samedi 2 mai 2009

Fanambaran'ny Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara, Marc RAVALOMANANA, 01 mai 2009

Ry Vahaoaka Malagasy tia Tanindrazana, maro an’isa.

Miarahaba sy mankahery anareo lalandava aho, miarahaba manokana ihany koa ny mpiasa rehetra aho amin’ity voalohan’ny volana mai ity, izay ankalazana eran’izao tontolo izao ny fetin’ny asa. Misaotra an’Andriamanitra lehibe isika, tiako ho fantatry ny vahoaka malagasy fa manao izay azo atao rehetra aho mba hanafainganana ny famerenana amin’ny laoniny ny filaminana sy ny fandriam – pahalemana aty Madagasikara ny asa rehetra izay ataoko aty ivelany aty. Fantatro fa tsy tsapanareo, tsy renareo avy hatrany izy ireny satria mamafy lainga, milaza vaovao tsy marina ny fitondrana mpanongam – panjakana, izay misy aty an – toerana. Mandainga, mampihorohoro, manao haza lambo ary misambotra sy managadra amin’ny tsy rariny, tsy ny antony. Ny alarobia hariva teo, olona mivory tsy manao na inona na inona, tsy herisetra, tsy mandroba dia samborina tsotra izao. Nefa Praiminisitra ara – dalàna, notendrena araka ny décret. Mankahery anareo aho, ary mitondra am – bavaka ho salama ahafahantsika manohy ny ezaka sy ny tolona ataontsika.

Tsy misy hasina kely akory aza mba ho fanajana ny hasin’ny vehivavy izay natao tamin’Ihanta, zany ve no atao hoe loharano nipoirana, aiza ny maha malagasy antsika, ny tena loza dia tsy mba misy fanajana kely akory amin’ireo Ray aman- Dreny, na inona na inona firehankevitra tsy mitovy, izay nanjo an’i Manandafy Rakotonirina, Praiminisitra, aiza ny maha malagasy antsika ? aiza izay fomba nitaizana antsika ? aiza izay nanarahanareo izay fomba miaramila anareo ? Menatra, mitsangamenatra ny vahoaka malagasy eran’izao tontolo izao amin’ny fihetsika ataon’ireo miaramila izay mampiasa ny habibiana hananany. Soa ihany fa olombitsy izy ireo fa tsy izy rehetra akory. Tsy ny basy na tafondro no hamerenana amin’ny laoniny ny fandriam – pahalemana eto Madagasikara fa tokony hifanaja na inona na inona firehankevitra tsy mitovy, na inona na inona fomba fijery tsy mitovy, hajaina ny maha Ray aman – dreny ary hajaina ny hasina maha vehivavy azy ary tandrovana mandrakariva ny zo maha olombelona azy.

Hoy aho aminareo, fihetsika tsy maha malagasy mihintsy izany ary fomba tsy antsika malagasy, mihevitra izy ireo fa ny fitifirana, ny fanaovana haza lambo ny vahoaka no fomba mahomby handravana ilay hafanampo sy ilay fahavononan’ny malagasy mitaky ny ara – dalàna. Mihevitra izy ireo fa ny fisamborana ireo mpitarika no ahafaty ny afom – pitiavan’ny vahoaka malagasy. Mihevitra izy ireo fa ny fandrobana ny trano, fanaovana hazalambo, fampitahorana etsy sy eroa no handravàna ny tolom – bahoaka sy ny afom – pitiavan’ireo tia tanindrazana. Tsia, tsy marina izany fa ny HAT no ho rava tsy ho ela, manery azy amin’izao tontolo izao, ny firenendrehetra anie dia manameloka tanteraka ny herisetra, ny famonoana, ny fandrombana ary ny tsy fifanajana. Izany no nataoko, miara – miaraka akaiky amin’ireo fikambanana iraisam – pirenena, izany no tsy mampipetraka ahy andro aman’alina mba hijerena ny fomba rehetra ahafahana mahazo ny fanohanana, fanampiana avy amin’ny ireo vondrona iraisam – pirenena rehetra. Mijery sy mihaino ny feon’ny vahoaka malagasy izao tontolo izao hihaona sy mifampidinika amin’ireo filoham – pirenena afrikana, ireo mpitarika sy tompon’andraikitra isaky ny ambaratongany, anisan’izany ny filoha amperin’asan’ny Vaomiera afrikana Ingahy Jean Ping , ny filohan’ny fianakaviam – be afrikana andriamatoa Khadafi, ny filoham – pirenena rehetra aty amin’ny SADC. Tiako ny milaza aminareo vahoaka malagasy ankehitriny fa ren’izao tontolo izao ny feon’ny vahoaka malagasy, mila vonjy. Manome toky izy ireo fa hanampy sy hanao arak’izay azo atao hanafainganana sy famonjena ny vahoaka malagasy izay mijaly nohon’ny herim – pamoretana ataon’ny tsy mahatahotody, ary tsy ho ela dia ho avy aty Madagasikara hijery izay fomba rehetra hamerenana amin’ny laoniny ny fiainana sy ny fandriam – pahalemana.

Mankahery ahy dia mankahery ahy tokoa ny fanohanana ataon’ireo vondrona sy fikambanana eo amin’ny sehatra iraisam – pirenena, indrindra moa fa ny SADC sy ny fikambanambe afrikana, ny fanohanana sy ny fanampiana izay ataon’izy ireo dia ho an’ny vahoaka malagasy.

Amin’ny maha filoham – pirenena malagasy ahy no hijoroaka ary ny adidy sy ny andraikitra izay sahaniko, mbola mamerina eto indray aho fa tsy hihemotra eo anatrehan’ny sarotra na oviana na oviana. Andraikitro, adidiko ny mampandroso haingana sy hisian’ny fahandriam – pahalemana, ny firaisan- kinam – pirenena, manao izany aho ankehitriny na dia aty an – tany alavitra aty aza. Ny foko, ny saiko ary ny fanahiko dia tsy hiala na oviana na oviana aty Madagasikara. Manao arak’izay azo atao rehetra aho tsy ahavery toky ny vahoaka malagasy, hampisy fanantenana ao anatin’ireo mitaky ny famerenana ny ara – dalàna aho, fantatro ny fitiavan – tanindrazana ao aminareo, fantatro ny risim – po fahasahiana ao anatinareo, tsy aharava na oviana na oviana ny fandrahonana, fisamborana, fanaovana hazalambo ataon’ny HAT ireo. Ny HAT no ho rava tsy ho ela. Ny fanantenanan’ny vahoaka malagasy dia ny hamerenana indray miaraka amin’izao tontolo izao ny fiainana, ny fandriam – pahalemana ary indrindra indrindra ny fanarahana ny ara – dalàna, fampanjakana ny rariny sy ny hitsiny. Mankasitraka ry vahoaka malagasy amin’ny fanohanana izay ataonareo amiko. Reko ianareo, hitako ny fanaintainana mahazo anareo kosa anefa, ankehitriny tonga ny fotoana handrenesan’izao tontolo izao ny feonareo, ny tsy rariny mianjady aminareo, ny fahoriana mahazo anareo. Andraikitr’izy ireo tamin’ny fanapahan – kevitra izay noraisina taty Addis Abeba omaly, manameloka izao herisetra misy aty Madagasikara izao ny firenen – drehetra, ny mpivory rehetra taty Addis Abeba. Fetin’ny asa ny voalohan’ny volana mai ary mankalaza izany isika malagasy. Mino aho, manantena aho fa mifanandrify tsara amin’ny fanapahan – kevitra izay noraisina aty Addis Abeba izao fihetsika ataontsika aty izao. Miraisa hina, mahaiza mandamina sy mandrindra tsara ny ezaka ataontsika. Asehoy amin’ny firaisan – kina ry vahoaka malagasy, ry mpiasam – panjakana, ny mpiasan’ny sehatra tsy miankina, mpiasa mazoto, mahalala izay tokony ataony ary manana fahaiza – manao amin’ny asa izay ananany ny vahoaka malagasy. Tsy mitsahatra na indray mande aza aho aty, mijoro mandrakariva amin’ny asa izay sahaniko amin’ny maha filoham – pirenena ahy. Matokia ahy ianareo, mahatoky anareo aho, ho tanterak’isika ny fanantenana ary ho azontsika ny famerenana amin’ny laoniny ny fiainan’ny vahoaka malagasy, ny famerenana ny ara – dalàna. Miaraka akaiky amin’ny fanampiana sy ny fanohanana ataon’ireo fikambanambe iraisam- pirenena, indrindra indrindra fa ny SADC sy ny fikambanambe afrikana. Hanampy antsika hanatanteraka izany tokoa ny fitsofan’Andriamanitra, ny fahasoavana. Koa dia mirary soa ho antsika rehetra aho amin’izao fankalazana ny fetin’ny asa, 1 mai izao. Mahatoky azy isika rehetra fa hotanteraka tokoa ny fiverenako aty Madagasikara, hampandroso haingana sy hanatsara ny fari – piainan’ny vahoaka malagasy, izay no tanjona ao anatin’ny filaminana sy ny fandriam – pahalemana. Hampianatra ny zanaka sy ny fara – mandimby mba ho olom – banona, olona manana ny feon’ny fieritreretana amin’ny fitiavan – tanindrazana. Izay no tarigetra antsika ka dia ho tanteraka tokoa izay satria homba antsika mandrakariva Andriamanitra.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas