dimanche 10 mai 2009

Fanambarana Ofisialy, Fiadidian'ny Répoblikan'i Madagascar

Pretoria, Sabotsy 9 Mey 2009


Ry Malagasy Mpiray Tanindrazana, miady ho an’ny zontsika amin’ny maha olom – pirenena malagasy antsika isika ankehitriny, ary handresy amin’izany tolona izany. Marina sy rariny ny ady ataontsika. Mivonona isika ny hiaro ny zo maha olona, zo ananan’ny Vahoaka Malagasy. Mijoro isika hanohitra ireo andian’olona mampiasa hery mamoritra, izay mampijaly antsika, ny havantsika, ny mpiray vody rindrina amintsika. Hitantsika ny zavatra ataon’ireo andian’olona vitsy tia tena, izay mihevitra fa manana tombontsoa manokana mihoatra amintsika izay mijaly. Ry Vahoaka Malagasy, tsy tokony hisy izany. Tsy tokony ary tsy ho avelantsika hitranga izany. Mahery ny fahamendrehantsika, matanjaka ny finoantsika ny rariny, ka tsy ho voahozongozona, ary marina ny ady ataontsika.


Ny Vahoaka Malagasy no mampijoro ahy, Vahoaka izay mbola mijoro manohitra ny herisetra sy ny fampihorohoroana ataon’ny fitondrana tsy ara – dalàn’ny HAT sy ireo mpikomin’ny CAPSAT. Ny mpikomin’ny CAPSAT no manohana io fitondrana tsy ara – dalàna io, izay manao teti-dratsy hanesorana amin’ny Vahoaka Malagasy ny zo fototra maha olona. Ny fahavononan’ny Vahoaka sy ny ady ataony amin’io fitondana io no manome ahy hery hanohitra izany eo anilanareo.


Ny fanohanana izay avy amin’ny Fianakaviambe Iraisam – pirenena dia tokony ho loharanom-panantenana ho an’ny Vahoaka Malagasy. Dingana lehibe no vitantsika tao anatin’ny herinandro vitsivitsy. Voalohany, Niray feo ny mpandray anjara tamin’ny Groupe de Contact International, nivory tao Addis Abeba, nitsipaka ny fanovana tsy araky ny Lalampanorenana ny governementa. Vao haingana ihany koa, ny Parlememta Eropeana dia naneho ny fanamelohany tanteraka ny fanonganam –panjakana, ary nitaky ny famerenana tsy misy atak’andro ny ara – dalàna sy ny araky ny Lalampanorenana. Manohana ny ezaka ataontsika ny Fianakaviambe Iraisam –pirenena. Tokony ho fantatry ny Vahoaka Malagasy tsy vaky volo izany.


Tsy ho mora ny tolona ataontsika fa ho tsara ny vokany. Ny Vahoaka Malagasy rehetra dia tokony hahatsapa ary hiaina ny fanajana ny zon’olombelona sy ny fahamendrehana. Hiverina amin’ny Fanjakana tan-dalàna sy amin’ny fanajana ny Lalàmpanorenana isika, ary hanohy ny ezaka amin’ny fampandrosoana mba hisian’ny tombontsoa ho an’ny rehetra i Madagasikara.Manàna fanantenana. Manàna finoana.


Homba antsika hatrany anie Andriamanitra!

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas