jeudi 19 février 2009

Offre d'emploi


TOLOTRASA VOALOHANY:

Ny Fanjakan’ny Lanitra dia mitady mpisolo vava maromaro.

Toetra takiana:

- be fitiavana,
- mora fanahy,
- tia fahamarinana,
- manetry tena,
- tia namana,
- tsy tia tena,
- tsy mivavaka amin’ny vola,
- tsy tia ratsy.

Ireo izay liana dia iangaviana handefa ny antontan-taratasy momba azy ao amin’izao adiresy manaraka izao: Villa Paradisa, Jerosalema Vaovao.

Izay mila fanazavana fanampiny dia manatona ao amin’ny Matio 25:21.
TOLOTRASA FAHAROA:

Ny Afobe na ny Helo dia mitady mpisolo vava maromaro.

Toetra takiana:

- mpandainga,
- mivavaka amin’ny vola,
- tia fifandirana sy ady,
- mpamono olona,
- be fialonana,
- mpangalatra sy mpandroba,
- tsy tia fiadanana,
- tsy tia manao soa.

Ireo izay liana dia iangaviana handefa ny antontan-taratasy momba azy ao amin’izao adiresy manaraka izao: Farihy Mirehitra Afo, B.P 666.

Izay mila fanazavana fanampiny dia manatona ao amin’ny Apokalypsy 21:8.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas