dimanche 1 février 2009

FANAMBARANA nataon’Andriamatoa Marc RAVALOMANANA, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Sabotsy 31 janoary 2009, Lapam-panjakana Iavoloha

Ry Vahoaka Malagasy mpiray Tanindrazana,

Eo anatrehan’ny zava-misy nitranga androany izay nahenointsika fanambaràna manakorontana sy mampisavorovoro ny saim-bahoaka dia tiako ny manamafy fa :

- mijoro sy manohy ny asany hatrany ny Fitondram-panjakana tarihiko;

- mahatoky antsika hatrany ny fikambanana iraisam-pirenena sy izao tontolo izao;

- tokony hitandrina manoloana ireo tsaho sy lainga afafy etsy sy eroa isika;

Mino sy manantena aho fa ny Vahoaka Malagasy dia mandalina sy mandinika ny lalana tokony hizorana noho ny tombontsoan’ny daholobe.

Tsiahiviko etoana fa maro ireo tanjona tokony hiarahantsika manantanteraka ato anatin’ny fotoana fohy ary hitsaran’izao tontolo izao antsika toy ny Fivoriamben’ny Firaisambe Afrikana hatao eto amintsika amin’ny volana jolay ho avy izao.

Mahatoky aho fa hanatanteraka antsakany sy andavany ny andraikitra nankiniko taminy ny governemanta ary hijery akaiky ny fanatsaràna ny fari-piainan’ny Vahoka Malagasy, indrindra ireo tena sahirana.

Mahatoky ny fahendren’ny Vahoaka Malagasy aho, hanaja mandrakariva ny lalàna velona misy eto amin’ny tany sy ny Fanjakana ary indrindra indrindra ny Lalàmpanorenana izay fototra iorenan’ny Firenena.

Araka ny andininy faha 44n’ny Lalàmpanorenana dia :

“Ny Filohan’ny Repoblika no Filoham-panjakana. Amin’izany dia izy no mitandro ny fanajàna ny Lalàmpanorenana. Izy no miantoka ny maha iray tsy mivaky ny Repoblika.

Izy no mitandro ny fiarovana sy ny fanajàna ny fiandrianam-pirenena na eto an-toerena na any ivelany. Izy no miantoka ny firaisam-pirenena”.

Mbola manome toky anareo Vahoaka aho fa hitandro toy ny anakandriamaso ary hanaja mandrakariva sy hanatanteraka ny andraikitra izay napetrakareo tamiko tamin’ny alalan’ny fifidianana malalaka sy ara-dalàna ary araka ny fianianana izay nataoko teo anatrehan’Andriamanitra sy ianareo Vahoaka ny 19 janoary 2007.

Hihaino lalandava anareo Vahoaka aho ary hihevitra mandrakariva izay mahasoa ny fampandrosoana ity Firenena malalantsika ity.

Homba antsika mandrakariva anie Andriamanitra.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas