vendredi 12 juin 2009

HAT pompier

Mazava be angamba ilay lohateny. Ny zava-misy mantsy dia mioccuper terrain @ alalan’ny famoanoana afo foana ity FAT ity. Mitokona ny atsy sy ny aroa, krizy politika atsy,mampiaka-peo ny vahoaka…ampiasaina avokoa izoa rehetra izao entina hamonoana afo fa toa vao mainka mihazohazo ny toe-draharaha.Miseho lany ny tsy fankatoavana. Ny fisehosehoana mba atao hoe miasa sy mandray andraikitra no be dia be: fivoriana etsy e, fivoriana ery. Mitady fomba hisehoana télé ho hitan’ny olona foana nefa indrisy fandaniama-bola avokoa ireny. Dia ampanaovina tatitra eo anatrehan’i TGV ny miaramila avy nanao assises sy ny Tanora vao avy nanao fihaonam-be. Toa cinema avokoa anefa zany. Dia iny koa ilay PM fa namono afo mafy dia mafy manoloana ny fitokoanana etsy sy eroa dia ailika any @ fitondrana teo aloha indray ny sty fietezana rehetra. Film efa hita izany. Mahagaga fa raha ireny ampamoaka be natao ireny no henoina dia tsy nisy zavatra tsara mihitsy natao teto, 2 andro monja taorian’ny ampamoaka anefa dia ireo fa ilay zavtra nataon’ny teo aloha no tokanana, anaovana fivoriana…Mba ahoana moa zany?

Rehefa voadaka ambava fo indray Ny Hasina fa tsy afa-nanatrika ny fivorian’ny Comesa fa ilay filoha teo aloha no namonjy izany dia io fa mamono afo indray ka mamorona antony maro tsy nandehanany tany. Mba maneke ihnay hoe diso sy tsy mahomby eo @ fiainana.

Ny eto an-drenivohitra moa dia efa hita maso ireny. Rehefa hoe hiakatra teny @13mai ny mpanohana ny ara-dalàna dia indreo fa nandray kofafa fa hanao hetsika lehibe ho fanadiovana ny tanàna hono ny Vadin’ny PM,Ministre e.Nalefa télé,radio,gazety ery fa tena fiovana lehibe zany. Ny ampitso anefa inona ny fiovana nisy t@ fahadiovana teto?Dia mbola naverina fanindroany indray ilay hevitra mba ho hitam-bahoaka fa miasa sy mikarakara ka hoe 5 andro indray dia ho afaka ny fako, dia aiza indray anefa zany eo?Mandehana anie ery Isotry e. Ilay ambany tanàna nolazaina fa hokarakaraina fatratra vao maika niha-ambany raha mba efa saika hisondrotra teo aloha. Jamais 2 sans 3 hoy ny vazaha, ary dia hisy indray ny fidinanana fanintelony eto @ tanàna tsy ho ela hisehoana indray fa misa mafy ny mpitondra.

Fa isan’ny mahavariana dia toa namela ambim-ba betsaka ihany ho Andry Rajoelina raha niala tao @ commune nefa izao milaza tsy manam-bola ny CUA. Fa ahoana?ARy ny vola nangonina nentina hanamboarana io Lapan’ny tanàna io mba ohatrinona sisa no tavela? 2 vola nihantona io asa io.

Diniho ny zava-misy dia aoka tsy ny fankahalàna olona no hibaiko fa loza ho an’zay manao izany. Araho ny zava-misy teto. Mifanohitra @ fanabeazana nomena sy nampianarina antsika mihitsy anie no aseho ho hitam-bahoaka e. Basy no miteny,tsisy fanajana ny zokiolona,ny mpitandrina…Aza dia hoe tsy fitiavana an-dravalo no mibaiko fa ireny fihetsika mamoafady natao hitam-bahoaka(famakiana ministera,fisamborana manandafy,ny zava-nisy tetsy Antanimena..)ireny no diniho hoe ohatra fankatahaka ve ary izay nanao ireny ve olo-mendrika sa tsia?Tsy aleo ve niaritra 2 taona sisa t@ ravalo mety efa mba nisy fiovana ny toe-karena ka raha tsy tiana izy dia tsy nofidina intsony @ manaraka.Toy izay izao depart 0 avokoa ka ny 2 taona manaraka holaniana @ fanarenana indray?Dia toy izany foana ny eto. Maro ny olona anie no efa nihevitra hoe tsy hifidy an-dravalo intsony @ manaraka, zao anefa toa mahazo vahana izy nohon’ny zava-mitranga.

HAT/TGV/CPSAT OUT
tgy_out@yahoo.fr
(Groupe Facebook)

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas