lundi 29 juin 2009

Occupation francaise dans les territoires Malgaches‏

Manoloana ny zava-mitranga eto an-Tanindrazana izay ahitana soritra ny fiverenan'ireo mpanjanaka mifehy ny Tanidrazantsika; manoloana ihany koa ny ezaka ataon'ny Frantsay hanaporofoana fa tsy misy soa ho azy ny ho ao ambadik'izao fanonganam-panjakana izao, ka mody ataony hoe dia tsy ao ambadiky ny raharaha eto izy izany (!!!), dia misy izay tsara aparitaka ho ren'ny namana sy ny olona tsara sitrapo eran-tany ireto alefa aminareo ireto.

Io sary eo ambany io dia nalaina tao @ rapport BEPH (bureau administratif petrolier francais)dec2008, nampifanindrina t@faridranomasiny Madagascar ka misy ampahany faritra malagasy tafiditra tao anatin'io contrat io ary tsisy henatra tsisy tahotra ny frantsay nivarotra ny tanin'ny gasy t@ company roc oil.
jereo ity site ity dia téléchargeo ny rapport decembre2008 fa ao ny mombamomban'ilay contrat pétrolier: [www.industrie.gouv.fr]

Frantsa any @ 10.000km de Madagasikara ve dia ho tompon'io? Amin'izay indray ao no tena be petrole? Tsy ekena, mpangalatra, mila toriana. Tsy maintsy miverina amintsika fa tanintsika io. Tsy any Mayotte io na ao La Reunion, fa mazavabe, an'i Madagasikara io nefa dia tsy naverina ho an'i Malagasy mihitsy na dia efa nahazo ny fahaleovan-tena aza ny Fireneny.

Ny fisian'io tany io dia nafenimpenina tamin'ny Malagasy ao Madagasikara hatramin'izay. 4,4Km² fotsiny no velaran'io nosy io ary eo anelanelan'i Besalampy sy Maintirano no misy azy. Raha ny hakelin'io nosy io no jerena dia tsy tokony ho hisy tombotsoa ho an'i Frantsa mihitsy ny hibodo azy io; tsy misy afatsy terrain d'aviation lehibe (mahazaka cargo lehibe genre B-52 sy Transall) sy station meteo ary toby ho an'ireo frantsay miasa amin'iny faritra iny ao amin'io nosy io. Ny fihehezana ny faritra manodidina sy ny petrole ao amin'iny faritra iny no tena antony hifikiran'ny frantsay io nosy kely io. Manakaiky io nosy kely io mantsy dia misy plattform offshore frantsay mitroka ny petrole malagasy efa ho ampolo taona maro izao, tsy azon'iza na iza lalovana iny faritra iny fa misy garde côte frantsay mitsena sy misakana ary mandroaka an'izay sambo mandalo eny mba hiala lavitra raha vao manakaiky iny faritra iny.



Source : Vaovao Malagasy
vaovaomalagasy@gmail.com
 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas