dimanche 19 avril 2009

Taratasy avy any amin’ny Pasitera Lala Rasendrahasina

Manoratra ho anareo aho ary miangavy anareo namana mba hanaparitaka izao resaka izao amin’ ny rehetra izay azonareo havaovana izany:

Ambaran’ ny AVI fa izaho no nitondra ny taratasy ordonnance avy amin-dRavalomanana manendry ny directoire militaire teo Antanimena. Nahoana no dia manao lainga marivo tototra tahaka izany Ratsirahonana Norbert sy ny AVI. Izaho aza tsy nahafantatra akory fa momba izany directoire izany no antony hivoriana tao Antanimena tamin’ iny 17 Martsa 2009 tolakandro iny. Eo am-pisakafoana antoandro amin’ ny 12.30 antoandro (17 Martsa 2009) izaho sy ny zanako no niantso ahy i Odon Razanakolona ka nanao hoe mangataka hihaona amintsika FFKM (averiko tsara amintsika FFKM) ny ONU fa misy zavatra maika ka dia ao Antanimena no fotoana amin’ ny 1 ora tolakandro. Rehefa tonga teny aho taoriana kelin’ ny fotoana nomeny dia nilaza indray izy fa nahemotra amin’ ny 3 ora tolakandro ilay izy fa mbola any amin’ ny Filoha Ravalomanana ny ONU. Rehefa tonga ny tamin’ ny 3 ora tolakandro dia akory ny hagagako fa tsy izahay FFKM ihany no tao Antanimena fa ny avy amin’ ny opposition samihafa (isan’ izany Ratsirahonana), ny Capsat, ary TGV.

Tsy nisy solontenan’ ny mouvance présidentielle kosa teo anefa!!! Teo koa ny Ambasadaoro Amerikana (izay nanao tsilian-tsofina tamiko teo andalantsara fa nametra-pialana ny Filoha Ravalomanana na dia famindram-pahefana amin’ny miaramila aza hoy izy io nataony io. Fomba mihaja diplaomatika ihany io hoy izy fa fametraham-pialana no dikany) sy Afrikana Tatsimo ary ny ONU Dramé sy hafa koa. Dia tsy tohizako intsony ny tantara fa iny nitranga iny… Koa nahoana no lazain’ ny AVI aho fa niara-niitondra ilay taratasy ordonnance iny niaraka tamin’ ny ONU sy ny Amerikana sns? Tena lainga marivo tototra izany ary misy porofo…

Ka dia ilaina ny manao démenti amin’ ny anarako avy aminareo namana, na izay fantatrareo fa afaka manao izany. Miezaka manadio tena mantsy Ratsirahonana sy ny AVI-ny fa hitany fa mitady hivadika ny tantara.

Lala Rasendrahasina
Filoha FJKM

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas