vendredi 13 février 2009

Mahaiza mampitaha !!!

Fa maninona moa no resahina foana tato ho ato ny hoe « Vahoaka » sy ny « Vahoakan’Andriamanitra »

1. Vahoaka
Raha ity teny voalohany hoe “vahoaka” ity no resahina dia tsy inona fa voambolana mivoaka ary matetika re avy amin’ny vavan’ny “mpanao politika” na koa “mpitarika politika”. Koa na misy mpanaraka izy ireo na tsia dia samy mitonona ho mpitarika antoko na fikambanana politika.

Noho izany dia toa voambolana inihina avoaka ary atao izay ampanakoako azy (na koa hoe “amplifier-na”) mba hisarihana ny sofina sy ny saina ary hanetsehana ny fon’ny olona mba hanaraka azy. Ny mpandinika anefa dia mahatsikaritra fa miankina amin’ny fananan’ny olona “fanahin’ny fanavahana” no hampandaitra na tsia ny karazana kabary na fanehoan-kevitra mampiasa an’io voambolana vahoaka io.

Ohatra: Raha ny olona na vahoaka voataona etsy anoloan’ny “lapan’ny Tanana may tamin’ny taona 1972” aloha no dia ahitana karazany maro. Fa ny sokajy iray ihany amin’izy ireo no andeha ho jerentsika ato anatin’ity lahatsoratra ity, kanefa mety azahoana an-tsaina izay toetoetran’ireo ambiny.



Ity sary ity izao ohatra dia mampiseho fa “Vahoaka Mpiloka” no tonga maro eo amin’ny kianja ny 13 may mandra-pahatapitry ny kabarin’ilay “Mpitarika” azy. Voalaza koa aza fa dia “Vola” nozaraina taminy ihany no mba ezahany ampitomboina eo. Satria amin’izy ireo dia fotoana “soa fanararaotra” (na opportunité) tokoa ity. Tahaka izay efa nataon’ireo olona notarihin’io“Mpitarika”io ihany nandroba tranombarotra tamin’ny Alatsinainy 26/02/09 lasa teo. Ny sasany aza na dia efa naratra mafy az ny 07/02/09 teo dia mbola mahavita “miteny ratsy” ren’izao tontolo izao. “Ny Hazo Ratsy tsy hamoa voa tsara na oviana na oviana”.

2. Vahoakan’Andriamanitra



Ity sokajy faharoa ity indray dia « Vahoaka » :
- Matahotra an’Andriamanitra
- Mitandro fatratra ny “Fihavanana ”
- Mahatsinjo lavitra sady Mitsinjo ny hoavin’ny Tanora, ny Mpandraharaha ary indrindra ny Tantsaha Malagasy amin’ny alalan’ny Programa maty paika izay efa ampiharin’ny Fitondram-Panjakana amin’izao fotoana.
“Ny Hazo /Vahoaka Tsara tsy hamoa voa ratsy” na hoviana na hoviana. (Tsy mandroba)

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas