mardi 10 février 2009

Mpitarika azo ametram-pitokisana ka tokony arahina ?

Azo itokiana tokoa ny Mpitarika raha:

- Sahy mijoro hatramin’ny farany amin’ny andraikitra izay raisiny
- Mitana ny “teny” nomeny fa tsy mivadi-badi-kevitra eny an-dalana
- Olona matotra ary “mahatsinjo lavitra” fa tsy manao “Zaza fihetsika”
- Tsy manao ny maramila Malagasy hoe “tsy mahay mitifitra”
- Kristiana ara-pianana fa tsy eo imolotra fotsiny ihany
- LEHILAHY SAHY

Ingahy TGV ve mahafeno ireo toetre voalaza etsy ambony ireo?

1. Manana hevitra mafonja ary tena “Tompony” izany foto-kevitra izany
Raha nanaraka hatramin’ny voalohany isika ny amin’ny fivoaran’izao toe-draharaha miseho eto amin’ny firenena izao dia mahatsapa sady mahita fa tena “SARIBAKOLY” fotsiny ingahy ANDRY TGV. Porofo mitohoka amin’ny tendany ireny fivahiniana matetika tany La FRANTSA ireny ka nihaonany tamin’Ingahy RATSIRAKA sy ny Mpiaradia aminy (ao anatin’izany mazava ho azy ny MPANAJANAKA izay maniry fatratra ny HANJANAKA indray ity Firenena Malalantsika ity). Kanefa dia mampalahelo fi i TGV sy Ingahy RATSIRAKA dia te-hamerina indray izany Fananjahana an’I Madagsikara izany. Toe-javatra izay TSY AZO EKENA INTSONY izany na amin’ny endriny inona na amin’ny endriny inona.

2. Mitana ny “teny” nomeny fa tsy mivadi-badi-kevitra eny an-dalana
Raha nitokana ny zaridain’Ambohijatovo ho “Kianjan’ny Demokrasia” I TGV dia nilaza fa TOLONA AM-PILAMINANA na antsoina hoe “LUTTE PACIFIQUE” no ho tarihiny dia hitam-poko hitam-pirenena fa FENO HERISETRA sy FANDROBANA ary FANDOROANA FANAN’OLONA (Tompontany sy Vahiny) no niafarany. Ary dia mbola nitohy izany ny Asabotsy 07 Febroary teo ka niampy FAMONOANA OLONA tamin’ny nitarihina azy ireo teny Ambohitsirohitra (izay Faritra Mena=Tsy azo aleha).
NB: Milaza ary nampanantena fa TSY MAINTSY TONGA I ROSSY ny Asabotsy teo KAY KOMBAKA AMBAVA FAMITAHAm-BAHOAKA hanamaro hisa ny mpanaraka azy fotsiny.

3. Olona matotra fa tsy manao “Zaza fihetsika”
Raha naminavina ary nametraka ireo “Foto-Drafitrasa Goavana” ireo (Ohatra: Lalana RN6, PORT EOALA TAOLAGNARO, Famokarana Herin’Aratra HYDELEC Antsirabe, sns…) ny Filoha Marc RAVALOMANANA.

Ilay TGV (Fiaran-Dalamby Haingam-Pandeha) kosa dia “NANIMBA FARANY IZAY HAINGANA” ny Foto-Drafitrasa Goavana” toy ny Orinasa (JUMBO, ZOOM, CITIC, SUPREME CENTER, COURTS, TRADE CENTER, BLUE PRINT, SICO Univers du Meuble, CAAP 3000, sns…) sy ny Fitaovam-Panjakana toy ny TVM sy ny RNM (Izay nirakitra sy nitahiry ny HAREN’NY KOLON-TSAINA MALAGASY).

NB: Mba Toetra sy Fihestikan’ny OLONA MATOTRA ve ireny “MODY MITOMANY” “TSY SAHY MISEHO SALOVAN-TAVA” ireny??? VAHOAKA MATOTRA ny VAHOAKAN’ANTANANARIVO, koa azo lalaovina sy rebirebena main’ireny fihetsika sy LAINGA MARIVO TOTOTRA tahaka ireny.

4. Tsy manao ny maramila Malagasy hoe “tsy mahay mitifitra”
Nilaza ny anao lahy fa ny olona maty teny Ambohitsirohitra dia voatifitra teo amin’ny loha sy tenda ary eo amin’ny fo. Noho izany dia tena “Commandos tireurs d’élite”vahiny avokoa no mahavita an’izany. Izany hoe ny “MIARAMILA MALAGASY” izany dia TSY MISY MAHAY MITIFITRA.

5. Tena Kristiana “ara-pianana” fa tsy eo imolotra fotsiny ihany
Fanontaniana: Raha mamarana ny kabariny I ANDRY TGV dia diniho tsara fa hoy mantsy izy “MASINA NY TANINDRAZANA”. Inona marina moa no ambadik’io famaranan-teny io?
Valiny: Manasa antsika izay mamaky an’ity famakafakana ity ny mpanoratra mba ho eny amin’ny ZARIDAINAN’ANDOHALO mba hahita maso fa tsy hihankina amin’ny honohono. Raha tonga eny ianao dia mahita zaridaina toa tsara endrika, toa tsara petraka, KANEFA TANDREMO RE TOMPOKO!!! Indrindra ISIKA TENA KRISTIANA fa ho HITANAO MASO eo VATOLAHY voadidina “666”. Fa maninona ny 666. Satria mahita ianao eo ambanin’io vatolahy io TSANGANANA VY miisa 6. Ary eo amboniny sady manodidina ilay vatolahy misy SEZA fipetrahana miisa 6 eo amin’ny Ankavia ary SEZA fipetrahana miisa 6 hafa avy eo amin’ny Ankavanana.

NB: Ankoatr’io dia mba diniho akaiky ireo anaran’OLONA MAROBE EFA MATY izay voarakitra eo amin’ilay takela-bato iray eo ambany.
Isika izay mitsangatsangana sy mipetrapetraka eny amin’ny Zaridaina’ANDOHALO izany dia aza dia variana amin’ny ety ivelany sy izay jeren’ny masontsika FA FANTARO fa misy FANAHY HAFA (FANAHIN’NYMAIZINA) napetraka eo amin’io toerana io. Misy fiteny vahiny mantsy manao hoe “Il faut SAVOIR pour NE PAS SE FAIRE AVOIR”.
Io anefa no anisan’ny Teti-Kasan’i TGV napetra ho lovan’ny Mponina eto Antananarivo koa dia anjarantsika re Tompoko Ry Manam-Panahy no mandinika sy MAMAKAFAKA.

6. LEHILAHY SAHY
Raha tena LEHILAHY TENA SAHY TOKOA i TGV dia TOKONY HO TONGA TENY AMBOHOITSIROPHITRA, fa tsy ny Vahoaka madinika ny nasesy teny fa NY VATATENANY NAROVANY tamin’ny TOERANA TSARA ARO. Dia niampitso ny anao lahy vao mody nipoitra !!!

KOA DIA ANJARANTSIKA NO MANDINIKA AN’IZAY OLONA TOKONY ARAHINTSIKA!!!
ATSIPY NY TENY AM-PON’NY MAHALALA !!!

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas