mercredi 4 février 2009

Fitsidihan'ny minisitry ny angovo sy ny harena an-kibon'ny tany ny site thermique lehiben'ny Jirama eny Ambohimanambola



Nitsidika ny asa fananganana ny site thermique lehiben'ny Jirama eny Ambohimanambola androany ny minisitry ny angovo sy ny harena an)kibon'ny tany Elysé Razaka nijery ny fivoaran'ny asa. hanohanana ny famatsiana herin'aratra eto Antananarivo sy ho fiatrehana ireo fivoriambe ho raisin'ny Madagasikara amin'ity taona ity sy @ 2010 no nananganana ity site ity.
25 MW ny tanjak'ity site ity izay handray an-tanana ny 1/10 n'ny filàna ary hiatrehana ny fatapahan'Andekaleka @ taona 2010 nohon'ny asa hatao eny. Mpiasa 160 no miandraikitra ity fanamboarana ity ary maherin'ny 63 tapitrisa dolara ny totalibidin'ny asa.
Tsy A/vo ihany no hanaovana fanatsarana fa ireo faritra hafa toa an'i Toliara, Toamasina, Fianarantsoa ary Antsiranana. Tanana 100 no hiandraiketan'ny Jirama amin'izao, 15 no mbola tsy nahazo groupe vaovao ary ny volana febroary sy jona no ho tonga ireo groupe ireo.
Ny orinasa Sheritt moa no miandraikitra ny asa fanamboarana eny Ambohimanambola.

- Tsy misolotena ny mpiasa sy ny syndicat n'ny Jirama ireo olona mitondra sora-baventy eny @ 13 mai araky ny nambaran'ny Jirama.

- Tsy misy olana ny famatsiana ny solika eto Mkara hoy ny minisitry ny angovo. Mandeha tsara ny famatsiana ary ampy ny tahiry.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas