam-bavaka ho an’ny firenena
- Alahady : Fihaonana ara-panatanjahan-tena eo amin’ny vadin’ny zandary sy ny Sélection civile (Basket)

RÉGION VAKINANKARATRA

- Saika hanao fihetsiketsehana ny plate-forme de l’opposition anio Asabotsy saingy noravan’ny fokonolona tao amin’ny fokontany Ambohimena. Tsy mila fanakorontanana aty aminay hoy izy ireo.
- Mitohy kosa ny asa an-tanamaro na HIMO amin’ny fokontany rehetra ao Vakinankaratra. Isan’ny nahazo izany ny tao Ambohimena. 200 no isan’ny olona nahazo tombontsoa mba entina hanadiovana ny tanàna.
- Efa vita tanteraka ny Lycéemanaram-penitra sy lehibe namboarina ao amin’ny distrika vaovao an’I Mandoto, izay nampanantenain’ny Filoham-pirenena Marc Ravalomanana. Efa mianatra ao ny mpianatra ka miandry ny fitokanana azy sisa.
- Mitohy hatrany ny asa fanitarana ny seranam-piaramanidina ao Antsirabe. Efa miditra amin’ny première c ouche de bitumage ny piste d’aviation ny mpanatanteraka ny asa ankehitriny.
- Ankoatra ny rojom-bavaka ataon’ireo mpitondra fivavahana any an-toerana saika isan’andro dia hanomana fotoam-pivavahana ho an’ny firenena ihany koa ny ao amin’ny faritra.

RÉGION MENABE

- Milamina ny fiainan’ny olona andavanandro.
- saika hanao hetsika tany amin’ny distrika 3 : Morondava, Mahabo ary Miandrivazo ny mpanohitra tarihin’ireo olon’ny AREMA taloha. Manao « intimidation » amin’ny endriny maro ny tompon’andraikitry ny faritra any an-toerana mba entina handevonana izany hetsika izany.
- Mandeha tsara ny asa tàna-maro HIMO; ary faly ny vahoaka manatanteraka izany ka velo-pisaorana ny fanjakana.

RÉGION AMORON’I MANIA

- Nanao hetsika tao antaponivinany Ambositra ny mpiara-dia amin’ny ara-dalàna. Tonga tao avokoa ny solotenan’ny distrika 4 sy Imadiala; saika tonga nanotrona izany avokoa ny sokajin’olona rehetra:ny mpitondra isan’antokony ka hatramin’ny tantsaha isan-karazany. Ny fihavanana, ny fanohizana ny asa fampandrosoana, ny fampianara tsy an-kijanona ny zana-bahoaka ,ary indrindra ny famelàna ny Fanjakana ara-dalàna hanatontosa ny andraikiny am-pilaminana ho soa hoan’ny Tanindrazana.
- Milamina ny faritra amin’ny ankapobeny.

RÉGION MATSIATRA AMBONY

- Nanao famoriam-bahoaka ny mpanohitra fa tsy nahazo olona
- Milamina amin’ny ankapobeny

RÉGION ANALANJIROFO

- Nanao meeting ry zareo mpanohitra fa sady tsy nahazo olona no tsy nisy ihany koa ny fihoaram-pefy. Isaky ny hetsika dia mampiantso ireo mpitarika izany ny Filohan’ny Faritra ary dia mamepetra tsara ny tsy tokony hisian’ny fihoaram-pefy.
- Nankasitraka ny fanapahan-kevitra nivoaka avy amin’ny fihaonan’ny Filoha Ravalomanana sy I Andry TGV

RÉGION DIANA

- Nanambara avy hatrany ny lehiben’ny Faritra fa hilaza amin’ny haino aman-jery any an-toerana ny hevitra tapaka tamin’ny fihaonan’ny Filoha Marc Ravalomanana sy I Andry TGV anio.

RÉGION ALAOTRA MANGORO

- Milamina
- Nankasitraka ny fanapahan-kevitra nivoaka tamin’ny fihaonan’ny Filoha Marc Ravalomanana sy I Andry TGV ny CR.

RÉGION ANALAMANGA

- Namory olona teny amin’ny 13 Mai araka ny mahazatra ny TGV. Noravana ny olony fa hisy ny fihaonana hatao amin’ny Filoha Marc Ravalomanana
- Nisy ny fanompoam-pivavahana natao tao amin’ny Palais de Sport Mahamasina, izay nitondrana am-bavaka ny firenena. “Raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako no ho avy hanetry tena ka hivavaka dia hihaino any an-danitra Aho ary hanasitranany taniny” no niompanan’ny fotoana, izay nibebahana ho an’ny Malagasy tsivakivolo. “Vita ny ady” hoy ny hafatra nomena ny mpivavaka.

- Misy amin’ny mponina eto Antananarivo no mivavaka sy mifady hanina mba hamonjen’Andriamanitra ny firenena
- Nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety I TGV ary nilaza fa miato aloha ny hetsika eny amin’ny 13 mai. Rehefa vita ny fifampidinihana vao manao tatitra indray izy.
- Mbola hamory ny olony rahampitso ho amin’ny fanambarana hataony sy fotoam-pivavahana ihany koa
 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas