vendredi 26 juin 2009

Hafatra an-tariby, Filoha Ravalomanana Marc, alakamisy 25 jona

Amin’izao fivorian’ny mpanohana ny ara – dalàna izao, manahoana daholo ianareo ao Ankorondrano ao.

Tena faly tokoa aho afaka mifandray mivantana aminareo amin’ity alakamisy ity hametrahako ny hafatra hilazako aminareo ny faniriako sy ny hetahetantsika rehetra ny hamerenana haingana ny filaminana sy ny ara – dalàna eto amin’ny tany sy ny fanjakana.

Iarahantsika mahalala hatrany fa tena mandalo fotoantsarotra ny firenentsika. Mijaly ny vahoaka malagasy,ary manjaka dia manjaka ny tany tsy misy fanjakana fa fanjakan’ny baroa. Ireo fampitahorana, fisamborana, ireo no mahazatra. Tena mahita aho, mahatsiaro an – tsaina ny vahoaka malagasy aty.

Vahoaka tia fandrosoana ny Vahoaka Malagasy ary manaja mandrakariva ny ara – dalàna. manantena sy miandrandra fatratra ny fotoan – dehibe izay hihaonantsika. Manome toky anareo aho ry Vahoaka Malagasy fa tsy maintsy tafaverina aty Madagasikara ary manao izay azo rehetra atao aho mba ahafahan’ireo firenena manampy antsika, mba ahafahan’ny vondrona SADC manafaingana izay fampihaonana sy fifampidinihana raha ilaina izany mba ahatonga ahy hiverina any Madagasikara.

Mahita aho ary mahatsapa fa mahatsiaro mangetaheta sy mahatsiaro ny fiverenan’i Dada haingana ny Vahoaka. reko dia reko ny antsonareo, miantso ahy hiverina haingana dia haingana an – tanindrazana arak’izay azo atao. Aza matahotra ianareo fa hiverina tokoa aho ary tsy maintsy tafaverina ary isan’ny laharam – pahamehana tsy maintsy atao izay. Nefa kosa misy asa tsy maintsy ataoko aty, tsy maintsy atrehako ankehitriny.

Ny zavatra misy amin’izao ry Vahoaka Malagasy, ianareo tonga marobe mivory eto, misy sahy milaza ve fa tena mahaleo tena Madagasikara amin’izao fahoriana mianjady amin’ny Vahoaka Malagasy izao ? misy sahy milaza ve fa afaka mankalaza ny faha 26 jona ? ary misy sahy milaza ve fa afaka ny Vahoaka Malagasy, tsy misy hanavahana ? Tsy misy sahy milaza izany.

Na ireo masoivohom – pirenena izay miasa aty Madagasikara aza dia milaza fa izy ireo koa tena hanao ankivy ilay lanonana hitranga io. Koa miantso ny Vahoaka Malagasy rehetra aho mba hijanona any an – tokantrano hitondra am – bavaka ny firenentsika ary indrindra indrindra handinin –tena ary hamantatra marina izay sitrapon’Andriamanitra fa mandalo fotoan – tsarotra ny firenentsika.

Eto am – pamaranana dia miteny aminareo ao, amin’ny maha rain’ny Vahoaka Malagasy ahy, niarahantsika nandre tsara ny valin’ny fivoriana an – tampony izay nataon’ny SADC fa ilaina dia ilaina aloha ary lalana tokony hizorana hialana nenina ny fifampidinihana. Ekena izany satria isan’ny fomba iray hanaingana ny olona raha ilaina, raha mety, raha mankasitraka daholo ny rehetra. Efa naneho izany aho tany am – piandohana ary mbola milaza aminareo fa tsy manaiky mihintsy ny horebirebena raha tsy manaraka tsara ny lalàm – panorenana sy manaraka tsara izay voasoratra araky ny communiqué navoakan’ny SADC. Mazava ny communiqué – any, miala nenina farany amin’ny fifanakalozan – kevitra sy fifampidinihana, afaka adidy amin’izay rehefa tsy manaiky an’izay.

Ny tiako marihina amin’izany dia izao. Voagejan’ny fitondrana tsy ara – dalàna ny firenena sy ny Vahoaka Malagasy ankehitriny, noho ny fanonganam – panjakana izay nataon’olom – bitsy nampian’ireo miaramila vitsy dia vitsy. Ny 26 jona anefa dia hiarahan – tsika mahalala tsara fa fankalazana ny fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny fetin’ny fanafahana azy. Ahoana no afaka hankalazana ny fety raha ohatra ka tsy hajaina tsara ny fanohanana ny ara – dalàna. ahoana no hilazana fa afaka isika nefa mijaly sy fadiranovana ny fianakaivan’ireoo namantsika sy rahalahantsika, zokintsika, zandrintsika, zanaka.

Ry Vahoaka Malagasy, ianareo tonga marobe toy izao, ny hafatra tiako hapetraka aminareo dia izao, niezaka tamin’ny fomba rehetra isika ahatanteraka izany fampandrosoana haingana an’i Madagasikara izany. indrisy anefa sendra an’ireo diso lalana, ny mpanongam – panjakana. Rava, potika tanteraka ny toe – karena sy ny fiaraha – monina malagasy. Tsy mifampatoky intsony ny ao an – trano, ny mpiara – monina, tsy maintsy harenina izany. Manome fampanantenana anareo aho fa izany no lalana tsy maintsy hiasako sy hiaretako aty. Koa miantso ny Vahoaka Malagasy aho hanamarika am – pahendrena ny 26 jona amin’ny fo feno fitiavan – tanindrazana, samy handinintena, hivavaka ho an’ny firenena. Zava – dehibe apetraka aminareo izany izay mila dia mila tokoa ny fadinihantena ary mila dia mila ny fanajana ho an’ireo zay namoy ny ainy, naratra na ireo izay mbola mahatsiaro fangirifiriana noho ireo mpanongam – panjakana ireo. Dia handeha samy hijanona any an – tokantrano ka samy hivavaka manoloana ny zava – misy hiainantsika. Tsy afaka hilaza ho mahaleo tena isika raha izao no zavatra hiainan’ny Vahoaka Malagasy. Tsy afaka hilaza ho mahaleotena isika raha tsy miverina ny ara – dalàna sy ny manaja ny lalàm – panorenana. Koa mino aho fa samy hitandrina izay avokoa isika rehetra. Homba antsika mandrakariva anie Andriamanitra.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas