mercredi 11 février 2009

Hafatry ny Filoham-pirenena 11 febroary 2009

Ry Vahoaka Malagasy mpiray tanindrazana, Mankasitraka sy mankatelina ny fitiavana asehonareo Vahoaka Malagasy nohon’ny fahatongavanareo marobe toy izao, izay raisiko ho fahatokisana sy fampaherezana.

Misaotra amin’ny fanehoana am – pilaminana, amin’ny fihetsika maha – te – hidera nasehonareo, izay tena manohina ny fo tokoa.

Misaotra fa na mikija aza ny orana tsy nahasakana anareo izany fa raisintsika ho tso – drano. Porofo mitohoka amin’ny tena izao fa miray hina ny Vahoaka Malagasy, miara – mientana ny Vahoaka Malagasy, ary mifankatia ny Vahoaka Malagasy.

Manome toky anareo aho fa tsy hamela anareo irery fa hatolotro ny heriko rehetra hampisondrotra hatrany ity firenena malalantsika ity. Manome toky anareo aho ry Vahoaka Malagasy fa hitandro toy ny anak’andriamaso ny lalampanorenana, hanaja mandrakariva sy hanatanteraka ny andraikitra izay napetrakareo tamiko.

Koa ny laharam – pahamehana sy ny zavatra maika tsy maintsy hatrehina ry Vahoaka Malagasy dia ny famerenana amin’ny laoniny ny fiainana andavan’andron’ny mponina, ny manarina ny simba ary ny manome tanana ny mpitandro ny filaminana sy ny miaramila hamerenantsika haingana ny filaminana sy ny fahandriam – pahalemana eto amin’ny renivohitra malalantsika ity.

Misaotra amin’ny fahatokisana, misaotra fa tompon’ny fahendrena ny Vahoaka Malagasy.

Fianakaviambe iray isika, tsy hanavahana na iza na iza, miteny amin’ny teny iray.

Tandrovy toy ny anak’andriamaso ny Fihavanana sy ny firaisankinam – pirenena. Aleo very tsikalakalam – bola toy izay very tsikalakalam – pihavanana.

Homba antsika mandrakariva anie Andriamanitra.
Antananarivo 11/02/09

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas