vendredi 10 juillet 2009

Vaovao avy amin'ny Tiko Group

FANAMBARANA

Mitohy hatrany ny antsojay atao amin’ny orinasa Tiko Group. Taorian’ny fanodinana an-keriny ny ozinina mpamokatra lafarina, dia nidirana an-keriny indray ny ozinina mpanodina menaka, ny Toamasina Oil Plant na TOP 2, ao Toamasina ny fiandohan’ny tolakandro ny alakamisy 09 jolay 2009 lasa teo. Miaramila sy polisy mirongo basy, iraka avy amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita no nanapitsoka ny magazay rehetra misy ny akora. Terena hiodina ity ozinina mpanodina menaka ity. Araka izany, dia tsy tompon’andraikitra amin’izay mety ho vokatr’izany ny orinasa Tiko Group.

Ankoatra izay dia nopoirina ireo miaramila, milaza ho iraka avy amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita koa ny vavahadin’ny toerana fipetrahan’ny fananan’ny ALMA eny Imerikasinina ny tolakandron’ny zoma 10 jolay 2009. Lasan’izy ireo tamin’izany ny fiarakodia Volkswagen mitondra ny laharana 4177TAF. Ankoatry ny fiara dia nalain’izy ireo koa ny gasoil rehetra tao anatin’ireo fiara hafa nipetraka teo an-tokontany.

Direction Générale Tiko Group

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas