mercredi 8 juillet 2009

Fidirana mivantana tamin'ny antso an-tariby nataon'ny Filoha Marc Ravalomanana

Alarobia 09 jolay 2009

Miarahaba antsika rehetra ao amin’ny Magro, manao ahoana daholo ianareo

Tafaverina soa aman – tsara eto afrique du sud aho amin’izao fotoana izao ary mijery sy manaraka akaiky ny fandehan – draharaha ao Madagasikara. Avy any amin’ny fivorian’ny Union Afrikana tany lybie, tafaverina soa aman – tsara eto. Ny zavatra azoko resahina aminareo dia izao, manohana antsika ary tsy manaiky intsony raha tsy tafaverina ny ara – dalàna sy ny mifanaraka amin’ny constitution ny mpamatsy vola eran – tany. Amin’izao fotoana izao dia nisy indray ny fanenjehana sy ny fisamborana ireo namantsika ireo, niara – nitrotro am – bavaka isika fa tsy maintsy mandresy hatramin’ny farany isika rehefa mahatoky an’Andriamanitra. Koa dia mino aho fa olon – kendry ianareo, olon – kendry koa ny Vahoaka Malagasy, ianareo izay mitondra manaraka ny baiko sy ny fanerena ataon’ireo an… ireo, mba miheritrereta ihany ianareo fa malagasy mitovy anareo ireo, Malagasy izay manana ny fanahy sy manana ny maha izy azy, aza ampijaliana re ny Malagasy. Mpiray tanindrazana amintsika ireo koa aoka izy hanana ny fahalalahany koa dia aoka mba samy ahatsiaro tena daholo isika rehetra, ny fitiavan – tena, ny fitiavam – bola, ny fitiavana seza eo ihany fa ny tombontsoan’ny firenena no zava – dehibe. Koa dia manome toky aho ry Vahoaka Malagasy fa tsy hijanona mihintsy fa hanohy hatramin’ny farany izay hampandrosoana an’i Madagasikara, raha tsy izany aho dia tena nijanona tao Afrika koa dia manome fisaorana, manolotra fisaorana sy fankasitrahana anareo. Izay ary aloha fa tena mbola maimaika aho ry zareo a……..

Maheno mihintsy aho ny antsoantsonareo hoe modia amin’izay ry dada. Mahatsiaro tokoa aho fa tena miankina amiko ny Vahoaka Malagasy, tsy manaiky lembenana, tsy manaiky faneriterena na dia mihatra hatrany an – tranomaizina aza koa dia mankahery antsika mianakavy aho, mankahery anareo rehetra

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas