vendredi 13 février 2009

Info Régions du 13/02/2009

REGION ATSIMO ANDREFANA

Ny vaovao taty Toliara no tianko ifampizarana amin’ny réseau : nirefotra ny grenade sy basy taty androany nandrava ny andian’olona teto an-tampon-tanàna izay mbola nikasa ny handroba sy handrava vary sy PPN tany amin’ny magasin mbola tsy vaky.

Vokany : 2 no maty hitako maso ato amin’ny morgue fa ny ankoatr’izay aloha tsy ferana
10 mahery no maratra satria hatramin’ny 18 H 30 nialako tao amin’ny Hopitaly dia mbola misy miditra mankany.

Fizotran’ny korontana: Namboka tamin’ny 12 H teo ho eo no nisy andian’olo maromaro avy nihaino kabary nataon’ny mpanohitra teny amoron-driaka no nitangorongorona saika hamaky ireo karana ao Bazar Be rehefa kivikivy tamin’ny kabary pôlitika nataon’izy ireo. (Marihina moa fa ny aty Toliara tsy dia mirona loatra amin’ny ady lahy pôlitika avo lenta fa ny handrava karany sy enta-madinika no tena mahaliana ny olona: grêven’ny olona mosaré hoy ry zareo izay ka mila raha ho hany) Tsy rava moa ny karana tao Bazar Be fa efa nisy mpitandro filaminana ka rava ny fitangoronana teo akaiky ny Trésor sy BOA.( Mpivarotra enta-madinika vitsivitsy teo akaikin’ny Trésor no voaroba).

Nanomboka teo dia tsy nijanona intsony ny fitangorongoronana eran’ny Tanàna ka mifangaro ao ny liana te-hahalala vaovao sy ny efa vonona handroba ka dia niasa ny EMMO REG nandrava izay toerana misy mitangorona fa tena nafana indrindra ny tany ANDABIZY( lalàna mankany amin’ny Aéroport akaiky an-dry Masera Betsinjaka lesy VAL A!) toerana nisy ilay Magasin efa vaky tamin’ny 27, 28 et 29 JANVIER kanefa mbola tsy lany ny vary sy PPN tao ka dia ny hiverina tany no masaka tao andohan’ny mpandroba . Somary mafimafy ny tany ny poa-basy sy ny grenady nanparitaka ny olona hatramin’ny 18 H teo ho eo vao tsy nahenoana na inona na inona koa.

ANALAMANGA

Le digue d'irrigation d' Antanety kely d' ATSIMONDRANO a cédé (écroulé) la nuit du 11/02/09 ; RESULTAT : La route est coupée

- DISTRICTS CALMES
- Les gardiens des barrages thermiques de TELOMITA , MANDRAKA et MANTASOA manquent de provisions.

BOENY

- Calme en général
- La région, quelques organes et opérateurs locales ont commencé sur place le lancement du reboisement officiel. Quelques autorités et plus de 400 Personnes étaient présentes à ce reboisement.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas