vendredi 17 avril 2009

Fanambarana - TVM, RNM, DIT

MIHATRA NY JADONA SY NY FANAMPENAM-BAVA AMIN’NY HAINO AMAN-JERIM-PANJAKANA (TVM-RNM- DIT) Izahay mpiasan’ny haino aman-jerim-panjakana manaraka ny ara-dalàna dia milaza marin-drano fa kobaka am-bava ny filazana fa tsy hitongilana ny filazam-baovao ao amin’ny RNM sy TVM, manoloana ny toe-draharaha eto amin’ny firenena. Voahoso-potaka ho tsy manao ny asany ireo mpiasa manatanteraka izany an-tsirapo satria tsy havoaka akory ny vaovao angoniny momba ny fanohanana ny ara-dalàna. Very noho izany ny maha-matihanina ny mpiasa sy ny orinasam-panjakana. Mpitari-bato vilam-bava ny mpitantana amin’izao fotoana izao, misy ny fanilikiliana sy fanosoram-potaka sy ny famandriana ny mpanao gazety manangom-baovao. Miha-mahazo vahana ny kolikoly, manjaka ny gaboraraka amin’ny fampiasam-bola. Velo-taraina ny mpitantana ara-dalana, fa voan’ny fandrahonana samihafa mba hanaovana ny asa ratsiny, eo amin’ny fitantanana ny haino aman-jery amin’ny ankapobeny. Misy araka izany ny fizarazaran’ny mpiasa izay tsy mba nisy izany teo aloha. Mitaintaina ny mpiasa ECD , (RNM-TVM-DIT) fa tsy handray ny karamany manomboka volana Mey 2009 hoavy io. Ambara fa tao anatin’ny telo herinandro dia efa ho roanjato tapitrisa ariary ny vola lanin’izy ireo tao amin’ny teti-bolan’ity ORTM ity. Asongadina amin’izany ny fakana vola folo tapitrisa ariary nataon’ny HAT mba hampitana mivantana ny zava-nisy teny Mahamasina , nefa Televiziona tsy miankina iray no nasainy nanao izany. Noho izany dia mitaky ny haino aman-jerim-panjakana mba ho hajaina ny maha-matihanina ny mpiasa. Takiana ny fanarenana ao anatin’ny fotoana fohy ny trano fiasan’ny RNM sy ny TVM ary ny DIT. Maneho ny firaisan-kina amin’ny Mpiasam-panjakana manohana ny ara-dalàna ny mpiasa maro ao amin’ny RNM sy TVM ary ny DIT.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas