vendredi 13 février 2009

Mitohy ny fanodikodonana saim-bahoaka eny amin'ny toeran'ny 13 mai

Andry Rajoelina dia nanambara ampahibemaso teny amin'ny 13 mai fa rehefa niarahaba azy ilay iraka Andriamatoa Alain Joyandet dia niantso azy hoe "Andriamatoa filoha" ary rehefa niarahaba an'i Monja Roindefo io iraka io dia nampiasa ny teny hoe "Andriamatoa praiministra".

Ny vaovao farany azonay avy amin'ny sekreteran'ny Ambasadin'ny Frantsa eto toerana dia adika malalaka toy izao :

" Ny Masoivoho Frantsay dia manamafy fa i Andriamatoa JOYANDET dia tsy nampiasa mihintsy ny teny hoe "Monsieur le Président" nandritry fihaonany tamin'i Andry RAJOELINA"

" Ny Masoivoho Frantsay dia manafy ihany koa fa i Andriamatoa JOYANDET dia tsy nihaona mivantana tamin'ny Atoa ROINDEFO, ka noho izany dia tsy afaka nampiasa ny teny hoe "Monsieur le Premier Ministre" noho ny tsy fisian'izay fihaonana izay.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas