jeudi 16 avril 2009

Fanambaran'ny vondron'ny orin'asa TIKO (14 Aprily 2009)

Ny Vondron’ny orin’asa TIKO dia manao izao fanambarana izao indray :

Ny rafitra tetezamita dia tsy manaja ny teny nomeny araka ny fihaonana savaranonandro tamin’ny talata 07 aprily lasa teo, momba ny hampihodinana indray ny orin’asa ; satria ny androtr’io ihany dia nanome baiko izy ny amin’ny hanagiazana (scellés) ny vary, lafarinina sy ny sisa tao amin’ny seranan – tsambon’ny Toamasina, ankoatra ireo entana tao amin’ny Madarail Soarano ;

Ny rafitra tetezamita dia manao fanenjehana bontolo ao anatin’ny tsy fanarahan – dalàna rano fotsiny ny vondron’ny orin’asa TIKO mba hanapotehana azy, araka ireto zava – misy ireto :

  • Tsy fanajana ny fepetra voafaritry ny lalàna velona tokony hampiharina mialoha ny fanaovana ny fanagiazana « scellés » sy « saisie » ireo entam – barotra sy kaonty amin’ny bankin’ny orin’asa isan – tokony ary ny kaonty manokan’ny tompon’ny orin’asa. Tsy misy akory ny filazàna na taratasy ofisialy voarain’ny orin’asa

  • Tsy fanajana ny zon’ny mpanjifa amin’ny fampihorohoroana azy teny amin’ny toby fort Duchesne tamin’ny alarobia 08 aprily ;

  • Fandrahonana ny mpivarotra amin’ny hanesorana ireny takela – dokambarotry ny vokatry ny orin’asa TIKO ireny ;

  • Fanambarana ampahibemaso maribola amin’ny trosa tsy hita fototra akory


Amin’ny ankapobeny, ny fihetsika ataon’ny rafitra tetezamita dia manapotika ny tontolon’ny fandraharahana sy ny toekarena eto Madagasikara ary tsy mitsinjo velively ny tantsaha mpamokatra sy ny mpiasa.

Mibaribary fa manao « mpitari – bato vilam – bava ny rafitra tetezamita ka tsy azo hitokisana : hafa ny lazain’ny vava ary hafa ny ataon’ny tanana ».

Noho izany manamafy izahay fa tsy feno ny fepetra ilaina ahafahana mampihodina ny orin’asa araky ny tokony ho izy. Tsapanay tokoa fa mafy ho an’ny mpiara – miombon’antoka sy ny vahoaka manontolo ny tsy fihodinan’ny orin’asa kanefa tsy afa – manoatra izahay nohon’ny afitsoky ny rafitra tetezamita.

Misaotra anareo hatrany noho ny fanohanana sy fitokisanareo ny orin’asa sy ny vokatra TIKO VITA MALAGASY

NY DIRECTION GENERALE

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas