mercredi 20 mai 2009

lahateny nataony, ny filoham-pirenena Marc RAVALOMANANA

JOHANNESBURG 19 MEY 2009

Ry Malagasy Mpiray Tanindrazana,

Misaotra ny Vahoaka Malagasy aho noho ny fanohanany ny ara-dalàna.

Miombom-bavaka aminareo aho isan’andro.
Aty aminareo faona ny saina amam-panahiko, na eo aza ny elanela-tany, ary
tsy ela dia hihaona indray isika.

Tsy azo ekena na oviana na oviana eto amin’ity Firenentsika ity ny
fandrombaham-pahefana. Tsy aradalana izany. Tsy azo ekena ny
fampiasan-kery, fampihorohoroana, fanangejana sy famoretana ny Vahoaka,
hiarovana ny tombontsoan’olom-bitsy. Fanaovana tsinotsinona ny zo, ny
hasina, ary ny safidim-bahoaka izany.

Tsy maintsy hajaina ny safidim-bahoaka natao tamin’ny fomba demokratika
araky ny Lalampanorenana.

Takiantsika ny fahafahana.

Takiantsika ny famotsorana tsy misy hatakandro ny Praiminisitra Manandafy
Rakotonirina, sy ireo Loholona sy Solombavambahoaka ary ireo miaramila
nosamborina sy nogadraina. Indrindra indrindra ireo vehivavy sahy nijoro
niaro sy nitaky ny ara-dalàna.

Takiantsika ny zontsika haneho hevitra malalaka, na aiza na aiza, ary na
oviana na oviana hanaovantsika izany.

Takiantsika ny famerenana ny fandriam-pahalemana sy ny filaminana, ary ny
rafitra rehetra isan-ambaratongany araky ny Lalampanorenana.

Takiantsika ny fialan’ny mpitondra tsy ara-dalàna, hamerenana ny
fitondrana ara-dalàna, amin ny fomba demokratika.

Marina sy mitombona izany fitakiana izany, ka tsy azo hiadian-kevitra.

Tsy maintsy sahy mijoro isika, miara-mientana, ary mampiseho finiavana
hatrany. Tsy hanaiky governemanta tsy ara-dalàna mihitsy isika.

Tsy irery akory isika.

Manohona antsika ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena.

Manohana antsika ny SADC, ny Vondrona Afrikana, eny izao tontolo izao
mihitsy.

Manameloka sy mitsipaka io fitondrana tsy ara-dalàna io ny fianakaviambe
Iraisa m-pirenena, ary mitaky ny famerenana ny rafitra demokratika eto
Madagasikara.

Ry Vahoaka Malagasy,

Diniho ny tantaran’izao tontolo izao. Tsy mbola nisy fitondrana tsy
ara-dalàna, mifanohotra amin’ny safidim-bahoaka ka naharitra teto
ambonin’ny tany.

Tsy folaka fa nangina ny Vahoaka eo anatrehan’ny herisetra. Mahery anefa
ny Vahoaka, satria masina ny safidiny.

Koa manao antso avo amin’ny Vahoaka Malagasy aho. Tonga izao ny fotoana!

Sahia mijoro, mampiseho firaisan-kina sy finiavana, fa ny firaisan-kina no
hery. Manàna finoana fa hiverina tsy ho ela eto amin’ity Tanindrazana
malalantsika ity ny fitondrana demokratika miorina araky ny
Lalampanorenana.

Manàna finoana, ary matokia ny tenanao. Ny fahasahiana sy ny herimpo, ary
ny safidy ataontsika tsirairay avy entanin’ny fitiavan-tanindrazana
marina, am-pahamarinana sy am-pahamendrehena, amin’izao fotaon-tsarotra
izao no mamaritra ny fiainantsika sy ny ankohonantsika, ary ny hoavin’ny
Firenentsika.

Tsy maintsy mandresy isika. Vahoaka hendry ny Vahoaka Malagasy. Vahoaka
tsy manaiky lembenana. Vahoaka fandrosoana, ary tia Fihavanana. Tsy
ekentsika ny tsy ara-dalàna sy ny jadona, ary ny herisetra.

Eo anilanreo mandrakariva aho, ary miady mafy to anareo rehetra ihany koa
hoan’ny Tanindrazana. Miray feo sy manohona antsika koa izao tontolo izao.
Koa mahereza , ry vahoaka Malagasy.

Homba antsika Andriamanitra!

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas