dimanche 7 juin 2009

Fidirana an-tariby, Marc RAVALOMANANA nandritra ny hetsika teo amin'ny Magro Ankorondrano - sabotsy 06 jona 2009

Première Intervention

Faly miarahaba anareo vahoaka tonga marobe toy izao

Tena zava dehibe tokoa ny ahafahako miteny sy miarahaba anareo amin’izao fotoana izao. Amin’izao miresaka aminareo izao dia aty Zimbabwe aho, mivory manatrika ny fivorian’ny COMESA zay fikambanana mitovy amin’ny SADC fa ny COMESA indray dia misy firenena 24 ao anatiny, nanasa ahy tamin’ny fomba ofisialy hanatrika ny fivoriana hijery manokana momba ny raharahan’i Madagasikara, koa dia hisaorako manokana ny firenena Zimbabwe sy filoham – pirenena Zimbabwe. Hoy aho aminareo, ny firenen – drehetra dia manohana antsika ary mahatsiaro toy ny anabavy sy rahalahy tokoa izy ireo amin’ny fikarakarany sy ny fandraisany anay. Koa dia ampitaiko aminareo izany ry Vahoaka Malagasy, ianareo izay tonga mivory marobe eto amin’ny Magro amin’izao fotoana izao.

Ny zavatra tsy azo adinoina koa dia ny fisaorana anareo tonga marobe ohatr’izao. Misaotra satria hita tokoa ny fitiavan – tanindrazana asehonareo, ny fitiavana ny namana ary indrindra indrindra ny fitiavan – janaka satria ny ho avin’ity firenena ity no tsinjovintsika fa tsy ny amin’izao fotoana izao. Misaotra betsaka ry Vahoaka tonga marobe toy izao.

Ny ny zavatra tiako marihina amintsika izao dia ny fandraisan’ny amerikana ao amin’ny Maison Blanche amin’izao ny iraka manokana tonga any nifampiresaka sy nifampidinika amin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Maison Blanche any Washington any Etats – Unis, manampy antsika tokoa ny amerikana ary efa tena mahatsiaro izy fa tsy mandeha amin’ny laoniny intsony ny fandehanan’ny firenena ary toy ny fanjakana tsisy mpitantana intsony i Madagasikara koa dia maniry dia maniry izy ny hiverenan’ny amin’ny laoniny ny ara – dalàna, ny hamerenana indray ny lalàm – panorenana ary indrindra indrindra ny hamerenana ny Président hiverina aty Madagasikara mba hampisy fandriam – pahalemana sy filaminana ny vahoaka.

Koa maniry tokoa aho raha maniry amin’izao fetin’ny reny izay ho avy rahampitso izao, miarahaba anareo reny sahady aho androany, zava – dehibe loatra ny fahafahako miresaka mivantana aminareo, koa mbola averiko ihany tsy manadino tsy manalavitra anareo mihintsy aho, fa manao arak’izay azo atao izahay aty ary tsy mipetraka mihintsy ary manamafy orina hatrany amin’ireo firenena izay tia an’i Madagasikara.

Malahelo sy tena hita fa sahiran – tsaina mihintsy ireo miara – dia amintsika satria firenena mitraka i Madagasikara nahavita fampandrosoana haingana sy dingana lehibe saingy tao anatin’ny fotoana fohy dia nisy an’iny coup d’Etat iny. Fa na izany aza tsy atao mahakivy izany, fa mahatoky isika fa matoa mbola nomen’Andriamanitra tombon’andro, nomen’Andriamanitra saina, nomen’Andriamanitra fahendrena sy hafanam –po dia mba ahafahantsika manarina ireny zavatra tsy nety rehetra ireny. Koa dia misaotra betsaka, misaotra betsaka amin’ny fahatongavanareo marobe toy izao.

Hoy ao aminareo, tohizo ihany ny ezaka ataontsika rehetra miaraka, satria tsy maintsy mbola manatrika ny fivoriana toy izao aho. Mila manatrika fivoriana indray aho manomboka androany, rahampitso ary amin’ny herin’andro iny. Ny antony mahatonga izany dia ataoko aty izay tokony hanampiana an’i Madagasikara, ka hoy aho aminareo hoe manatrika ny fivorian’ny COMESA hidinika momba an’i Madagasikara sy hanampiana an’i Madagasikara. Misy firenena 24 ao anatin’izany COMESA izany.

koa dia hatreo indray aloha izany.



Deuxième intervention

Isika tsy irery akory ny vahoaka malagasy, manara – maso sy mijery antsika akaiky ny firenen – drehetra ary izany no mahatonga ahy asain- dry zareo aty Zimbabwe amin’ny fivoriana aty ankehitriny hijery izay fomba hanampiana an’i Madagasikara ny firenena aty amin’ny faritra COMESA. Tsy manana filohan’ny repoblika hafa i Madagasikara afatsy i Président Ravalomanana ihany koa izany no mahatonga ahy mamonjy fivoriana officielle.

Te hilaza aminareo aho hoe io fitondrana sandoka sy mpandroba fahefana io, tsy ahavita na inona na inona eo mihintsy io akory, mampijaly ny vahoaka sy mampahory ny vahoaka malagasy fotsiny. Ary tsy fombantsika malagasy mihintsy ireny hoe maka an – keriny ny fahefana ireny. Atao ahoana moa fa dia izao no mitranga. Ka dia hoy aho aminareo hoe manana faharetana ry Vahoaka Malagasy fa tsy maintsy tafarintsika amin’ny laoniny ny fiainana. Tsy maintsy tafaverina ny fandriam – pahalemana ary tsy maintsy manaja ny ara - dalàna sy ny lalàm – panorenana. Izay no fanirian’ny firenen – drehetra eran – tany ankehitriny. Koa izay no hametrahako hafatra farany aminareo hoe tongava maro foana mivory toy izao, aza manaiky izay négociation etsy sy eroa, izaho tsy manaiky izany négociation izany raha tsy tafaverina any Madagasikara aloha aho.

Koa dia mbola averiko ihany, isika rehetra tsy maintsy miasa miaraka, izaho aty tsy mipetraka mihintsy fa mitety an’ireo firenena rehetra. Hatrany Etazonia izao dia efa nandefa iraka manokana aho hiresaka mivantana amin’ny fitondrana amerikana izay manohana tanteraka antsika, ny firenena eropeana ary indrindra ny firenena afrikana. Koa dia manantena aho fa dia samy hanao izay efany daholo ireo firenena ireo hampiverina amin’ny laoniny ny fandriam – pahalemana, hamerenana ny ara – dalàna aty Madagasikara ary indrindra indrindra ny hanajana ny lalàna satria fanjakana tsy misy lalàna ny aty Madagasikara fa fanjakan’ny baroa ankehitriny. Samy manao izay saim – patany dia mangalatra ny fananan’ny sasany dia mamono olona dia manimba ny fananan’ny hafa, izay no zava – misy, mahamenatra.

Koa dia mametraka ny veloma ho anareo mianakavy.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas