mercredi 11 février 2009

Fanambarana : Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara

Manoloana ny toe-draharaha politika misy eto amin'ny firenena, ka nitarika famoizana ny namana mpaka sary avy ao amin'ny televiziona RTA omaly teny amin'ny manodidina ny lapam-panjakana teny Ambohitsorohitra, dia manao izao fanambarana izao, amin'ny anaran'ny Biraon'ny Holafitra ny Filoha :
- Maneho ny fiaraha-miory amin'ny fianakavian'ny maty satria teo am-perinasa no nindosin'ny fahafatesana ity mpanao gazety ity.
- Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany manontolo.
- Maneho ny fiaraha-miory ihany koa ho an'ireo fianakaviana rehetra namoy zanaka, rahalahy, anabavy tao anatin'iny sahotaka iny, ary mirary fahasitranana haingana ho an'ireo naratra.
- Maneho ny alahelony koa ny Holafitra manoloana ny fahafatesan'ny namana mpanao gazety avy amin'ny RTA izay lavo teo am-panatontosana ny adidiny , nikatsaka hatrany ny hanome fahafaham-po ny mpanjifa ny vaovao , ary ny miantso ireo mpifanandrina roa tonta mba hifandefitra sy hiroso ho amin'ny fifampidinihana ahitana vaha-olana haingana manoloana izao korontana vokatry ny tsy fifankazoan-kevitra eo amin'ny lafiny politika izao.
- Miangavy ny mpanao gazety namana rehetra, na inona na inona firehan-keviny, na iza na iza tohanany satria izay ny fahalalahana fonosin'ny demokrasia, mba hampitsahatra ny fanentanana miendrika fankahalana, fihantsiana, fandrisihana ny vahoaka hifankahala, ary tsaho sy aovao tsy mari-pototra.
- Miangavy ny mpanao gazety na inona na inona firehany manoloana izao tsy fitovian-kevitra politika izao, tsy hamboly fifankahalana sy fifanenjehana eo amin'ny samy mpanao gazety.
- Miangavy ny mpanao gazety tsy handranitra ny vahoaka hanao haza lambo sy hamono mpanao gazety toy efa re sy fantatra hatreto, satria iray aina sy iray vatsy isika fianakaiamben'ny mpanao gazety.
- Miangavy ny mpanao gazety tsy hifandrafy sy hiaratsaravelatsihy, fa tsy mahasoa izany. Farany miangavy ny mpanao gazety hitandrina manoloana ny korontana ary tsy hanao tondro molotra noho ny fankahalana ny namana.
Mino sy manantena ny Biraon'ny Holafitra fa hitsahatra avokoa izany tendrom-po tsy mba namana izany mba tsy isehoan'ny faharatrana sy famoizana aina toa izay niseho intsony.

Amin'ny anaran'ny Biraon'ny Holafitra,
Rufin RAKOTOMAHARO.
Antananarivo faha-08 Febroary 2009

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas