Ny voalohan-teny dia fisaorana an’Andriamanitra noho ny fitahiany, ka nahatongavantsika amin’izao tanjona fampihavanam-pirenena izao.
Nandalo fotoan-tsarotra tokoa mantsy ny Tanindrazantsika hatramin’ny voalohan’ny taona nankaty nohon’ny fandrombaham- pahefana.
Voatohina mafy ny andrim-panjakana sy ny firaisam-pirenena.
Nitsitongana ny fiarian-karena sy ny fiaraha-monina, ary niharatsy ny farim-piainan’ny Vahoaka Malagasy.
Zava-dehibe loatra ny fitandrovana ny firaisam-pirenenana sy ny soatoavina malagasy. Koa hamerenana haingana ny fandriam-pahalemana sy ny filaminana, ary hanarenana ny toekarena , dia heveriko fa tonga ny fotoana handraisan’ny mpitarika politika rehetra andraikitra eo anatrehan’ny tantara, ary hametrahana ny tombotsoan’ny Firenena ambonin’ny zava-drehetra, hampitsaharana ny fanaovana takalonaina ny Vahoaka Malagasy.
Ho ahy manokana, dia ambarako amin’ny Vahoaka Malagasy, fa tsy izaho velively no ho sakana amin’ny hahitantsika lalan-kivoahana amin’izao krizy izao.
Amin’ny maha Filohan’ny Repoblika ny tenako, antoky ny firaisan-kinam-pirenena, dia manambara ankitsi-po aho, fa vonona hampangina ny hambompo maha olombelona, hikatsahana ny vahaolana iraisana amin’izao krizy politika mampijaly ny Vahoaka Malagasy izao.
Mba ho fitandrovana ny tombotsoa ambony ny Firenena, dia heveriko fa fahendrena ny tsy handraisako anjara amin’ny fitantanana ny tetezamita iarahana. Nefa kosa ny “Mouvance Marc RAVALOMANANA”, mandala ny ara-dalàna dia handray anjara mavitrika amin’izany.
Hiverina an-tanindrazana tokoa aho, araky ny efa nambarako hatramin’izay, ka matokia ahy ianareo. Aza matahotra, minoa fotsiny ihany.
Manao antso avo hoan’ny mpitondra politika rehetra aho, hametraka ny tombontsoam-pirenena ambonin’ny zavatra rehetra.
Mangataka amintsika rehetra aho hitandro hatrany ny Fihavanana sy ny firaisan-kina. Andeha isika hanokatra pejy vaovao, ary hifantoka amin’ny hoavy.
Midera tanteraka ny herimpo sy ny fitiavan-Tanindrazana nasehontsika rehetra aho, tamin’ny fiarovana ny Lalampanorenana sy ny ara-dalana.
Misaotra ny Vahoaka Malagasy aho, indrindra ireo mpanohana ahy sy ireo rehetra nametraka tamiko ny fitokisany, ary nitondra ihany koa ny anjara birikiny amin’ny fitadiavana vahaolana iraisana sy milamina amin’izao krizy izao.
Miantso ny tsirairay aho hanao izay tandrifiny azy mba hahatafita ny tetezamita iraisana ho an’i Madagasikara vaovao; Mahatoky isika rehetra fa ho raiketin’ny Tantara izao finiavana sy fitiavan-tanindrazana asehontsika izao.
Isaorako ny Vahoaka Malagasy tamin’ny ezaka rehetra izay vitantsika, niasa niaraka tamin’ny fampandrosoana ny Firenena.
Misaotra ny Fianakaviambe iraisam-pirenena, Ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara, indrindra ny SADC, ny Vondrona Afrikana, ny OIF, ny Firenena Mikambana ary ireo iraka manokana tamin’ny fandraisana anjara mavitrika, hitadiavana vahaolana amin’izao krizy politika izao.
Manolotra fisaorana manokana hoan’ny Filoha Joaquim Chissano sy ireo mpiara-miasa aminy, tamin’ny ezaka rehetra nataony ny tenako.
Mankasitraka manokana ny Filoha Gebuza sy ny Governementa ary ny Vahoaka Mozambikana aho, izay nanaiky nampiantrano ity fivorianan’ny mpitarika politika efa-tonta ity, ary nahitam-bokatra.
Misaotra ihany koa ireo mpitarika politika telo mirahalahy, miaraka amin’ny delegasiona avy, tonga taty Maputo, Mozambique.
Ho raiketin’ny Tantara ny ezaka sy ny finiavana ary ny fanehoana fitiavan-tanindrazana nitadiavana vahaolana maharitra amin’izao fahasahiranana politika andalovan’ny Firenena izao, hampajakana ny fihavanam-pirenena, sy hananganatsika firenena vanona, Madagasikara vaovao.
Eto am-pamaranana, dia mirary soa ho anareo mpitondra ny tetezamita iraisana ny tenako.
Homba antsika mandrakariva Andriamanitra !
Maputo, faha-08 Aogositra 2009
Déclaration de Marc RAVALOMANANA pour le peuple Malagasy, Maputo 08 aout 2009(traduction libre)
Mes très chers compatriotes
Mes premiers mots s’adressent au Seigneur pour le remercier de ses bienfaits pour que finalement nous puissions atteindre cette réconciliation nationale.
Depuis le début de l’année jusqu’à aujourd’hui, notre pays a vécu des périodes difficiles à cause d’un coup d’Etat.
Les institutions et l’unité nationale ont été bafouées.
L’économie et la communauté ont régressé, la vie du peuple malagasy s’est complètement détériorée.
L’unité nationale et le soatoavina malagasy sont très importants. Aussi, pour le retour rapide de la paix et de la sécurité, et afin de relever l’économie, je pense qu’il est temps à ce que les dirigeants politiques prennent leur responsabilité vis-à-vis de l’histoire et faire à ce que l’intérêt supérieur de la nation prime sur toute chose, que cesse la prise en otage du peuple malagasy.
Pour ma part, je déclare au peuple malagasy que je ne serais pas celui qui serait un obstacle dans nos efforts pour la recherche de solution à cette crise.
En tant que Président de la République, garant de la solidarité nationale, je déclare sincèrement que je suis prêt à faire taire la fierté en tant qu’individu pour trouver une solution inclusive à cette crise politique qui afflige le peuple malagasy
Dans l’intérêt supérieur de la nation, je pense que la sagesse est que je ne participe pas à l’administration de la transition consensuelle. Cependant, la Mouvance Marc Ravalomanana, qui respecte la légalité, y concourra activement.
Je reviendrai au pays, comme je l’ai déjà annoncé, aussi ayez confiance en moi. N’ayez crainte, croyez seulement.
Je lance un appel à tous les politiciens de mettre au dessus de tout l’intérêt supérieur de la nation.
Je demande à chacun de nous de toujours respecter le Fihavanana, la solidarité. Ouvrons une nouvelle page et concentrons-nous sur l’avenir.
Je loue le courage et le patriotisme que chacun de nous a montré dans la défense de la constitution et de la légalité.
Je remercie le peuple malagasy, particulièrement ceux qui m’ont soutenu et ceux qui m’ont fait confiance, ceux qui ont participé à la recherche de solution inclusive et pacifique à cette crise
J’appelle tout et chacun à faire ce qui lui est possible pour la réussite de la transition inclusive pour un nouveau Madagascar.
Nous espérons tous que l’histoire retiendra la volonté et le patriotisme que nous avons montré.
Je remercie le peuple malagasy pour les efforts que nous avons accompli ensemble pour le développement du pays.
Merci à la communauté internationale, aux partenaires de Madagascar, surtout la SADC, l’Union Africaine, l’OIF et les Nations Unies et les envoyés spéciaux pour leur participation active dans la quête de solution à cette crise politique.
Je tiens à remercier particulièrement le Président Joaquim Chissano et ses collaborateurs pour les efforts qu’ils ont accomplis.
Je tiens également à remercier le Président Gebuza, le gouvernement et le peuple Mozambicain qui ont accepté d’héberger cette réunion des quatre chefs de file politique, qui a porté fruit.
Merci également aux trois chefs de file ainsi que les délégations qui sont venus ici à Maputo, Mozambique.
L’histoire se souviendra des efforts, de la volonté et du patriotisme manifestés durant cette quête de solution durable à cette crise politique que vit le pays actuellement, pour l’établissement d’une réconciliation nationale, pour la construction d’un pays digne, d’un nouveau Madagascar.
Pour finir, je souhaite du succès à ceux qui vont diriger cette transition inclusive.
Que Dieu nous bénisse tous.
Maputo, 08 Aout 2009
Merci Dada!
RépondreSupprimerOn est déjà prêt pour les élections 2010!
Tu seras le président de la 4ème république!!!! HHOUUUURRRAAA!!!
Olon-kendry tokoa hianao Président ! Aza dia ela loatra re fa manina zahay ! Hianao hiany no antoky ny fampandrosoana haingana ny firenena . Ny Tompo anie homba anao sy ny ankohonanao .
RépondreSupprimer