mardi 10 mars 2009

Kabarin'Andriamatoa Marc RAVALOMANANA, Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara

Ry Malagasy Mpiray Tanindrazana,

Te hitafa amin’ny Vahoaka Malagasy aho androany, hilaza aminy amin’ny fomba tena mahitsy ny zavatra mitranga eto amin’ny Firenentsika sy ny fomba ahafahantsika miroso amin’ny fampandrosoana. Tonga eo amin’ny kiondalana isika ankehitriny. Afaka manaraka ny lalan’ny korontana sy ny adilahy politika isika, na afaka manaraka ny lalan’ny firaisam-pirenena sy ny demokrasia. Amin’ny maha Prezidan’ny Repoblikan’i Madagasikara ahy, dia mandala hatrany ny firaisam-pirenena, ny firaisankinam-pirenena ary ny Demokrasia aho.

Tokony hitsahatra amin’izay izao krizy andalovan’ny Firenena izao. Be loatra ireo olona efa nitondra faisana. Maro ny aina nafoy, ary maro ny orinasa rava. Ny lazan’i Madagasikara mihitsy no voatohintohina. Tsy azo ekena ny fitarozahan’ny toe-draharaha. Tsy vahaolana velively ny fandrobana sy ny asa fanakorontanana. Tsy tia herisetra isika Malagasy. Tokony hifampihaino, hifampidinika, ary hifanaja isika ahafahana mamaha ny olana haingana.

Ankehitriny, fantatra eran’izao tontolo izao i Madagasikara noho ny ezaka ataony amin’ny fanamafisana ny demokrasia sy noho izy nifidy ny lalan’ny fampandrosoana haingana.

Satria isika mandala ny demokrasia, dia zava-dehibe ny fanajana ny Lalàmpanorenana. Masina ny Lalàmpanorenana, ka tokony hohajaina. Ary mbola averiko eto indray fa efa nanao fianianana aho fa hanaja ny Lalàmpanorenana toy ny anakandriamaso.

Mitodika aminareo izay tsy mitovy hevitra amiko aho. Aoka isika samy hanaja ny Lalàmpanorenana. Io no lalàna ambony indrindra eto amin’ny tany sy ny Fanjakana.

Noho izany, dia mbola averiko ihany ho antsika. Aoka hitsahatra ny asa fanakorontanana. Rehefa ny Lalàmpanorenana sy ireo Andrimpanjakan’ny Repoblika no voatohintohina, dia ny demokrasia sy ny fananganana Firenena tena vanona no voatohintohina.

Mbola marefo ny demokrasia eto Madagasikara, ka tokony harovana. Tiako hanana ny maha izy azy, ka handray anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana ny ankolafin-kery rehetra eto Madagasikara.

Nefa tsy maintsy ao anatin’ny fanajana ny lalàna izany.
Amin’ny maha Filohan’ny Repoblika ahy, dia tsy maintsy mijery ny tombontsoan’ny Malagasy rehetra aho.

Ry Vahoaka Malagasy,

Holazaiko aminareo ny tena ato am-poko. Am-panetretena lehibe no anaovako izany. Tiako ho fantatrareo raha nisy tsy mety nataoko. Izay no maha olombelona, nefa soa lavo hahay hamindra. Raha misy heverinareo fahadisoana nataoko, dia raisiko ho andraikitro izany. Ho anareo izay mahatsiaro fahatezerana, azoko tsara ny fahatezeranareo. Miara ory aminareo aho, ary tsapako ny fangirifirianareo. Tiako ny milaza aminareo fa vonona hihaino anareo aho, ary manome toky aho fa handray fepetra hitady vahaolana amin’izay zavatra itarainanareo.

Zava-dehibe ny fihaonana sy ny fifanakalozan-kevitra nasionaly ataontsika manomboka ny Alakamisy izao, ary haharitra telo andro. Manantena isika fa hitondra vahaolana haingana amin’izao disadisa misy eto amin’ny Firenena izao izany fihaonana izany.

Mijoro aho ankehitriny amin’ny maha Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ahy. Averiko indray fa mandala hatrany ny firaisam-pirenena, ny firaisankinam-pirenena, ary ny Demokrasia aho. Hiasa miaraka isika, satria ny tanjona dia ny fampandrosoana ity Tanindrazana malalantsika ity sy ny fanatsarana ny fiainanan’ny isan-tokatrano.

Masina ny Tanindrazana!
Homba antsika mandrakariva anie Andriamanitra !

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas