vendredi 26 juin 2009

Hafatry ny Filoha Marc Ravalomanana, ho an'ny 26 jona 2009

Ry malagasy mpiray tanindrazana,

Nisafidy ny andro androany aho hilazako ny hafatra amin’izao vanin’andro hiarahantsika mahalala izao

Miarahaba ny vahoaka malagasy amin’ny maha ray i Dada. Tsy misy ray mahafoy zanaka tokoa mantsy ary voafidy ara – pomba demokratika hitondra ny tany sy ny fanjakana koa ny tenanay.

Ny 26 jona no fankalazan tsika isan –taona ny fetin’ny fahaleovantena sy ny foloalindahy. Niomana fatratra arak’izay azo atao isika mba ho sahaza sy ho mendrika ny vahoaka malagasy sy Madagasikara ny fankalazana izany tamin’ity 26 jona 2009 ity ary indrindra ny fandraisana ny fivoriamben’ny vondrona Afrikana satria miaraka ireo fotoana ireo. Nanomboka ny fifampiraharahana tamin’ireo firenena vonona hanampy antsika amin’ny fomba hanatanterahana izany fandraisana ny fivorian’ny firenen’ny Vondrona afrikana izany. Nanomboka ny fanamboarana ny fotodrafitr’asa toy ny toeram – pivoriana, na ny centre de conférence, ny trano fandraisam – bahiny, ireo trano hipetrahan’ny filoham – pirenena villa, ny fanitarana ny seranam – piaramanidina, ny lalana ary ny fanafarana ireo fiara izay hilaina amin’izany fivoriambe izany.

Vita ara – potoana avokoa ny zava – drehetra ary tonga ara – potoana ny entana izay nafarana. Tao dia tao ireo firenena izay nandefa sy nilaza fa vonona hanampy antsika amin’ny fandaminana rehetra sy ny filaminana. Nanantena, niandrandra izany fotoan – dehibe izany ny Vahoaka Malagasy tia fandrosoana. Ny firenena mpiara – dia an’i Madagasikara sy tia an’i Madagasikara. Nohamafisina tany leCaire ny fandraisan’i Madagasikara io sommet io. Hafatra mampatsiahy fa azontsika natao tsara ny nisafidy ny fampandrosoana ity firenena malalantsika ity. Hafatra mampatsiahy fa azontsika sahady ny laza amam – boninahitr’i Madagasikara raha vitantsika ny fandraisana izany fivoriana avo lenta izany. Hafatra milaza fa manana ny maha izy azy i Madagasikara. Hafatra ihany koa hilazako fa mahavita zavatra ny malagasy. Maro ny lalana vita aman’aliny kilometatra. Tafiditra an – tsekoly ny zanaky ny Vahoaka Malagasy maro. An – tapitrisa ny aina voavonjy vita vaksiny. Niakatra avo efatra eny dimy eny ny vokatr’ireo tantsaha. Betsaka ireo orin’asa nijoro sy nitsangana teto Madagasikara. Hafatra ilazako fa tena tamin’ny herintsika rehetra no niasantsika, nanatatanterahantsika ny fampandrosoana haingana sy maharitra an’i Madagasikara. Hafatra ilazako ny dingana marobe efa vitantsika.hafatra hanehoako ihany koa fa nahatoky antsika izao tontolo izao ka nanampy arak’izay azo atao. Tao ny vondrona eropeana izay nampitombo avo telo eny ny vola natolony an’i Madagasikara. Tao ny banky iraisam – pirenena,tao ny firenena toy ny norvegiana, ny japoney, ny sinoa, ny alemana, ny firenen – drehetra mba ahatonga an’i Madagasikara ho fitaratra.

Voagejan’ny fitondrana tsy ara – dalàna anefa ny firenena sy ny Vahoaka Malagasy ankehitriny. Vokatry ny fanonganam – panjakana izay nitranga teto amin’ny nosy malalantsika ity, nataon’ireo olom – bitsy nandrodana ny demokrasia, nanitsakitsaka ny lalàm – panorenana. Potika tanteraka ny rafi – piarahamonina sy ny toe – karena malagasy, mijaly ny Vahoaka Malagasy. Miharatsy isan’andro isan’andro ny toe – draharaha. Voahitsakitsaka ny zo maha olona. Tany tsy misy fanjakana fa toa fanjakan’ny baroa. Halatra, fandrobana, fanimbana fananana no hiainana isan’andro, herisetra, fisamborana, fanagadrana tsy amin’antony no miseho ary fampiasan – kery no fomba hitondrana ny fanjakana ankehitriny. Mandry andriran – dratsy lava izao ny Vahoaka. tsy nisy nisaintsaina na nanampo satria tsy fombantsika malagasy izany zavatra mitranga izany. Tsy nampoizina. Tsapan’ny Malagasy rehetra ary fa potika ny toe – karena malagasy. Miha sahirana ireo vahoaka tsy mandady harona. Ireo orin’asa mikatona, lasa nody niala an’i Madagasikara. Ireo olona tena sahirana tsy mahazo izay zavatra ilainy an – davan’andro intsony.

Ry Vahoaka Malagasy, tsy kivy anefa isika, tsy ketraka fa manome toky anareo aho hanao izay arak’izay azo atao hamerenana indray ny ara – dalàna hanajana ny lalàm – panorenana. Izay ihany no fomba hisian’ny fampandrosoana haingana sy hametrahana ny filaminana eto amin’ny tany sy ny fanjakana.

Vao namafisin’ny vondrona SADC fa tsy maintsy averina amin’ny ara – dalàna ary tsy maintsy hampiana i Madagasikara ahafahany miverina sy manaja ny lalàm – panorenana. Ren’izao tontolo izao ny antso mila vonjy ataontsika. Fantatr’izao tontolo izao ny zava – mitranga. Melohan’izao tontolo izao ny zavatra tsy ara – dalàna, fanonganam – panjakana izay nitranga, ary nahaton’izao tontolo izao indrindra ireo mpamatsy vola ny fanampiana rehetra izay omena an’i Madagasikara. Tamin’ity herinandro ity dia nahatratra 118 million de dollar ny an’ny vondrona eropeana nofoanana, toy izany koa ny an’ny banque mondiale. Mahatratra 578 million anefa ny vola nampanantenainy fa homena an’i Madagasikara hanatanteraka ny ezaka sy ny sori – dalàna nomentsika. Mendrika ny hanana ny ho aviny ny Vahoaka Malagasy.

Miantso ireo tia tanindrazana aho, miantso ireo mikatsaka marina ny tombontsoan’ny firenena aho, hiara mientana hiara hijoro hitady izay lalana rehetra ialantsika amin’izao fahasahiranana izay mahazo ny firenentsika izao. Azoko sary an – tsaina, azonao sary an – tsaina, tsapantsika ny ratra, ny alahelo, ny adintsain’ny vahoaka Malagasy vokatr’izao fanonganam – panjakana nitranga izao.

Koa miantso manokana anareo mpitondra tsy ara – dalàna amin’izao fotoana izao aho, henoy ny feon’ny fieritreretanareo, diniho ny zavatra misy ary alao ambony, alao ambany. Mandalo fitsapana ny firenentsika. Mino sy manantena aho fa tsy maintsy hiara – hientana isika hikatsaka hatrany ny soa toavina amahana izao firenena izao.

Reko ny antsonareo, miantso ahy hiverina an – tanindrazana. Aza matahotra ianareo, fa hiverina tokoa aho, tsy maintsy tafaverina aty Madagasikara ary tsy maintsy miasa ho an’ny firenena aho. Miasa miaraka isika, izay no fahombiazana. Ary hiasa hiaraka amin’ny hery rehetra misy tsy hanavahana an’iza na iza, hifamela isika.

Midera sy mankasitraka ny fitiavan – tanindrazana sy ny herim –po asehonareo aho. Tao ny fikambanan’ny vehivavy, ny mpianatra, ny avy amin’ny fiangonana, ny mpanao gazety, ny mpiasam – panjakana, ny tantsaha mpamokatra, mijoro am – pilaminana, mitaky ny famerenana ny demokrasia sy ny fanajana ny lalàm – panorenana. Amin’izao 26 jona fankalazana ny fahaleovantenan’i Madagasikara izao. Misy sahy milaza ve fa vahoaka manana ny fahafahany tokoa ny vahoaka malagasy. Misy sahy milaza ve fa manara – dalàna ny mpitondra ankehitriny ?

Porofo ilazantsika fa tsy mankasitraka izao fitondrana misy izao ny firenen – drehetra dia nanapa – kevitra ny masoivoho rehetra tsy hanotrona ny fankalazana ny 26 jona. Koa maika fa isika malagasy. Miantso ny Vahoaka Malagasy ary aho hanamarika ny faha 26 jona amin’ity taona ity mba hanao izany am – pahanginana, am – pitiavan – tanindrazana feno, am – pandinihan – tena, hivavaka ho an’ny firenena. Ho fanajantsika ireo namoy ny aina, ireo naratra, ireo mbola mahatsiaro fangirifiriana sy mijaly vokatr’iny fanonganam- panjakana iny. Andeha isika samy hijanona any an – tokantrano, hiombom – bavaka manoloana ny zava – misy. Mihaino vavaka tokoa Andriamanitra ary mino sy manantena isika fa tsy maintsy hamaly izy.

Tsy afaka ny hilaza ho mahaleotena isika raha izao no zavatra hiainan’ny Vahoaka Malagasy ary tsy afaka ny hilaza ho mahaleotena isika raha tsy miverina ny ara – dalàna ka hajaina ny lalàm – panorenana. Ry Malagasy tia tanindrazana, mafy tena mafy tokoa ny manjo ny Vahoaka Malagasy, koa mino aho fa samy tonga ny fotoana ahatsiarovantsika tena tsirairay avy. Mino aho fa samy nandre ny valin’ny fivoriana nataon’ny vondrona SADC isika dia ny fifanantonana, fifanakalozan – kevitra izay ataon’ireo ankolafin – kery rehetra misy hifampidinika izay mahasoa ny firenentsika. Efa nasehoko hatrany am – piandohana ny finiavako hifampidinika, ary ny fametrahako ambony ny tombontsoam – pirenena. Mahatoky aho ny fahendren’ny Vahoaka Malagasy izay mandrindra sy mandala mandrakariva ny fihavanana. Aoka re ny ambom – pon’ny tsirairay avy mba hampandeferina fa ny soa toavina Malagasy, ny tombontsoa ambonin’ny firenena no iarahamijery. Isika samy malagasy ihany no afaka mamaha sy mahita izay vahaolana. Ireo mpiaramiombon’antoka amintsika dia manao fanelanelanana sy manamora ny fifampidinihana ihany. Mankasitraka tanteraka ny fampihavanam – pirenena aho na ny réconciliation. Manana ny soa toavina malagasy isika. Koa ny tombontsoam – pirenena hoy aho aminareo no lolohavina an – tampon’ny loha. Mino sy manantena aho fa Vahoaka hendry ny Vahoaka Malagasy. Olon – kendry ireo mpanao politika, samy hifandinika ary ho porofointsika ho fantatr’izao tontolo izao fa mahalala ny tokony ataony ny Vahoaka Malagasy. Koa eto am – pamaranana dia miantso ny lafin – kery rehetra misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana aho, miantso ny foloalindahy, ny mpitandro ny filaminana rehetra mba samy hanao ny asany ho an’ny Tanindrazana ary hanohana ny ara – dalàna.

Mino aho, manantena isika fa amin’ny fankatiavana ihany amin’ny fifamelana no ahafahantsika miroso amin’ny famerenana indray ny ara – dalàna eto amin’ity firenena ity. Tsy misy olona izay tsy diso akory, ary soa lavo ahay hamindra.
Manantena ary aho fa voarainareo ny hafatra, ny teny tiako ambara.

Homba antsika mandrakariva Andriamanitra.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas