jeudi 19 février 2009

Isika tsy ho voafitaka intsony !

Tany Edena fahiny:

  1. Satana (niteny tamin’ny alalan’ny menarana): “toa tsy avelan’Andriamanitra ihinanareo hono ny hazo rehetra eo amin’ny saha?”
  2. Eva: “afaka mihinana izahay ka! Fa ny voan’ny hazo eo afovoan’ny saha no nohafarany hoe aza hohanina fandrao maty ianareo”,
  3. Satana (niteny tamin’ny alalan’ny menarana): tsy ho faty izany ianareo.

Dia nanaraka ny tenin’ny menarana i Eva, notaominy koa i Adama.
Vokany: tafasaraka tamin’Andriamanitra rizareo, ary ny fahafatesana no tambin’ny ota.

Antananarivo ankehitriny:

  1. Satana (miteny amin’ny alalan’i Andry V): na tafondro mipoaka, na basy mipoaka tsy mahasakana ny tolona ataontsika. Omeko anareo Ambohitsorohitra, ataovy izay tianareo atao aminy.
  2. Sombiny amin’ny vahoaka: tsy nipoaka aloha ny basy sy ny tafondro teny Ambohijatovo sy ny kianjan’ny 13 Mey; … fa Ambohitsorohitra anie “faritra mena”, raha maty any izahay dia ahoana?
  3. Satana (miteny amin’ny alalan’i Andry V): tsy ho faty izany ianareo.

Niala ny vahoaka tonga saina. Ireo voafitaka kosa nandroso ihany ka nanjary lasa sorona ho an’ilay ratsy. Nisy ny naratra, ary nisy ny maty.

Mijoroa fa aza manaiky fitahana intsony: Genesisy 3.

NY FITIAVANA

1 Kor. 13:4-7:

- Ny FITIAVANA mahari-po sady mora fanahy;
- ny FITIAVANA tsy mialona;
- ny FITIAVANA tsy mirehareha;
- ny FITIAVANA tsy mieboebo;
- ny FITIAVANA tsy manao izay tsy mahamendrika;
- ny FITIAVANA tsy mitady ny azy;
- ny FITIAVANA tsy mora sosotra;
- ny FITIAVANA tsy manao otripo;
- ny FITIAVANA tsy mifaly amin’ny tsi-fahamarinana;
- ny FITIAVANA mandefitra ny zavatra rehetra;
- ny FITIAVANA mino ny zavatra rehetra;
- ny FITIAVANA manantena ny zavatra rehetra;
- ny FITIAVANA maharitra ny zavatra rehetra.

NY TSY FITIAVANA

- ny TSY fitiavana: tsy mahari-po sady tsy mora fanahy;
- ny TSY fitiavana: mialona;
- ny TSY fitiavana: mirehareha;
- ny TSY fitiavana: mieboebo;
- ny TSY fitiavana: manao izay tsy mahamendrika;
- ny TSY fitiavana: mitady ny azy;
- ny TSY fitiavana: mora sosotra;
- ny TSY fitiavana: manao otripo;
- ny TSY fitiavana: mifaly amin’ny tsi-fahamarinana;
- ny TSY fitiavana: tsy mandefitra ny zavatra rehetra;
- ny TSY fitiavana: tsy mino ny zavatra rehetra;
- ny TSY fitiavana: tsy manantena ny zavatra rehetra;
- ny TSY fitiavana: tsy maharitra ny zavatra rehetra.


ANDRY V sy ny TSY FITIAVANA:

- ny TSY fitiavana: ratsy fanahy ka mandoro ny fananan’ny olon-tsotra sy ny fananam-bahoaka,
- ny TSY fitiavana: mangalatra, mandroba, mampihorohoro,
- ny TSY fitiavana: mialona ny fahombiazana eo amin’ny fiainan’ny olona ka mandoro ireny,
- ny TSY fitiavana: mieboebo sy mirehareha amin’ny fiteny sy ny fihetsika,
- ny TSY fitiavana: manao izay analàna baràka an’i Madagasikara eo anatrehan’izao tontolo izao,
- ny TSY fitiavana: mampiasa vahoaka ho an’ny tombontsoan’ny VIVA,
- ny TSY fitiavana: mifaly amin’ny fampielezana lainga any amin’ny gazety, radio, télé, internet, eny an-dalambe, …
- ny TSY fitiavana: mampihorohoro ny vahoaka fa tsy mitady izay tokony hahasoa azy,
- ny TSY fitiavana: mamono ny mpiray tanindrazana amin’ny alalan’ny afo,
- ny TSY fitiavana: mamporisika ny mpiray tanindrazana hankeny amin’ny “faritra mena” (zone rouge) mba hatao sorona,
- ny TSY fitiavana: mamporisika ny Malagasy hanao haza lambo sy hampahory ny Malagasy toa azy,
- ny TSY fitiavana: mitratrevatreva fiteny,
- ny TSY fitiavana: tsy mahandry ny fifidianana ara-dalàna amin’ny 2012 fa mitady ny fomba rehetra hanonganam-panjakana,
- ny TSY fitiavana: mpamitaka sy mpandainga,
- ny TSY fitiavana: manao sorona ny zaza sy ny tanora


Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas