lundi 30 mars 2009

Fanambaran'Andriamatoa Marc Ravalomanana, 29 mars 2009



Ry Vahoaka Malagasy Mpiray Tanindrazana,

Nohon’ny zava – nitranga omaly asabotsy 28 martsa 2009, raha vory lanina marobe ny vahoaka teo
Ambohijatovo, naneho am – pahendrena, am – pilaminana ny fanohanany ny ara – dalana, ny fanamafisana ny demokrasia ary indrindra indrindra ny fanajana ny lalam – panorenana sy ny lalàna velona eto Madagasikara, tampoka teo, nisy ny fitifirana vary raraka, ny famonoan’olona tsotra izao ary ny fanenjehana, namoy ny ainy tamin’izany ireo namantsika, maro ireo naratra.

Amin’alahelo lehibe tokoa no hitenenako sy hanehoako fiaraha – miory amin’ireo Vahoaka Malagasy tia tanindrazana, ireo vahoaka marobe tonga teo Ambohijatovo ary indrindra indrindra ny fianakavian’akaikin’ny maty omaly sabotsy.

Malahelo aho, mahatsiaro tena mavesatra ny fahoriana, kanefa mampionona anareo aho, mampitraka anareo aho, fa ny finoana hananantsika dia ny fanakinantsika amin’Andriamanitra ny fiainan’ny firenentsika hanome hery vaovao indray ary tsy hamelantsika hiraviravy tanana.

Tsy ho avelantsika ho raraka an – tany ny ran’ireo havantsika, ny namantsika fa hampiredareda ny afom – pitiavana ato am – pontsika mba ahatonga antsika ahazo fahafahana tanteraka.
Tsy ho avelantsika ho gejaina indray ny firenentsika, tsy ho avelantsika ho zanahina indray amin’izao andron’ny fanatontoloana izao.

Mampahery anareo aho ry Vahoaka Malagasy, maintso anareo.

Ny fiaraha – mientana, ny fiarahana mijoro ary ny fahasahiana mampiseho izany fitiavan – tanindrazana izany no zava – dehibe indrindra, ny fifampitokisantsika dia hihamafy hatrany.

Mahatoky anareo aho fa tsy hamela ahy irery ianareo. Matokia ahy ianareo fa tsy maintsy ho tafaverina any aho, hanao arak’izay azo atao mba hampandroso haingana sy maharitra ny firenentsika. Ary dia manantitra ny fiaraha – miory, ny fampaherezana ho an’ireo fianakaviana namoy ny havan – tiana.

Ny fankalazantsika androany ny tsingerintaonan’ny 29 martsa anie, zay hitondrantsika am – bavaka ny firenentsika, zava – dehibe tokoa izany. Koa manantena isika mianakavy fa hamaly vavaka Andriamanitra ary hanome hery antsika izy ahatonga antsika ho mpandresy satria tompon’ny fahefana izy, fitaovana ihany isika mianakavy.

Alao hery ary, fa misy adidy, misy andraikitra miandry antsika.

Homba Antsika anie Andriamanitra

Version audio :


Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas