mercredi 27 mai 2009

Fidirana mivantana nataon'ny Filoha Marc RAVALOMANANA tamin'ny antso an - tariby teo amin'ny Magro

Manahoana daholo ianareo

Miarahaba anareo vahoaka tonga marobe eto amin’ny toerana ity aho, manahoana daholo ianareo e

Mahatsiaro ary maka sary an – tsaina ny fitiavana ao anatinareo ao sy ny fanirianareo rehetra dia ny hihaonatsika tsy ho ela ary minoa ahy ianareo fa tsy maintsy ho tanterahintsika izany.

Mahatoky aho, mahatoky aho fa mahalala ny tokony ataony ny vahoaka malagasy ary dia saro – piaro amin’ny fitiavan – tanindrazana ka enga anie izao hetsika ataontsika rehetra izao, izao fikarohana ny vahaolana izao mba ho tanteraka hatramin’ny farany. Ary tsy matahotra isika fa momba antsika andriamanitra.

Ny zavatra anankiray tiako ho marihina sy ampahafantarina anareo dia izao, tsy hamelan – tsika mihintsy raha tsy miverina amin’ny laoniny ny filaminana ary ny lalàm – panorenana tsy maintsy hajaina toy ny anak’andriamaso ary indrindra indrindra ny tany tan – dalàna. Mampalahelo dia mampalahelo ny mahita ny fahorian’ny vahoaka malagasy ankehitriny, miafina, mandositra tsy mba manana izany zo maha olona azy izany. Tena mangirifiry ny tena ankehitriny, ka hoy aho ry vahoaka malagasy, samia manao arak’izay azo atao hiarovantsika ny famerenana ny ara – dalana.ny zavatra tiako ampitaina farany dia aoka mba samy hitovy ny fomba fijery ary hiara hientana isika handresy an’izao fihetsika sy fandrobana ataon’ny sasany izao, fandrobam – pahefana, ary indrindra indrindra ny fitadiavan’ny sasany hanazanahana indray ny firenentsika, tsy manaiky an’izany isika malagasy, tsy hanaiky an’izany isika.

Ny hafatra tiako hapetraka aminareo ary dia samia, samia hoy aho aminareo manana an’ilay faharetana sy ilay finiavana hanao zavatra satria izay ihany no ahafahantsika manatanteraka nohon’ny finoana hananatsika ary indrindra indrindra ny fijoroantsika amin’izany hoe fitiavana, entanim - pitiavana izany dia mahavita zavatra.

Izao hetsika ataonareo izao dia hitan’ny firenen -drehetra ary miara – miasa amintsika ny firenena izay efa manohana, ny firenena afrikana, ny firenena eropeana, ny amerikana ny asiatika manohana antsika avokoa, koa mahatokisa fa tsy maintsy hanampy antsika izy ireo.

Holazaiko aminareo atsy ho atsy ny vokatr’izany fiaraha – miasa izany ka dia manantena isika, mino isika fa homba antsika andriamanitra

Mandrapihaona indray ary ry vahoaka malagasy

Hafatry ny Filoha Marc RAVALOMANANA hoan'ny vahoaka Malagasy - 26 mey 2009

Ry Vahoaka Malagasy tia tanindrazana ary mitaky sy miady ny famerenana ny ara - dalàna, miarahaba anareo aho.

Ankehitriny i Madagasikara dia tarihan’ireo’antokon-jiolahy izay manana tetika maizina sy miafina, tarihan’i Andry Rajoelina ary tohanan’ny Frantsay sy ny forongony.

Ny tanjon’izy ireo dia ny hanjanaka indray an’i Madagasikara, ary ny hanandevozana ny Vahoaka Malagasy. Ny tetika feno fitaka vaovao hataon’ny frantsay amin’izao fotoana izao mba hialana amin’ny savorovoro nateranyo, dia ny fampiharana ny fifanarahana vaovao nataony amin’i Andry Rajoelina sy ireo jiolahy manohana azy.

Ny zavatra kendren’izy ireo dia ny hisian’ny adim-poko eto amin’ny Firenentsika.

Ny mpitondra an’i Madagasikara ankehitriny dia saribakolin’ny frantsay. Miara-miasa akaiky amin’ny frantsay izy ireo, ka ampiasainy ny fomba rehetra - tafiditra ao anatin’izany ny fampihorohoroana, ny fanenjehana, ny fanagadrana, ary ny famonoana ny Vahoaka Malagasy, izay hita fa mijoro sy sahy mitaky ny ara – dalàna mba ahafahan’izy ireo mifikitra eo amin’ny fitondrana izay tarihiny. Mihevitra izy ireo fa izany fihetsika, sy herisetra ary fahefana izany no manome zo azy handika lalàna.

Tsy izany velively anefa ny safidin’ny Vahoaka Malagasy.

Tsy tian’ny frantsay handroso mihintsy i Madagasikara. Izy ihany no tiany hahazo tombontsoa. Avelany hanapotika ny fotodrafitr’asa sy hanimba ny fananan’ny olona ireo olona baikony sy karamainy ireo mba tsy hampandrosoana an’I Madagasikara sy hampivaotra ny farim-piainan’ny Vahoaka Malagasy.

Ny andian-jiolahy tarihan’I Rajoelina dia tsy manam-pikasana hafa, afa tsy ny hanapotika ny fandrosoan’ny toe-karena Malagasy. Amin’izay dia mahantra lava ny Vahoaka Malagasy.

Hahatongavany amin’izany dia efa notafihany ireo fananam-panjakana sy fananan’ny olon-tsotra, ny fangalany vola tao amin’ny Banky Foibe sy ny “Assurances”, izay fananan’ny Firenena Malagasy.

Amin’izao fotoana izao dia miezaka i Andry Rajoelina, ampian’ny Frantsay, handresy lahatra ny firenena miteny frantsay rehetra. Ny tanjon’izy ireo dia ny mba ahazony ny fankatoavana sy ny fanohanan’ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena, amin’ny fandikan-dalàna izay ataony.

Ry Vahoaka Malagasy tia tanindrazana, manana fahasahiana sy mijoro, manohana ny ara-dalàna,

Hanao izay tratry ny heriko aho, ary hampiasa ny fahefako sy ny fahaizako, handrodanana haingana io fanjakan’ny baroa tarihin’I Andry Rajoelina sy ny mpanara – dia azy io, mba hamerenana indray ny ara-dalàna eto amin’ny tany sy ny Fanjakana.

Hahatongavana amin’izany anefa dia tsy maintsy nitety firenena maro nanazava ary nangataka fanampiana aho. Nanaiky daholo ireo firenena ireo izay hanampy antsika. Ho hambarako aminareo tsy ho ela ny mikasika izany.

Koa ambarao amin’ny Malagasy Mpiray Tanindrazana amintsika izao resaka ataoko aminareo izao. Ary mahereza fa mahatsiaro anareo mandrakariva aho ary miombom-bavaka aminareo.

Homba antsika Andriamanitra!
 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas