mercredi 8 avril 2009

Fanambarana fitsanganan’ny Komity miarp ny sata sy ny fahleovantenan'ny Banky Foiben'i Madagascar

Ho an’Andriamatoa Filohan’ny BANKY FOIBEN’I MADAGASIKARA

ANTONY : Fanambarana fitsanganan’ny Komity ato amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara
Andriamatoa Filoha,

Voninahitra lehibe ho anay ny mampahafantatra anareo ny fitsanganan’ny Komity miaro ny Sata sy ny Fahaleovan – tenan’ny Banky Foiben’i Madagasikara noho ny tsy fanekenay marin- drano ny fihetsika izay nitranga teto amin’ny Firenena :


  1. Faneriterena ny Banky Foiben’ny Madagasikara tsy hiasa an – kalalahana

  2. Fanonganam – panjakana

  3. Fampiasana herisetra amin’ny lafiny maro

  4. Fandrobana fananan’olona

  5. Fanapotehana ny toe – karena

  6. Fanitsakitsahana ny lalam – panorenana sy ny safidim – bahoaka

  7. Tsy fahafahana maneho hevitra an – kalalahana



Koa noho izany, mba ho fiarovanay ny Banky Foibe mba hahafahana hiasa an – kalalahana sy ho fiarovana ny Tanindrazana dia tsy maintsy handray fepetra izahay raha mitranga ireto toe – javatra ireto :


  1. Raha misy fikitikitihana ny mpitondra na ny mpiasa na ny asa eto amin’ny Banky foibe

  2. Raha misy faneriterena avy any ivelany amin’ny fomba isan – karazany

  3. Raha misy ny fanenjehana sy fanaovana an – keriny amin’ny vatatenan’olona na fandratrana sy famonoana na fandrahonana fotsiny aza atao amin’ny mpiasa na amin’ny olom – pirenena tsotra any ivelany manomboka izao.



Raiso Andriamatoa Filoha ny haja ambony indrindra atolotray anao.

Antananarivo, faha 03 aprily 2009
KOMITY MIARO NY SATA SY NY FAHALEOVANTENAN’NY BANKY FOIBEN’I MADAGASIKA
RA

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas