lundi 27 juillet 2009

Fanonganam - panjakana

Tratry ny lazon’ady maha-valalanina ny mpitolona legalista fa tsy valahara loatra ireto mpisando-pahefana manao ki-fanjakàna ki-fanjakàna ireto.

Tsy tokony ho adinoina: fanoherana ny fanonganam-panjakàna anie no maha-legalista antsika e…

Manomboka amin’ny fanoherana ny fanonganam-panjakàna ny famerenana ny ara-dalàna.

Mitohy hatrany ny fanonganam –panjakana :

  • any anaty ministera sy rantsam-panjakàna samihafa any: soloina mpanao politïka ny mpiasam-panjakàna isan’ambaratonga; tsy ny fahaizan-draharaha no sivana fa ny tsikombakomba amin’ny mpisoloky fahefàna;

  • any anivon’ny faritra, izay ezahina foanana mangingina, ka hamerenana ny Faritany efa nofoanana anaty Lalampanorenana, sady efa naloan’ny vahoaka satria efa nampiasaina hampiadiana ny samy malagasy;

  • ny olom-boafidy any amin’ny kaominina avy no ailika amin’ny fitondràna ny raharaham-bahoaka;

  • hatrany amin’ny fokontany: soloina olona tsy masin-teny na filoha, na mpitantsoratra, na mpitahiry vola;

  • any amin’ny orinasa, na an’ny fanjakàna, na tsy miankina: mpiremby fotsiny izao no apetraka any, hanilika ny volan’ny orinasa ho an’ny mpanongam-panjakàna.


Ny fomba fiasany : koposoroka sy ramatahora.

Ny kendreny: ho reraka i Magro. Dia ho hotazana fotsiny. Dia atao ny fifidianana.

Any Maoritania any, efa manaza-tena amin’izay hataony aty Madagasikara ny fanjakàna (fantatra!!!) mpampirisika sy mpanohana mpanongam-panjakàna aty Afrika.

Ka mijoroa, mitsangàna
Miha-mahomby ny tetik’i Gideôna nampianarina antsika
Sokerao hatraiza hatraiza ny mpisando-pahefàna
Miaingà, na olon-tsotra, na mpiasa privé sy fanjakàna
Anaovy horakora-tsahona ny fanonganam-panjakàna
Hatrany amin’ny fokontany ka hatrany an-toeram-piasàna
Aina ity!!!
Tsy maintsy halevina haingana ny FAT

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas