vendredi 20 février 2009

Fanambaran'ny Praiministra

Eto aho dia misaotra ny Emmo Reg sy ny Emmo nationale, nanao izay hiverenan’ny filaminana faran’ izay haingana, nandritry ny alina manontolo. Deraina manokana izy ireo satria tompon’andraikitra, nanao ny adidiny ary nampiseho an’izany tao anatin'ny firaisankina tanteraka mba ho voninahitry ny tanindrazantsika, satria ny Ministera dia tsy maintsy miasa. Raha sanatrian’izany ka ny ministera no fehezina tsy hiasa dia hitera-doza izany ho an’ny tsirairay avy , ho an’ny vahoaka, ho an’ny firenena iray manontolo ary mahamenatra ny tahak’izany. Betsaka ny raharaha izay ilaintsika mponin’ny Madagasikara eny amin’ireny ministera ireny, ka aleo ny ministera hiasa. Nandray andraikitra ireo tompon’andraikitra ireo hitana sy hampandeha izany raharahan’ ny ministera izany. Fantantsika ihany koa fa efa nanao fanambarana ny ministre ny securité intérieure. Manamafy izany ny tenako satria mila filaminana feno ny firenentsika. Mbola manentana ihany koa amin’izao fotoana izao fa ny asa fidirana an-kery, fandrobana toy ireny dia voasazy ny lalàna eto amintsika, voasazy ny lalàna manan-kery eo amin’ny lafiny internationale. Miangavy, aoka re mba afaka hiasa, aoka re avela hiasa , aoka re mba hanantanteraka ny asany tsy ho sakasakanana ireo mpiasam-panjakana na ireo vahoaka mila amin’ireny ministera hiasana ireny. Amin’izao fotoana izao dia miasa tanteraka ireny ministera ireny, manamafy izany ny tenako. Koa mankahery antsika mba ahafahana mandroso mba hisian’ny fandriampahalemana mba hampandroso hatrany ity firenentsika ity. Homba antsika mandrakariva anie Andriamanitra. Misaotra tompokolahy, misaotra tompoko vavy.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas