vendredi 20 février 2009

Fanambarana avy amin'ny zandarimariam-pirenena

I. Araka ny vaovao navoakan’ny haino aman-jery tsy miankina sy gazety an-tsoratra vitsivitsy dia manao izao fanambarana izao ny zandarimariam-Pirenena :

Tsy misy izany fahafatesana zandary izany nandritra izao toe-draharaha misy eto amin’ny Firenena izao.

Raha ny faharatran’ny zandary dia nisy tokoa teo am-panatanterahana ny asa izay vokatrin’ny tora-bato nahazo azy.

II. Tamin’ny fotoana izay nandraisan’ny mpitandro filaminana mivondrona ao anatin’ny EMMO ireo Ministera efatra tetsy Anosy ny marainan’ny 20 febroary 2009 dia:

Tsy misy izany fahafatesana olona izany, fa nisy ny fisamborana sy fitazomana olona vonjimaika mba hatao fanadihadihana.

Soritana mazava fa tsy mpanafina faty ny ZANDARMARIAM-PIRENENA, ka manainga ny olom-pirenena rehetra ho mailo manoloana ny fiantsiana sy fanelezana vaovao tsy marina ao anatin’izao toe-javatra misy eto amin’ny firenena izao.

Manantitrantitra hatrany ny mpitandro ny filaminana fa izy ireo dia tsy mivoana amin’ny fanamby izay apetrany dia ny fiarovana ny olona sy ny fananany.

Antananarivo, faha-20 febroary 2009
Service communication de la Gendarmerie nationale

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas