samedi 18 juillet 2009

Hafatra an-tariby nataon'ny Filoha Marc RAVALOMANANA 18 juillet 2009

Ry Vahoaka Malagasy, miarahaba anareo,

Dia mahafaly ahy tokoa ny miarahaba anareo amin’izao takariva izao satria henoko, fantatro, iaraha – mahita fa vory lanina marobe tokoa ianareo eto amin’ity toerana ity manohana ny ara – dalàna.

Iaraha mahitan’ny Vahoaka rehetra fa potika ny fiarahamonina, kivy, very ny fifampitokisana, ny toe – karena malagasy dia tena rava tanteraka. An’arivony maro ny olona tsy an’asa vokatry ny fahasahiranana ara – politika miseho eto amin’ny tanintsika. Ireo olona tena sahirana dia sahirana, zara raha mihinan – kanina indray mandeha isan’andro. Noho izany, henoy tsara ary tano ihany izao teny lazaiko aminareo izao fa hilaza amin’ny vahoaka malagasy rehetra manerana ny nosy aho ahafantaranareo tsara ny asa sy ny andraikitra sahaniko aty ivelany aty. Azoko sary an - tsaina ary tsapako tsara ny alahelo sy ny adin – tsainareo, ary ny fahorian’ny vahoaka malagasy vokatr’izao krizy politika mahazo ny firenentsika izao. Fantatro dia fantatro fa misy ny fianakaviana maro izay tena tsy manan – kohanina, zara raha mihinana indray mandeha isan’andro. Azoko sary an – tsaina ireo olona voatery mivarotra ny fananana kely mba nananany nandritra izay dimy taona - fito taona niarahan – tsika izay. Ary indrindra fa ireo ankizy marobe tsy afaka mianatra nohon’ny tsy fananan’ny ray aman – dreniny vola mba ahafahany mandoa écolage.

Mahatsiaro anareo aho ry Vahoaka Malagasy ary tsy hamela anareo irery aho araky ny efa nolazaiko hatramin’ny voalohany. Manome toky aho fa tsy maintsy tafaverintsika ny ara – dalàna eto amin’ity tany sy fanjakana ity.

Ry Vahoaka tia fandrosoana, manaja ny ara – dalàna, izay samy manantena sy miandrandra fatratra ny hiverenan’ny ara – dalàna, ny fanajana ny lalàm – panorenana, ren’izao tontolo izao ny antso mila vonjy ataontsika malagasy. Mendrika ny hanana ho avy mamirapiratra ny Vahoaka Malagasy, mendrika ny hiaina am – pilaminana ny Vahoaka Malagasy ary mahatsiaro irery, koa miady mafy, tsy mandry andro tsy mandry alina aho miaraka amin’ireo fikambanambe iraisam – pirenena miezaka mitady vahaolana hamahana sy hitadiavana izay lalana ivoahana amin’izao fahasahiranana mahazo antsika izao. Ambarako aminareo fa misy dia misy tokoa ny fanantenana ankehitriny, misy dia misy ny fanantenana ankehitriny.

Mandalo fitsapana ny firenentsika ankehitriny, tena mandalo fitsapana, ary misaotra anareo aho mandamina sy mandrindra ny fanompoam -pivavahana mialohan’ny fotoana izay hifampiresahantsika, ahafahana mampita aminareo izay zavatra tiako resahina sy ahafahanareo mifampidinika. Misaotra betsaka. Ren’Andriamanitra ny antso sy ny vavaka ataon’ny Vahoaka marobe.
Misaotra betsaka.

Henoko dia henoko tokoa izany teninareo hoe : modia modia. Reko sy tsapako izany antsonareo izany, HODY AHO ary tsy maintsy mandresy isika fa aza matahotra ianareo. Reko dia reko : modia - modia Dada, fa tsy maintsy mametrapatraka mba hanana faharetana ny filaminana sy ny fandrosoana eto amin’ny firenentsika. Noho izany, tsy maintsy mamatotra sy mandrindra ny fihavanana amin’ny firenena maneran – tany aho sy amin’ireo olona rehetra. Miantso ny fikambanana mba hijoro hanohana ny tolontsika

Midera ny fitiavan – tanindrazana sy ny herim – po asehonareo aho na dia eo aza ireo mpanakivy, be ny manevaka. Tsia, tsy resin’izany mihintsy ianareo fa vao maika manerana an’i Madagasikara ny hetsika ataontsika mba hametrahana tsara an’izany hoe firenena manana ny maha izy azy izany.

Ny zavatra angatahako aminareo dia amin’ny fihaonana izay ho atao tsy ho ela, ho ento am – bavaka ny fivoriana izay ho atao amin’ny faha 22n’ny volana ity handinihana izay hametrahana izany fandriam – pahalemana maharitra sy hijoroan’ny fahamarinana sy ny fandriam - pahalemana eto Madagasikara izany, koa samia mitondra am – bavaka amin’ny herin’andro iny.

Ny antso farany ataoko aminareo mpitandro ny filaminana, ianareo foloalindahy, zavatra lehibe dia lehibe loatra izany tombontsoam – pirenena izany, lohalohavina an – tampon’ny loha. Mahita aho ary mahatsapa fa betsaka ianareo miaramila, ianareo zandary, ianareo polisy efa samy mahita ny zava – misy ankehitriny, mahalala tsara ianareo izay tokony hatao, mba hanajana ilay filamatra ataontsika hoe ho an’ny Tanindrazana. Miantso anareo aho, ary mamela anareo. Koa jereo ny Vahoaka Malagasy, arovy ny tenany sy ny fananany. Ho an’ny tanindrazana no hiasantsika, mahatoky aho fa olon – kendry ianareo.

Ary dia isika vahoaka ihany koa, aoka mba samy ahay an’izany fifamelankeloka izany, mba ahatsiaro fa iray ihany isika ary ny soatoavina mahamalagasy antsika no lohalohavina an – tampon’ny loha. Koa dia mampanantena anareo aho fa mbola tsy maintsy heverintsika daholo ny ara – toe karena, miasa mafy aho mba ahitana izay fomba hamerenana haingana ny fampandrosoana eto Madagasikara, hamerenana haingana ny filaminana ary indrindra indrindra hamerenana haingana, haingana dia haingana ny fananan’asa ho an’ireo tena sahirana sy voaroaka tsy fidiny. Manome toky aho.

Koa dia mametraka ny veloma mandrampiresaka indray.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas