vendredi 5 juin 2009

Hafatra an-tariby nataon'ny Filoha Marc RAVALOMANANA - 04 JUIN 2009

Faly aho maheno ny horakoraka ataonareo sy mitafatafa aminareo ankehitriny.

Zavadehibe loatra ny fiarahantsika mientana, izaho koa aty manao arak’izay azo atao. Ny zavatra takiantsika dia ny famerenana ny ara – dalàna sy ny fanarahana ny lalàm – panorenana. Noho izany, ireny didy didim – pitsarana izay avoakan’ireo mpitondra sandoka, mpitondra sandoka hoy aho aminareo satria mpandroba fahefana, aza matahotra an’ireny ianareo fa ny olona rehetra dia efa nanameloka sy nitsipaka tanteraka io fitondrana nandroba fahefana io, ka dia manome toky anareo aho fa ny firenen – drehetra eran – tany manohana antsika ao ambadika ao daholo avokoa. Koa dia mahereza ry vahoaka marobe izay mitaky ny ara – dalàna.

Miantso ny foloalindahy aho, miantso ny polisy, mampatsiahy azy amin’ny adidy nifanekeny tamin’ny vahoaka sy ny tanindrazana, aza manaiky rebirebena, tandremo tsara fa ny hoavin’ny firenena no jerena fa tsy ny amin’izao fotoana izao fotsiny ihany akory.

Iaraha mahita tsara fa tena mahamenatra, tsy hita izay ilazana azy aty ivelany aty mahita hoe tsy misy fahefana na mpitsara iza na mpitsara iza afaka hitsara araky ny lalàm – panorenana ny filohan’ny repoblika am – perin’asa, incompétent amin’izany izy kanefa dia mamoaka didy amin’ny tsy misy dikany ohatr’ireny no ataon – dry zareo. Lasa maty hasina ny rafi – pitsarana aty Madagasikara ankehitriny.

Aza matahotra ianareo hoy aho. Ry Vahoaka Malagasy tonga marobe toy izao, fa efa manao arak’izay azo atao izahay aty miaraka amin’ny firenena izay manohana antsika ary dia maniry dia maniry ny mba hamerenana haingana dia haingana ny ara – dalàna aty Madagasikara.

Omaly ny président – ny Sud Afrique, Andriamatoa Jacob Zuma dia nilaza fa tsy maintsy tafaverina any Madagasikara ny ara – dalàna sy ny fanarahana ny demokrasia. Koa dia matokia ianareo fa miasa miaraka isika mianakavy.

Ao koa ianareo olona izay mbola misalasala nefa jerevo ny fahorian’ny olona ankehitriny. Ny kilonga tsy afaka mianatra nohon’ny tsy fananany vola andoavana ny ecollagen’ny mpianatra, ny vola sisa ao an – trano mihena, mahatsiaro tena sahirana tokoa ny vahoaka, mahatsiaro fa tena sahirana ny vahoaka. Koa mampahery anareo mpanentana, mpitarika ity tolona ity aho amin’ny zavatra rehetra mba tsy hanaiky lembenana amin’ireny hoe négociation, fifanakalozan – kevitra ireny. Aza manaikinaiky lembenana amin’ireny ianareo fa mitaky ny famerenana ny ara – dalàna fotsiny ianareo ary tsy maintsy mijoro hatramin’ny farany isika amin’ny fitakiana ny famoahana ireo namantsika izay nogadraina amin’ny tsy misy antony, vonoina amin’ny tsy misy antony ary indrindra indrindra endrikendrehina amin’ny tsy misy antony.

Tsy ekena mihintsy, tsy ekena ny fampitahorana amin’ny lafiny maro izay ataon’ireo. Amin’izao fotoana izao dia efa mihamihena ireo mpanara - dia an’ingahy Andry Rajoelina sy ireo jiolahy namany ireo ary dia iaraha mahita tsara fa raha hoe nandeha tany Sénégal na nandeha tany amin’ny firenena hafa, tsisy nanaiky azy ny olona tany ary samy nilaza daholo ny tany fa avereno ny ara – dalàna, hajao ny demokrasia ao Madagasikara.

Miteny anareo an’izany ao ry Vahoaka Malagasy, indrindra fa ianareo tonga marobe toy izao, hampahery anareo, hilaza aminareo fa tsy mipetra – potsiny akory izahay aty, sady tsy manadino anareo akory izahay aty, fa ao an – tsainay mandrakariva, ao am – ponay mandrakariva, ny fahitana ny hetsika ataonareo. Ary mampahery an’ireo olona izay mbola gadrain’izy ireo, izay mbola ampitahorany, rahonany ary indrindra indrindra ravainy ny fananany, mampahery anareo aho. Ho avy ny fotoana izay hiverenan’izany rehetra rehetra izany amin’ny maha izy azy koa dia hoy aho aminareo hoe zava – dehibe loatra ny ahafahako miteny sy miresaka mivantana aminareo amin’ny alalan’izao fivoriana marobe ataonareo izao.

Ny mpitondra an’i Madagasikara ankehitriny dia saribakolin’ny sasany fotsiny ary indrindra indrindra tsy manana planina, tsy manana politika, programan’asa tanterahina mba hanatsarana ny fari – piainan’ny vahoaka fa dia tena maha fadiranovana ny vahoaka, manome fahasahiranana ny vahoaka amin’ny bontolony sy ny herisetra ataony.

Miantso ireo olom – pirenena tsotra aho izay niharan’ny asan – jiolahy sy ny tsy rariny nataon’ingahy Andry Rajoelina sy ireo mpanohana azy, tena milaza aminareo aho, fantatro ny nahazo anareo, fantatro ny nanjo anareo fa tsy maintsy amin’ny saina tony ary amin’ny fo feno fandinihana hatrany ny ezakareo. Tsy maintsy ampiako ianareo, atao izay hamonjena ireo olona tena mbola marary any amin’ny hopitaly. Mahita an’ireo sary marobe izay alefa aho, malahelo dia malahelo aho vokatry ny etraketraka izay ataon’izy ireo. Ampaherezo ary ny tapaka sy namana, ny fianakaviana iray vohitra amin’izao fitsapana mahazo ny firenentsika izao sahia mijoro hatrany ianareo. Ao anatin’ny firaisan – kina tanteraka, mifandray aminareo hatrany aho. Misaotra ihany koa aho an’ireo izay olona mahatsiaro tena tompon’andraikitra fa hoe tsy laharam –pahamehana mihintsy akory, tsy laharam – pahamehina mihintsy amin’izao fotoana izao ny mandany andro amin’ny fomba fanaon’ireo olona mpitondra amin’izao fotoana izao ireo, indrindra hanakiana na hitsikera, tsy mandany andro amin’ireny isika fa ny mahamaika antsika dia ny famerenana ny ara – dalàna. Mahita aho amin’izao fotoana izao fa alefan – dry zareo ny didim – pitsarana entina hanendrikendrehana, entina hilazana zavatra tsy marina, tsy misy ao anatin’ny lalàm – panorenana malagasy afaka mitsara izay filoham – pirenena am – perin’asa ary tsy azo tsarain’izay olona tsotra na mpitsara tsotra amin’izao fotoana izao fa tsy maintsy misy ilay atao hoe haute autorité na misy an’ilay atao hoe fitsarana faran’ny fara – tampony, ka noho izany tsy mitombina ireny. Fanakiviana ny vahoaka sy entina handemena saina fotsiny ireny.

Matokia ry Vahoaka Malagasy. Matokia fa momba antsika mandrakariva Andriamanitra. Ary izaho dia miteny aminareo fa dia manao izay azo atao rehetra.

Koa dia izay aloha izany fa mbola hiresaka aminareo tsy ho ela aho, ary ampahafantatra anareo ny zava – misy marina rehetra aty sy ny zavatra vita rehetra koa dia mametraka ny veloma ho amin’ny manaraka indray.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas