mardi 1 septembre 2009

Ny fahadisoan-Rakotonirina Manandafy

Tsetratsetra tsy aritra ity noho ny fahitana ny zava-nitranga teny Ivato ny Zoma 28 Aogositra folakandro lasa teo. Niaraha-nahita iny ny fihetsiky ny miaramila sasany. Tao ny nankasitraka sy nanome rariny azy ireo. Tao kosa ireo nalahelo kanefa tsy afaka nanao na inona na inona afa-tsy ny filazana fa mbola ao anatin’ny fotoana fikatsahana vahaolana ho an’ny firenena izao ka tsy mendrika ny toy ireny.

Voalohany tsy fantatra marina izay nambaran-dRakotonirina Manandafy tany Maputo mikasika ny miaramila malagasy. Gazety an-tsoratra iray teto an-drenivohitra, hoy ny mpanao gazety iray ao amin’ny Taratra ny Sabotsy 29 lasa teo, no nilaza io tranga tatsy Mozambika io. Izany hoe raha nisy marina tokoa izany teny nanafintohina izany dia ny Talata 25 Aogositra no nisiany. Io no andro nanombohan’ny dinika faharoa tao amin’ny Foibe fanatanterahana ny fivoriana iraisam-pirenena Joachim Chissano.

Raha izay àry no izy dia tsy misy fahadisoan-dRakotonirina Manandafy velively ny teny nambarany. Tsotra ny antony. Ny ampitson’iny ihany, izany hoe ny Alarobia 26 Aogositra, dia voasambotry Polisy tao Maputo ary nohidiana nandritra ny 1 andro mahery ny teratany malagasy 5 niara-dalana tamin’i Monja Roindefo.

Ny tatitry ny AFP ny Alakamisy 28 Aogositra no nanambara mazava fa olona manodidina ny Praiminisitra Monja Roindefo izy ireo ary ny antony nisamborana azy dia ny fitsofohana an-tanin’olona miaraka amin’ny fitaovam-piadiana tsy nahazoana alalana manokana.

Tsorina fa i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy iray manontolo mihitsy no indray nitafy henatra teo anatrehan’izao tontolo izao noho iny tranga, izay toa nanamarina ny voalazan-dRakotonirina Manandafy iny.

Iza marina ireo olona ireo ? Inona no anton-diany tany Maputo satria tonga ny Alarobia maraina tany an-toerana izy ireo raha ny Alatsinainy hariva no tonga ny rehetra? Nahoana no tsy nisy fanazavana mihitsy na kely hatramin’izao avy tamin’ireo tompon’andraikitry ny Fahefana Avon’ny Tetazamita mikasika izany? Ny tenan’Atoa Andry Rajoelina mihitsy mantsy no nifampiraharaha tamin’ireo manam-pahefana mozambikanina mikasika ireo olona ireo ny Alakamisy teo, araka ny fampahalalam-baovao ihany.

Fanontaniana iray lehibe tokony ho nipetraka teny Ivato ihany koa tamin’io andro Zoma io ihany ny fahasahiana lehibe nananan’ny Minisitry ny Varotra Rakotonirina Jean-Claude niampanga imasom-bahoaka an-dRakotonirina Pety sy i Voninahitsy Jean Eugène ho mpandroba ny varin’ny orinasa Magro any Toamasina.

I Voninahitsy Jean Eugène anefa tamin’io fotoana io dia mpikambana tamin’ny ankolafy Rajoelina. Tsikaritra anefa tamin’iny fahatongavan’ny Filohan’ny HAT tao Ivato iny dia tsy anisan’ireo tonga nitsena azy ny Minisitra Rakotonirina Jean-Claude.
Nisy dia nalehany maika tampoka tany Atsimo tamin’iny andro iny, araka ny tsiliam-baovao azo.

Toy ny niniana noforonina mihitsy izany ilay savorovoro teny Ivato mba hanariana dia ny rehetra, indrindra ny mpanao gazety, mikasika ny tsy fahombiazan’ny dinika, ireo Malagasy voasambotra tany an-toerana ary ny amin’ny varin’ny Magro satria dia ny fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny fivoriam-be notarihin’Atoa Andry Rajoelina ny Alakamisy 20 Aogositra no loharano nipoiran’iny ampamoaka lehibe tao Anosy ny Alarobia 27 Aogositra iny.

Nandaitra tokoa ny tetika satria dia saika nifantoka tanteraka tamin’ny raharaha Manandafy tao Ivato ihany avokoa tokoa ny fampahalalam-baovao. Zary lasa adino hatramin’ny tena zava-dehibe sy anton’ny dinika tatsy Maputo.

Azo antoko fa tsy ho ny olon-tsotra no afaka nitondra fitaovam-piadiana nivoaka teto Madagasikara nankany Maputo fa tsy maintsy ho mpitandro ny filaminana. Tsy ny mpitandro ny filaminana rehetra ihany koa anefa no manana fahafahana hanao izany afa-tsy ireo no nomena alalana manokana ihany. Toy ireo mpiambina olona ambony izany.

Raha izay àry no izy dia tsy maintsy ho mpiambina manokana ny Lehiben’ny Governemanta ireo olona ireo, na tsy izy rehetra aza. Ny tsy fantatra anefa dia miaramila sa zandary sa polisy izy ireo. Ireo tompon’andraikitra ambony rahateo tsy nisy nanome fanazavana misimisy kokoa ny momba iny raharaha iray iny. Ireo izay manana fahakingana amin’ny fampiasana fitaovam-piadiana sy fahaiza-manao manokana momba ny haiady avy eny anivon’ny Tafika sy ny Zandarimariam-pirenena ary ny Polisim-pirenena ihany mantsy mazàna no alefa manatanteraka ny fiambenana sy ny fiarovana ireny olona ambony ireny.

Tsy nisy fahadisoan-dRakotonirina Manandafy velively noho izany raha nanohintohina ny Tafika malagasy ny teniny. Io ilay hoe fandoto eran’ny tantondra tsy mahaleo ny fandio eran’ny siny, koa na firy na firy ny isan’ireo sinambotra tatsy Maputo dia fantatra fa na izy ireo miaramila na zandary na polisy. Ity farany moa tsy ao anatin’ny vondron’ny Tafika malagasy.

Ny nahadiso ny Filoha nasionalin’ny antoko MFM angamba dia miaramila manam-boninahitra ambony ihany no niaro azy tao Ivato. Mampibaribary ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny samy mpitandro ny filaminana izany. Midika ihany koa anefa fa ampahana miaramila ihany no niantefan’ny tenin-dRakotonirina Manandafy fa tsy izy rehetra.

Tsotra ny lesona azo tsoahina. Tsy fanao intsony manomboka izao ny milaza am-pahitsiana ny fahamarinana raha tsy te-hiharan’ny herisetra. Rehefa nozohina dia tena miaina ao anaty demokrasia marina tokoa ny firenena sy ny vahoaka malagasy tsy vakivolo ankehitriny!!!!

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas