lundi 13 avril 2009

Antso an-taribin'ny Filoham-pirenena Marc RAALOMANANA

Sabotsy 11 aprily 2009

Ry Vahoaka Malagasy mpiray tanindrazana,
Ianareo anabavy sy rahalahy,

Mahita sy mahatsiaro aho fa ny toerana no mifanalavitra isika fa ny fontsika dia mifanakaiky. Mahatsiaro anareo mandrakariva aho ry vahoaka malagasy. Maka sary an - tsaina sy mijery akaiky ny fiantsoanareo ahy hiverina haingana any Madagasikara.

Izaho koa aty efa tsindri - daona be ihany hiverina any Madagasikara.

Hiaraha - mahita anefa ny zavamisy ary ny tsy fisian’ny fitoniana, ny hetraketraka sy ny fomba mamoafady samihafa. Koa dia mivory miaraka amin’dry zareo aty amin’ny SADC satria Madagasikara mambra feno ao amin’ny SADC. Mivory miaraka aminny SADC izahay miaraka amin’ny firenena rehetra aty afrika. Zava - dehibe ny fivoriana ataonay aty satria samy mitady izay hevitra rehetra sy fomba rehetra ary indrindra indrindra izay fitaovana mety ilaina hiverenana sy ahatongavana aty Madagasikara. Hoy aho aminareo hoe tsy maintsy atao izay hamerenana amin’ny laoniny ny fiainan’ny firenentsika satria mahamenatra, mampalahelo ny zava - misy ankehitriny. Tsy mahateny ary tsy hita izay hilazaina azy rehefa mampiseho sy mitantara ny zavatra miseho aho, koa dia miantso anareo izay diso lalana aho, zava - dehibe loatra izany hoe tombontsoam - pirenena izany. Asa dia ny tombontsoanao irery re no jerevana fa ny tombontsoam - pirenena. Amintsika miresaka izao dia kely ka tsisy vola fifanampiana omen’ny firenen - drehetra na ireo mpamatsy vola an’i Madagasikara. Tsisy firenena eto ambonin’ny tany mankato na manohana izao vatra misy sy fitondrana milaza fa hoe manana ny fahefana izao. Ny aty Mauritanie dia nilavo lefona ary namerina amin’ny fitondrana ara - dalana ny fahefana. Tsisy mihintsy ny firenena na ao anatin’ny constitution’ny African Union na ny union afrikana manaiky ny zava - misy, tena mahamenatra ny zava - miseho ary mampalahelo ary hita fa tsy sahaza ny vahoaka malagasy.

Dinihina miaraka ireo fakana an - keriny izay nisy taty afrika toa an’i Mauritanie, Guinée. Ny zavatra anankiray tiako horesahina amin’ny vahoaka malagasy dia anisan’ny firenena modely sy fantatry ny Afrikana i Madagasikara. Dia hoy aho aminareo hoe, aoka re samy ahatsiaro tena, ary tokony handray andraikitra. Tokony hijoro ny tafika sy ny polisim - pirenena,ho an’ny tanindrazana no niantsoana anareo, avy amin’ny vahoaka ianareo ary hiverina amin’ny vahoaka. Arovy ny ainy sy ny fananany.

Fanontaniana miverimberina matetika dia hoe ahoana no tsy niaro, ahoana no tsy nijoro ny tafika malagasy ny polisim - pirenena. Ankehitriny dia lasa henatra ny zavatra nataontsika satria rava, potika tao anatin’ny fotoana fohy, hanjakan’ny tsy fanajana ny lalàna velona misy, tsy miodina intsony ny raharaham - pirenena.
Be ireo lainga afafy milaza vaovao tsy marina, tsy hay intsony ny hilaza azy hoe tena misy ny lainga izay ahely etsy sy eroa hoe manao didy jadona aho. Tamin’ny fomba demokratika no nahalany ahy ary niaraha - nahita ny voka - pifidianana tamin’izany.

Faharoa, ny filazana fa nandanindany sy nampiasa ny volam - panjakana tamin’ny fananako. Tsy marina izany satria dia nanara - maso akaiky ireo mpiasan’ny FMI sy ireo mpamatsy vola toy ny Banque mondiale sy ny Union européenne, nampitombo avo roa heny avo telo heny ny fanampiana an’i Madagasikara. Porofo izany fa lainga ireny nafafy ireny.

Ny filazana fa manana trano na manana toerana tsara be aty ivelan’i Madagasikara aho, na iray dia aza, tsy manana trano na manana tany ivelan’i Madagasikara aho. Manamafy izany aho ary milaza aminareo ny tena marina, koa aoka re mba samy tsy hino ary tsy hanisy toerana kely akory an’ireny lainga afafy etsy sy eroa ireny fa dia tena mahamenatra ny fahenoana ireo fanenjehana sy ireo fanaratsiana atao ahy.
Anakiray izay tsy maintsy atao ankehitriny dia ny fanomanana sy ny fitadiavana izay fomba rehetra mba ahafahana hiverenena haingana aty Madagasikara.

Nandritra ny roa andro izahay no nivory taty Libye ary nihaona taty avokoa ireo tomponandraikitry ny Union Afrikana, ny SADC, ho hitantsika eo ihany ny vokatr’izany fihaonana izany. Ny zavatra tiako resahina sy hamafisina amin’ny malagasy dia ny fiantsoana ny malagasy rehetra, ny antoko politika sy ny fikambanana fa presidan’ny vahoaka malagasy rehetra aho. Miantso anareo aho mba hampiseho ny fanohanana ny ara - dalàna.

Eto aho dia misaotra manokana sy mankasitraka ny fihetsiky ny vehivavy tamin’ny alakamisy, miainga avy ary ankorondrano, nahazo an’andraharo ho ren’ny firenena rehetra ary namponjy an’ambohijatovo. Misaotra ny vehivavy satria zava - dehibe ny fahasahiana nasehonareo. Misaotra ny vehivavy fa manana andraikitra sy anjara lehibe amin’ny fiainam - pirenena ianareo, amin’ny fampandrosoana ny firenena ary indrindra indrindra amin’ny ankohonana. Misaotra betsaka.
Atsidiko aty ihany koa mba hirariako soa mba samy hanao paka sambatra avokoa isika rehetra na inon’inona midona, n’inon’inona mitranga, zava - dehibe ny finoana, zava - dehibe ny fijoroana amin’ny fahatokisana an’Andriamanitra.

Azy isika, mahalala ny hitondrana ny firenentsika izy ary mahalala ny hanitsiana sy hamerenana amin’ny laoniny ny fiainan’ny firenentsika, koa dia samy hanao paka sambatra anie isika rehetra, miaraka amin’ny fianakaviana.

Mamerina sy milaza aho fa ny vatatenako no lavitra anareo fa ny foko manontolo dia miaraka aminareo tanteraka.

Ry Vahoaka Malagasy, malahelo dia malahelo aho aty an - tany lavitra aty nefa mahatoky aho fa eo ianareo manohana sy mitaky ny ara - dalàna, hamerina ny fanarahana sy fanajana ny lalam –panorenana, tohizo, hamafiso izao fihetsehana ataonareo izao satria hita fa efa mahita izao tontolo izao fa maro dia maro tokoa ny manohana ahy ary miantso ahy hiverina. Tohizo.

Misaotra anareo rehetra izay mpanentana aho sy mpitarika sy mpikarakara izao fihetsehana izao satria iaraha - mahalala fa tsy maintsy misy foana ny mpitarika. Mankahery anareo aho na aiza na azia fihetsehana ataonareo ka mitaky ny ara - dalana. Misaotra betsaka. Mankasitraka ny fihetsika ataonareo aho.
Iaraha nahita koa ny fahavoazana vokatry ny fandalovan’ny cyclone Jade. Ao ireo niharam - boina, mampahery sy mampitraka anareo aho. Ao ireo simba fananana, hanao arak’izay azo atao mba ahafahana hifampitsinjovana. Manome toky aho fa rehefa tafaverina avy aty dia hijery anareo manokana.
Koa izao firesahako aminareo mivantana izao anie ampanakaiky ny fontsika mianakavy ary ahatonga antsika hanamafy ny firaisan - kina sy ny fiaraha - mientana ary ny fampisehoana amin’izao tontolo izao fa manohana ny ara - dalàna. Ho avy tsy ho ela aho hoy aho aminareo. Manao arak’izay azo atao rehetra aho aty ary misaotra manokana ireo firenena manohana sy manampy antsika amin-izany aho na aty afrika na any asia, na avy any amerika na avy any eropa.

Tsy ho ela dia hihaona isika ary homba antsika mandrakariva anie Andriamanitra amin’ny zavatra ataontsika, amin’ny ezaka rehetra tratrarintsika mba ahafahana mihaona haingana.

Samy ho tahian’Andriamanitra.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas