mardi 17 février 2009

Communiqué de presse

Ireo tranom-panjakana rehetra, toerana, foto-drafitrasa manana ny lanjany manokana sy iankinan’ny aina sy ny fampandehan-draharaha ary ny fiarovana ny firenena, maharitra na amin’ny fotoana voafetra dia kilasiana ho anisan’ireo faritra arovana (point sensible), izay voafaritry ny lalàna manankery , voakilasy ao anatin’izany ireo andrim-panjakana dimy misy eto amin’ny firenena : ny Filohan’ny Repoblika, ny Governemanta, ny Antenimieram-doholona, ny Antenimieram-pirenena, ny Fitsarana avo momba ny Lalam-panorenana.

Koa ampahatsiahivina ireo olom-pirenena tsara sitrapo fa endriky ny fiandrianam-pirenena sy ny fanjakana tan-dalàna ireo faritra voalaza ireo ka tokony hajaina sy arovana. Misy ny mpitandro filaminana izay napetraka hiaro azy ireny, koa iangaviana am-panajana isika rehetra hanaraka an-tsakany sy an-davany ny toromarika omen’izy ireny mba ho fiarovana ny Andrim-panjakana, ny olona sy ny fananany.

Voarakitry ny andininy faha-55 sy faha-64 ny Lalam-panorenena, ny Didim-panjakana 63-253 tamin’ny 09 Mey 1963 amin’ny andininy faha-86 sy ireo Didy hitsivolana 60-106 – 75-019 tamin’ny 27 septambra 1960 sy ny 23 aogositra 1975 izany fepetra izany.
Ny tsy fanarahana sy tsy fanajana ireo fepetra voalaza etsy ambony dia midika ho tsy fanarahan-dalàna avy hatrany. Noho izany mety hiafara amin’ny fampiasana fitaovam-piadiana sy fitifirana mba ho fiarovana ireo faritra voalaza ireo.

Le Contrôleur Général TALBOT
Directeur Général De la Police Nationale

Le Général de Brigade PILY
Commandant de la Gendarmerie Nationale

Le Général de Brigade
RASOLOMAHANDRY
Chef de l’Etat-Major Général de L’Armée Malagasy

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas