mardi 7 avril 2009

Fanambarana avy amin'ireo miaramila miaro ny ara-dalana

Ny Manamboninahitra Jeneraly,
Ny Manamboninahitra ambony,
Ny Manamboninahitra,
Ny Manamboninahitra lefitra,
Ny Kaporaly sy Vatamiaramila,

Manaja ny fitsipika sy ny soatoavina ara – miaramila ary manaja ny ara – dalàna, dia manao izao fanambarana manaraka izao:


  1. Misy ireo andiana miaramila manao habibiana amin’ireo olona sivily tsy manantsiny izay nosamborina,

  2. Ao koa ireo miaramila mampiasa hery famoretana ka mahatonga ny olona sivily an – jatony naratra. Ao koa ny maty,

  3. Misy ireo miaramila mampihorohoro amin’ny basy mandrahona ireo Tompon’andraikim – panjakana sivily ambony izay tsy mety manaraka ny baikon’izy ireo,

  4. Misy ireo miaramila tsy manara – dalàna manome basy andiana sivily mba entina androbàna ary miaraka amin’ny tontakely mihitsy izy ireo,

  5. Nosakanan’ireo miaramila ireo ny sivily aman’aliny manao fihetsiketsehina mba hitaky ny ara – dalàna sy ny demokrasia,

  6. Misy ireo miaramila maka ny fananan’olona an – kitsirano izay tsy hatsembohan’ny tavany akory,

  7. Manjaka eran’Antananarivo ny vaky trano sy ny fanendahana ary ny sinto – mahery ka lasa fanjakan’ny baroa no iainan’ny mponina,



Noho izany:

Tsy ekenay ireo fihetsika mamoafady nataon’ireo andiana miaramila voalaza etsy ambony ireo, ka voatery haka fepetra henjana izahay raha mbola misy mihoa – pefy tsy manaraka ny fitsipika sy ny lalàna.

Antananarivo, faha 05 aprily 2009
Ny Vondron’ireo miaramila manaraka ny ara – dalàna.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas