dimanche 7 juin 2009

Hafatry i Madama Lalao Ravalomanana ho an'ny fetin'ny reny

07 JONA 2009

Misaotra an’Andriamanitra lehibe ny voalohan-teny amin’ity Alahady 07 Jona fankalazana ny Fetin’ny Reny ity.

Miarahaba manokana ny Reny Malagasy aho.
Ary faly miarahaba ny Vahoaka Malagasy rehetra manerana ny Nosy. Miarahaba ihany koa ireo Malagasy mieli – patrana eran’izao tontolo izao.

Raisiko izao vanim-potoana fankalazana ny Fetin’ny Reny izao, hilazako aminareo ny tena ato am-poko, ary hizarako hafatra mitondra fanantenana, na dia aty lavitra aty aza no misy ahy.

Tonga eo amin’ny kihon-dalana iankinan’ny hoavin’ity Tanindrazana malalantsika ity isika ankehitriny. Tsy mbola afaka amin’ny krizy izay mampijaly sy mampangirifiry ny Vahoaka Malagasy isika.

Vanim-potoana iray manokana eo amin’ny tantaran’ny Firenentsika izao. Ny safidy ataontsika tsirairay avy no mamaritra ny hoavintsika sy ny hoavin’ny taranaka mifandimby.

Tohina ny foko, ary tena malahelo aho amin’ny maha vady, reny, rahavavy, zanaka, ary Renin’ny Vahoaka Malagasy ahy. Tena feno ny foko, ka tsy hitako izay teny mahalaza ny fanaintainana sy ny fangirifirin’ny Vahoaka Malagasy, vokatr’iny fanonganam-panjakana iny.

Nitondra faisana avokoa ny rehetra - na lahy na vavy, na antitra na tanora, na mpianatra na mpiasa, na manana na tsy manana.

Feno ny foko mahare ny zava-manjo ny Vahoaka Malagasy mpiray Tanindrazana amiko. Tao ireo maty vokatry ny hetraketraka sy ny herisetra tsy am-peheverana. Miara miory amin’ny fianakavian’izy ireo aho.

Maro ireo renim-pianakaviana nitaraina tamiko fa miaina ao anatin’ny tahotra sy ny horohoro, ary mandry an-driran’antsy lava izao. Marobe toy izany ihany koa ny reny nilaza tamiko fa manahy mafy momba ny hoavin-janany, izay zara raha mianatra, vokatry ny ahiahy sy ny tebitebin-tsaina, ary ny tsy fahaloavana ny saram-pianarana. Mafy, tena mafy tokoa ny manjo azy ireo.

Reko ary tsapako ny fangirifirinareo sy ny fitarainanareo. Ren’izao tontolo izao koa izany. Nefa mahereza fa misy ny fanantenana.

Misy ny fanantenana, satria tsy manaiky lembenana isika, fa sahy mijoro miaro ny ara-dalàna, na eo aza ny ramatahora ataon’ny herim-pamoretana. Voaporofo izany tamin’ny herimpo nasehon’ny mpianatra sy ny vehivavy. Nanao fihetsiketsehana am-pilaminana izy ireo, nanohitra ny tsy maha ara-daląna ny fitondrana najoron’ireo mpanongam-panjakana, na dia teo aza ireo miaramila mirongo basy nampiasa herisetra taminy.

Tao koa ireo mpitari-tolona mahery fo. Tsy natahotra ny fandrahonana, ny fisamborana, ary ny fanagadrana tsy ara-dalàna izy ireo, fa nanentana ny tolona hatrany. Tao ireo mpiasam-panjakana nitokona, ho fanoherana ny fitondrana tsy ara-dalàna.

Ireny fihetsika mitory herimpo, fahaiza-mitarika, ary soatoavina mendrika ireny no antoky ny fanantenana. Ireny no afahana mampiroborobo ny demokrasia, ary manamafy ny firaisan-kina sy ny fampandrosoana rahampitso.

Vahoaka hendry, tia filaminana ary tia fandrosoana ny Vahoaka Malagasy. Hoy ny fitenindrazantsika hoe: “Ny saonjo iray lohasaha, tsy ilaozan’izay mamarara”.

Ambony anefa ny Fihavanana sy ny tombontsoam-pirenena. Koa mahatoky aho fa hahay hampitony ny ambompo ny tsirairay, ka hifanaja sy hanaja ny hasin’ny maha olona ny samy Malagasy. Izay no isan’ny lalana ivoahantsika amin’izao fahoriana mafy izao.

Vahoaka afaka ny Vahoaka Malagasy. Manana ny nofinofiny sy ny hetahetany, ary ny safidiny izy. Mendrika ny hiaina am-pilaminana. Mendrika ny handroso, toy ny any amin’ny firenen-kafa izy. Adidy sy andraikintsika ny mikatsaka ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana, ary ny rariny sy ny hitsiny.

Entanin’ny fanantenana sy ny fitiavan-tanindrazana isika, indrindra amin’izao an-katoky ny fankalazana ny Fetin’ny Fahaleovantena izao. Sahia mijoro hiara-mientana, hiray hina hamerina ny ara-dalàna. Ny fahombiazantsika amin’izany no miantoka ny fanatanterahana ny fikasantsika hampandroso ny Firenena, hanatsarana ny fari – piainantsika sy ny fari - piainan’ny taranaka mifandimby.

Ary ambonin’ireo efa voalaza rehetra ireo, dia mivavaha, ka aza mitsahatra fa ilay Jesosy Kristy no Tompo sy Mpamonjy, ka ny vavaka no manova zavatra.

Mahereza ry Vahoaka Malagasy fa momba sy tia antsika Andriamanitra!

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas