jeudi 19 février 2009

Fitiavana



1 Korintiana 13:4-7: 
- Ny FITIAVANA mahari-po sady mora fanahy;
- ny FITIAVANA tsy mialona;
- ny FITIAVANA tsy mirehareha;
- ny FITIAVANA tsy mieboebo;
- ny FITIAVANA tsy manao izay tsy mahamendrika;
- ny FITIAVANA tsy mitady ny azy;
- ny FITIAVANA tsy mora sosotra;
- ny FITIAVANA tsy manao otripo;
- ny FITIAVANA tsy mifaly amin’ny tsi-fahamarinana;
- ny FITIAVANA mandefitra ny zavatra rehetra;
- ny FITIAVANA mino ny zavatra rehetra;
- ny FITIAVANA manantena ny zavatra rehetra; 
- ny FITIAVANA maharitra ny zavatra rehetra. 

NY TSY FITIAVANA
- ny TSY fitiavana: tsy mahari-po sady tsy mora fanahy; 
- ny TSY fitiavana: mialona;
- ny TSY fitiavana: mirehareha; 
- ny TSY fitiavana: mieboebo;
- ny TSY fitiavana: manao izay tsy mahamendrika;
- ny TSY fitiavana: mitady ny azy;
- ny TSY fitiavana: mora sosotra;
- ny TSY fitiavana: manao otripo;
- ny TSY fitiavana: mifaly amin’ny tsi-fahamarinana;
- ny TSY fitiavana: tsy mandefitra ny zavatra rehetra;
- ny TSY fitiavana: tsy mino ny zavatra rehetra;
- ny TSY fitiavana: tsy manantena ny zavatra rehetra;
- ny TSY fitiavana: tsy maharitra ny zavatra rehetra.
ANDRY V sy ny TSY FITIAVANA: 
- Ratsy fanahy ka mandoro ny fananan’ny olon-tsotra sy ny fananam-bahoaka,
- Mangalatra, mandroba, mampihorohoro,
- Mialona ny fahombiazana eo amin’ny fiainan’ny olona ka mandoro ireny,
- Mieboebo sy mirehareha amin’ny fiteny sy ny fihetsika, 
- Manao izay analàna baràka an’i Madagasikara eo anatrehan’izao tontolo izao,
- Mampiasa vahoaka ho an’ny tombontsoan’ny VIVA,
- Mifaly amin’ny fampielezana lainga any amin’ny gazety, radio, télé, internet, eny an-dalambe, …
- Mampihorohoro ny vahoaka fa tsy mitady izay tokony hahasoa azy,
- Mamono ny mpiray tanindrazana amin’ny alalan’ny afo, 
- Mamporisika ny mpiray tanindrazana hankeny amin’ny “faritra mena” (zone rouge) mba hatao sorona,
- Mamporisika ny Malagasy hanao haza lambo sy hampahory ny Malagasy toa azy,
- Mitratrevatreva fiteny,
- Tsy mahandry ny fifidianana ara-dalàna amin’ny 2012 fa mitady ny fomba rehetra hanonganam-panjakana,
- Mpamitaka sy mpandainga, 
- Manao sorona ny zaza sy ny tanora

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas