lundi 5 octobre 2009

Message du Président Ravalomanana

Chers compatriotes

La conclusion des accords de Maputo nous a apporté une lueur d’espoir. Malheureusement malgré nos efforts de laisser de coté tout orgueil et ambitions personnels, en face nous nous sommes heurtés à un manque de volonté manifeste de rendre effectif lesdits accords.

Bon nombre de personnes lors des événements 2009 ne sont pas encore libérés alors que les arrestations arbitraires continuent, On assiste à un pillage organisé à grande échelle de nos bois et pierres précieux, avec une destruction massive de l’environnement. On court vers une catastrophe économique et humaine sans précédent, avec des milliers de perte d’emploi et la fermeture de beaucoup d’entreprises. Hausse incontrôlable de l’inflation et effritement inexorable du pouvoir d’achat, alors que nous ne sommes pas encore en période de soudure. Prolifération des actes de banditisme, créant un sentiment d’insécurité permanente au sein de chaque foyer. La bonne gouvernance qui était notre fierté auprès des bailleurs de fonds internationaux, n’a plus sa place mais c’est la corruption au quotidien qui est le mode de gouvernement. Défaut d’entretien et délabrement des infrastructures qui ont coûté chers aux contribuables, Non accès des enfants à l’école, faute de moyens et de kit scolaire, et même ceux qui étaient scolarisés ne le sont plus.

« Les intérêts supérieurs de la Nation » pour certains ne sont qu’un slogan vide de sens

Le G I C va se retrouver à Antananarivo le 06 octobre pour continuer ses travaux de recherche d’une solution pacifique à la crise malgache.

Je considère tout acte de nature à entraver le bon déroulement de cette réunion internationale, comme une volonté affichée de na pas résoudre la crise et signifiant un défaut manifeste de tout sens de patriotisme.

En conséquence, j’exhorte tous les patriotes à se donner la main pour la réalisation de cette réunion et de soutenir par la prière tous les participants.

Je crois que le meilleur héritage que nous tous vivants actuellement, puissions léguer à la postérité est un Madagascar modèle de développement, paisible et stable.

Nous malgaches n’auront plus à rougir des coups d’Etat comme mode de prise de pouvoir, et nous ne l’accepterons plus jamais.

Pour y parvenir :

· Nous devons faire respecter sans condition par tous les politiciens les résultats des urnes.

· Nous devons refuser tout adoubement par quelque moyen que ce soit et par quiconque d’un auteur de coup d’Etat.

Ce sont les principes que nous avions défendu à Maputo et qui sont conformes aux traités et conventions internationaux.

Aujourd’hui, nous tous, citoyens malgaches et membres du G I C avons le devoir de nous opposer à toutes velléités de maintenir Rajoelina ou Monja Roindefo à la tête du pays , même pendant la transition, tant qu’ils ne sont pas élus démocratiquement par la voie des urnes. Madagascar a suffisamment d’élites et patriotes honnêtes pour cela.

Armons nous tous de courage, Dieu nous protège

Marc RAVALOMANANA
02 octobre 2009


-----------------------------------------------------------------------------------

Ry vahoaka malagasy

Velom-panantenana isika taorian’ny nahavitan’ireny fifanarahana tany Maputo ireny . Indrisy anefa fa na inona na inona ezaka sy famelana ny ambo-po manokana nataoko sy nataontsika dia tetsy andaniny tsy nisy mihintsy fahavononana hanatanteraka izay nifanarahana.


Tsy misy fitsaharana ny fisamborana olona amin’ny tsy antony, Isan-andro vaky ny fandrobana ny harem-pirenena toy ny vatosoa haondrana antsokosoko sy ireo hazo saro-bidy izay harem-pirenena tsy ho voaverina intsony alohan’ny roanjato taona raha haingana indrindra. Potika tanteraka ny fiari-karena, an-arivony isan-andro no very asa noho ny fikatonan’ny orinasa etsy sy eroa. Tsy mitsahatra miakatra andro aman-alina ny vidim-piainana, isika anefa mbola tsy tena ao anatin’ny maitso ahitra akory. Mirongatra izay tsy izy ny asan-jiolahy ary henoko sy tsapako tsara ny fitaintainan’ny vahoaka noho ny fandrina andriran-antsy. Toa very an-javony ilay fanjakana tan-dalàna, lavitry ny kolikoly nimatimatesantsika. Potika tsy ampy fikarakarana ireo foto drafitr-asa nandaniana mondro-kely.

Ary dia maha-ontsa ahy tokoa ny mijery sy mieritreritra ireto ankizy tsy tafiditra an-tsekoly noho ny tsy fahampiana ary ny efa tany aza tsy tafaverina fa najanona.

Toa lasa tsianjery fotsiny ny filazana hoe « Hoan’ny tombotsoa ambonin’ny firenena » fa mpitari- bato vilam-bava ka ny firain’ny vava hafa ary ny firain’ny tanana hafa.

Handray ny Groupe International de Contact (Gic) eto Antananarivo isika amin’ny 06 oktobra 2009 ho avy izao mba hanohizana ny fitadiavana ny lalana hivoahan’ny firenena amin’izao krizy izao.

Heveriko fa ny fikasana na fihetsika rehetra entina hisakanana ny fahatomombanan’izany antsakany sy an-davany dia finiavana ankitsirano fotsiny izao tsy hamaha ny olana ary mitory tanteraka tsy fitiavan-tanindrazana.

Koa manainga antsika rehetra aho hifanome-tanana amin’ny fanatontosana fivoriana sy hitondra amim-bavaka ireo mpitantatana sy mpandray anjara amin’izany.

Mino koa anefa aho fa ny lova lehibe indrindra azontsika rehetra velona ankehitriny, hapetraka hoan ‘ny firenena sy fara aman-dimby dia Madagasikara milamina sy mandroso, fitaratra hoan’i Afrika sy izao tontolo izao

Tsy ho henatra ho antsika intsony izany fandrobam-pahefana izany ary tsy ho ekentsika intsony koa.

Ny lalana hahatongavantsika amin’izany dia :

· Ny fifehezana ny mpanao politika hanaja tsy misy fepetra hatrany ny safidin’ny besinimaro ;
· Ny tsy fanekena ny fanomezahana vahana na rahoviana na rahoviana ny mpanongam-panjakana ;


Izany no foto-kevi-dehibe efa nataonay re-tany, ren-danitra tany Maputo ary mifanaraka amin’ny fifampifehazana iraisam-pirenena ka hankatoavin’izao tontolo izao.

Ankehitriny ary dia manana adidy isika malagasy sy ireo mpikambana ao amin’ny GIC, hitsipaka hatramin’ny farany izay rehetra hevitra sy tetika hitazonana an’i Andry Rajoelina sy Monja Roindefo hitantana an’i Madagasikara, na dia ao amin’ny tetezamita aza, raha tsy mbola voafidin’ny besinimaro tamin’alalan’ny latsa-bato izy ireo, fa tsy lany olo-manga sy tia tanidrazana ary tsara sitra-po akory i Madagasikar

Koa mahereza daholo ary fa homba antsika Andriamanitra

Marc RAVALOMANANA
02 OKTOBRA 2009

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas