samedi 30 mai 2009

Hafatry ny Filoha Marc RAVALOMANANA - 30 MAI 2009

Ry Vahoaka Malagasy Mpiray Tanindrazana, miarahaba antsika rehetra aho ary mirary soa amin’izao ankatoky ny hankalazantsika ny pentekoty izao, izay hirotsahan’ny Fanahy Masina. Enga anie ka hampitombo hatrany ny finoana hananantsika izany nirotsahan’ny Fanahy Masina tamintsika izany.

Izaho no Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara voafidy tamin’ny fomba demokratika, koa nanome toky ny fianakaviam – be iraisam – pirenena fa hamerina ny ara – dalàna sy ny filaminana eto Madagasikara izy ireo.

Ireo miaramila, zandary ary polisy manohana ny ara – dalàna dia tsy tokony hanaiky hoteren’ireo jiolahy izay manararao – pahefana. Adidinareo ny miaro ny vahoaka sy ny lalàm – panorenana. Avy tamin’ny vahoaka ianareo ka tokony hiaro ny vahoaka sy ny fananany amin’ny fiantohana ny filaminana sy ny fandriam – pahalemana. Aza manaiky atao fitaovana ianareo hiaro tombontsoan’olom – bitsy ka hamono sy hampihorohoro ny vahoaka. Tadidio ny fianianana nataonareo hiasa, hanompo ny Tanindrazana. Masina ny Tanindrazana. Mijoroa amin’ny fahamarinana ary tandrovy hatrany ny fahamendrehana.

Hiaran’ny sazy henjana ireo miaramila sy zandary ary polisy izay nanararao – pahefana. Miantso azy ireo aho anefa handinin – tena ary tsy hanampy an’i Andry Rajoelina sy ireo jiolahy namany intsony. Miantso azy ireo aho hanampy ny fitondrana ara –dalàna satria ny fitondrana ara – dalàna dia mijoro vokatry ny safidim – bahoaka ary natao hiaro sy hanasoa ny vahoaka tsy vaky volo manerana an’i Madagasikara.

Fantatro, fantatsika rehetra fa mitohy hatrany ny fisaraham – bazana misy eo amin’ny Andry Rajoelina sy ireo mpanara – dia azy. Fantatsika ihany koa fa mihamaro an’isa hatrany ny mitaky ny famerenana ny ara – dalàna ka manohana ahy. Rariny sy hitsiny izany ary tena mitombina izany fitakiana ataon’izy ireo izany. Mitombo hatrany ihany koa ny fanohanan’ny fianakaviam – be iraisam – pirenena ny famerenana ny fitondrana ara – dalàna eto Madagasikara vokatry ny safidim – bahoaka tamin’ny fomba demokartika. Hiaraha – mahalala izany tamin’ireny fanambarana maro isan – karazany ireny, izay manameloka ny fandrobam – pahefana ary mitaky ny famerenana ny ara – dalàna araky ny lalàm – panorenana. Teo ihany koa ireo nampitsahatra ny fiaraha – miasany amin’i Madagasikara vokatry ny tsy fankasitrahany izany fandrobam- pahefana izany.

Ireo miaramila zandary, polisy izay mametra – piadiana rehefa tonga ny fotoana hametrahana ny famerenana ny ara – dalàna hanafahana ny firenena amin’izao fanjakan’ny baroa izao dia tsy ho voaarakaraka intsony ary tsy voatohitohina amin’ny asany. Ireo izay tsy mametra – piadiana kosa dia hizaka ny vokatr’izany nataony izany amin’ny fanampiana ny andian – jiolahy. Hiasa hiaraka isika izay mpanohana ny ara – dalàna ary manantena hamerina ny filaminana sy ny fandriam – pahalemana, ny fanjakana tsara tantana mba hampandrosoana haingana an’i Madagasikara hanasoa ny Vahoaka Malagasy rehetra.

Koa mahereza ary ry Vahoaka Malagasy. Manàna finoana fa momba antsika mandrakariva Andriamanitra.

2 commentaires:

  1. gisa lahy mangala-ketsa, fa heverinao fa d ketrona moa ny vahoaka Malagasy, voa ny fitiavam-boninahitra be loatra sy ny fianteherana amin'ny vola ka nanao tsinotsinona ny mpiray tanindrazana sy an'Andriamanitra ho tsy nisy, aza hadino fa ny olona no harena voalohany;aleo halan'andriana toy izay halam-bahoaka,misy farany ny zava-drehetra, mahatsara lavitra anao ny mangina,io no tena fahendrena mba manaova toy ny nataon-dRatsiraka

    RépondreSupprimer
  2. zava-marina ity RaDada ah, efa manomboka miala aminao tsikelikely izao tontolo izao ka sanganehana izahay, manaova politika vaovao indray fa tsy maintsy hankato ankolaka an'ny tetezamita ny firenena

    RépondreSupprimer

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas