jeudi 15 octobre 2009

Hifarana eo ve ny tolona ?

Hanaiky ny hanatanteraka ny fitsipika vita Sonia tany MAPUTO II I Andry TGV. Hanao Sonia izy.

Hitehaka daholo ny rehetra fa tanteraka ny paikan’I reny-malàlan-dry-zareo; dia ny FAMPIHAVANANA sy ny FAMELAN-KELOKA (izay tsy fotokevitra tandrefana velively).

Dia HIFAMPIZARA SEZA ao ireo mpanao politika : ny tsy-sasatry-ny-mamadika-palitao, ny mpamono sy nampamono olona, ny nandroba sy nanapotika ny fanànam-pirenena; ireo taranaka mpamadika hatramin’izay – taràna-boanjo foto-boanemba hoy ny razantsika izay – izay zanak’ambilon’I reny-malàlany. 1947 ve hadinonao? Nahoana moa I Ratsiraka sy ny tariny no tafiditra amin’izao raharaha izao, nefa asin’I Rajoelina sy I Ravalomanana no niandohàny? Iza no nanisika azy tao?

Fa ianao kosa Ra-Malagasy, izaho sy ianao, isika vahoaka dia VITA HATREO NY NILANA ANAO. Efa niaritra ny mafy ianao, nianjadian’ny orana, ny hatsiaka, ny hafanàna, ny hanoanana sy ny hetaheta, ny fahantràna làlina, ary indrindra indrindra, namoy ny hava-malalanao raha tsy naràtra, niaina ny tahotra sy ny horohoro manolona ny basy ama-tafondron’ireo miaramila tsy valahara izay tsy velona raha tsy misy anao mandoa hetra. Nilaina izany hanatanterahana ny paikanay mpikarama politika sy reny-malalanay.

Nahavita ny adidinao ianao Ra-Malagasy havako, efa nilahatra, efa nifandona. Misaotra anao ireo mpikaràma-politika sy mpikaràma an’ady.

Fa izahay zanak’ambilon’I lafrantsa tomponay, dia haka ny seza fiandrianana. Ka na hisy aza ny fifidianana, dia tsy maintsy ny taranaka PADESM avy aminay ihany no “hisafidiananao” ny ho Filohan’ny Repoblika. Somary nisy nifandiso ny tantara, ka izany no nahalàny an-dRavalomanana teo. Fa tsy maintsy IZAHAY PADESM ihany no ho eo amin’ny fitondràna. Izay no teny-baiko.

Dia hisaraka toy avy nandevina alika ve isika sanatria nefa tsy afa-po akory? Fantatsika tsara fa ny VOKATR’IO FIFANARAHANA IO dia azo tombànana toy izao:

- AFAKA MADIODIO ireo nampamono sy mpamono olona sy nahavànon-doza tamin’ny Firenentsika, ka tsy azo toriana intsony izy ireo raha vao vita Sonia io fihaonana io. Matimaty foana ny Malagasy noho ny nataon-dry Ratsiraka sy Coutiti manerana ny Nosy; ny tetezana sivy (9) potika nanaovana fahiràno an’Antananarivo. Ry Ndremanjary Jean André, ry Herivelona Ramanantsoa (ny rahalahiny mbola mahery vaika ao anilan’I Rajoelina ao), sy ireo Arema iringiriny toa an-dry Tantely Andrainarivo sy ny forongony, dia ho tafaverina ao amin’ny fitondràna indray, na dia loza aza no nataony tamin’ny Firenentsika, miampy an-dry Andry Rajoelina, Charles Andrianasoavina sy Lylison René.

- Voatery HISAOTRA an’I reny-malàlany ireo mpanompony. Noho izany, HAHAZO VAHANA indray ilay nanjanaka antsika mianakavy hatramin’izay. Dia ho handihizany indray ny harenan’ny Firenentsika; na ankibon’ny tany izany, na an-dranomasina izany, na an-tanety. Ny volamena sy vatosoa, ny solika, ny jono sy hazomanga sns… dia HOMENA ny “patrô” daholo hamelomana azy, ho setrin’ny FANAVOTANA AZY REHETRA NAMOA-DOZA, izay efa very tany ampita na tao am-ponja, nefa AVOTRA INDRAY.

- Hahazo seza HIFEHY ANTSIKA indray ireo rain-dahiny amin’ny fanaovana adim-poko toa an-dry Zafy Albert (iza moa no anaran’ny alikany?), ry Betiana Bruno, Pr. Radesa sy Kapisy, ry Fanony Fulgence sy

Manoro Régis, ry Esoavelomandroso Manassé ry Marson Max mirahalahy avy sy ny forongony. Ireo moa dia tsy iza fa taranaky ny NAMADIKA tamin’ny 47 ihany ny ankamaroany.

- HIVERINA indray ny fanendrena olona amin’ny toerana ambony noho ny FIHAVIANY araka izany, ka hitera-doza indray. Tadidio ny anton’ny nanakatonan’ny Kanadiana ny toeram-panofanana mpitondra raoplanina teo Ivato tamin’ny andron-dRatsiraka: satria maro loatra ireo hélikoptéra nianjera noho ny tsy fahombiazan’ireo mpiofana voafidy noho ny fihaviany na dia hita izao aza fa tsy mahomby. Hiteraka lonilony ho an’ireo voailikilika noho ny tsy rariny izany. Fa tokony ho ny fahaizana sy fahamendrehana ihany no sivana mahomby.

Ireo fahavoazana nanjo ny Firenentsika (ozinina tsy namokatra nefa nandaniana volabe toy ny ZEMA, ZEREN, ny fanaovana simenitra ao IBITY, ireo namoy ny ainy sy naràtra tamin’ny 10 Aogôsitra 1991 tamin’ny andron’I Ratsiraka, ny novonoina sy nampidirin’I TGV amponja noho ny antony politika, dia ho vita ho azy toy ny tsy nisy, aorian’io fampihavànana sy famelàn-keloka io.

Koa ho FIAROVANA ny aintsika sy ny ho avintsika VAHOAKA MALAGASY, ary HANARENANA NY FIRENENA MALALANTSIKA dia ndao ho takiana ireto manaraka ireto:

- Ny FAMPIJOROANA HAINGANA tsy misy hatakandro ny “HAUTE COUR DE JUSTICE” hitsàra ireo nampidramintsika fahefàna nefa dia namoa-doza ho an’ny Firenentsika, nanàmpatra fahefàna ka namono sy nampamono ary nanagàdra ny havantsika;

- Ny FANAFOANANA TANTERAKA ny fanendrena olona ho ao amin’ny fitondrana noho ny FIHAVIANY, izay tetiky ny mpanjanaka hametrahana ny adim-poko miolaka, ary mbola ampiasainy hatramin’izao;

- HAJANONA HATREO ny fanonerana ireo orinasa voanjo, Marseillaise, Lyonnaise, Rochefortaise sns, izay nitsetsitra ny hatsembohan’ny raiamandrenintsika sy razambentsika, ary nampahantra antsika hatramin’izao;

- Ny FANONERANA an’I MADAGASIKARANTSIKA noho ny faty olona, teo amin’ny 100.000 eo ho eo, sy ny fahavoazan’ny havantsika tamin’ny tolona MDRM 1947; ary noho ny fivarotana ho andevo ireo havantsika tamin’ny fotoan’androny:

- Ny FANONERAN’I Lafrantsa an’I Madagasikara noho ny korontana nateraky ny fandraisany anjara mivantana na an’kolaka tamin’ny fanohanany an’I Andry TGV, ka niafàra amin’ny izao fampihavànana izao.

- Hajoro haingana ihany koa ny rafitra politika vaovao; dia ny antoko DEMOKRATIKA sy REPOBLIKANA, ka ho foana avy hatrany sarintsarin’antoko natao hanakorontana sy hitadiavan-tseza fotsiny ;

- Averina ho eo ANIVON’NY VAHOAKA NY TAFIKA, ka handray anjara mivantana amin’ny fampandrosoana ara-toekarena, ka hisahana ny FAMBOLENA sy FIOMPIANA ary JONO; alefa hisahana ny ASA- VAVENTY sy FANAOVAN-DALANA ihany koa. Ny sasany alefa HIAMBINA NY MORON-TSIRAKA izay midadasika tsy misy manàra-maso.

TSY MAHAZO MANAO POLITIKA ny miaramila, ary TSY AZO TENDRENA hitondra Firenena, na ho mpikambana ao amin’ny Governemanta.

- FOANANA ny Ministeran’ny Fitsarana, ka HAHALEOTENA tsy baikon’ny Filoham-pirenena na itsabahany intsony ny àsan’ny Mpitsara sy ny Mpisolovava.

- Takiana ny FAMERENANA ny fikarohana ny namono an’ny Kolonely RATSIMANDRAVA, ary ny fitaovana namonoana azy.

- TSIPIHINA mazava atsara ao amin’ny Lalàm-panorenana fa NY FIFIDIANANA IHANY no manendry izay ho Filoham-pirenena. Ary tsy maintsy mahavita ny fe-potoana iasàny izy vao miàla, raha tsy sanatria angaha namadika na nivarotra ny Tanindrazantsika.Izany no hatao, dia ny hisorohana ny korontana maty paika natao isaky ny folo taona eo ho eo izay niainana hatramin’izay, ka mampihemotra ny Firenentsika.

Ireo ary ny ADIDY MIANDRY ANTSIKA hatramin’izao ry Malagasy havako. Tsy vitan’olon-drery io. Tsy ho tanteraka avy hatrany io, satria maro no hisàkana antsika amin’ny fomba rehetra HANAFAKA NY FIRENENTSIKA amin’ny ziogan’ny mpandroba sy mpanjanaka amin’ny endriny vaovao: fandangolangoana amin’ny alàlan’ny fianarana ambony any ivelany, karama sy toerana tsara any ivelany (dia tsy afaka hiasa ho an’ny Firenenao ianao), fanomezan-tseza ao amin’ny Fitondrana, fivavahana mahasarika, na koa fampihorohoroana, famonoana.

TSY HANAIKY ho rebireben’ireo mpivelona amin’ny politika intsony isika. Satria HELOKABEVAVA ny fampahantràna vahoaka. HISIKINA isika mianakavy hametraka lovasoa ho an’ny taranantsika, dia I MADAGASIKARA AFAKA.

MASINA NY TANINDRAZANA
MASINA NY MALAGASY
 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas