lundi 9 mars 2009

Fanambarana avy amin'ny Zandarmariam-pirenena (08 martsa 2009)

Manoloana ny trangan-javatra izay niteraka savorovoro eo amin’ny fiainam-bahoaka, fanimban-javatra, fandrobana, faharatrana ary famoizana ain’olona dia manao izao fanambarana izao izahay ato amin’ny Zandarimariam-pirenena.

Tsorina fa disadisa ara-politika misy eto amin’ny Firenena no niteraka izao, ary hita fa misedra fahasahiranana eo amin’ny fanatanterahana ny andraikiny ny Mpitandro ny Filaminana rehetra.
Koa manoloana izany toe-javatra izany dia :
  1. Miara-kory amin’ireo rehetra niharam-boina ny Zandarimariam-pirenena sy mirary fahasitranana tanteraka ho anareo izay maratra.
  2. Manome toky ny vahoaka ny Zandarimariam-pirenena fa hitandro mandrakariva ny tarigetra ijoroany dia ny « TANINDRAZANA SY LALANA » ka hifototra hatrany amin’ny fampiharana ny lalàna amin’ireo izay mandika izany mba ho tombon-tsoa ho an’ny rehetra.
  3. Hanavaka mazava tsara ny fiarovana ny ain’ny olona sy ny fananany amin’ny fanoherana ny fandrobana araka ny andraikitra manandrify azy amin’ny fandaminana nateraky ny savorovoro politika iainana eto amin’ny Firenena.
Koa miangavy ny mpanao politika rehetra mba hifandray tanana amin’ny famahana ny olana araka izay tandrify azy mba hamerenana amin’ny laoniny ny fandriampahalemana eto Madagasikara.

Mitaona ny tsirairay mba ho tony fa ny Zandarimariam-pirenena tsy mivaky dia vonona mandrakariva hampihatra ny traikefany amin’ny fiarovana ny vahoaka ao anatin’ny firahalahiana ka hotanterahina miaraka amin’ny fiaraha-miasa matotra amin’ny Tafika Malagasy sy ny Polisim-pirenena.

Omena baiko ihany koa ireo zandary rehetra manerana ny Nosy mba tsy hitsabaka amin’ny raharaha politika fa hanaja hatrany ny asany ary hitandro mandrakariva eo am-panatanterahana izany ny ain’ny olona sy ny fananany ary ny zon’olombelona.

Ny Sampan’asa Seraseran’ny Zandarimariam-pirenena.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas