jeudi 29 janvier 2009

Fampieritreretana

Niharihary toa ny kary an’efitra izao ny efa nampoizin’olona maro ihany hatreto. Fanonganam-panjakana tsotra izao no noketrehin’i Andry Rajoelina sur ireo ampahin’ny mpanohitra miaraka aminy hatrizay. No lazain’andriamatoa Andry Rajoelina mazava tsara tamin’ny RFI omaly fa haka ny fahefana no tanjony izao. Tranga vaovao eo amin’ny teo-draharaha ankehitriny izany.

Mazava tsara izao ny anton’ireo fitakiana mila voa tsy hary nasesiny hatramin’izay. Tafaverina any aminy ireo fitaovan’ny radio sy télé-ny, efa novotsorana ireo mpianatra voasambotra. Doa mamorona fepetra vaovao izy mialoha ny fifampidinihina, raha mbola misy took fifampidinihina amin’olona efa milaza mazava fa hanongam-panjakana no tanjony.
Fiarovana ny demokrasia no kabary nodradradrainy hatramin’izay ary nahatonga vahoaka an’arivo nanaraka azy. Nolazainy fa tsy miaraka amin’ny herisetra ny fihetsehana tarihiny. Inona ireny magazay vaky, norobaina, nodorana niaraka tamin’ny olona nasesika hangalatra ireny ? Tsy herisetra ? Aiza ho aiza ao amin’ny famaritana ny demokrasia no misy ny andalana mampanao fanonganam-panjakana izay tanjona nafenina ny vahoaka hatrami’izany ary nodradradraina ho ren-tany ren-danitra omaly ?

“Fitakian’ny vahoaka” izay foana no miverimberina amin’ny fitenin’ny ben’ny Tanana. Tsy heady hevitra amin’ny hoe firy amin’ny mponin’Antananarivo tokoa moa no nifidy azy tamin’ny fotoan’andro fa mba mila ampahatsiahivina ihany hoe 1 tapitirisa sy sasany hatramin’ny 2 roa tapirisisa izany mponin’Antananarivo izany. Ireo olona, maro an’isa, tsy tonga eny amin’ny fihetsiketsehana sy tsy milo-baba moa ve izany dia mitovy hevitra amin’ny Ben’ny Tanana, filohan’ny fanonganam-panjakana daholo ?

Noho ny fanajana ny demokrasia dia navelan’ny fanjakana hizotra ny fihetsiketsehana voalaza fa fitakiana demokrasia. Aoka hazava tsara kosa izany izao fa tsy fitakiana demokrasia intsony izao no iantsoana ny mponina fa fanonganam-panjakana. Fampandriana adrisa ny sisa. Tsy tokony ampitoviana amin’ny 2002 intsony koa ity hetsika ity satria ny tamin’ny 2002 dia fifandirana teraky ny vokam-pifidianana no niandohany. Ity fanonganam-panjakana miharihary be no antony ar yiray volana ihany nazava izany.

Rehefa avy norobaina sy nodorana ny tananan’Antananarivo dia nambara fa Tanana maty androany. Tsy ho faty na oviana na oviana Antananarivo ary tsy hihinana amam-bolony lava izao. Mila mieritreritra tsara Antananarivo raha toa ka hanohana an-karihary fanonganam-panjakana ka ho tompon’antoka amin’izay mety ho vokatr’izany. Raha fintinina : fihemorana aman-taona amin’izay efa vita, na dia hiara-manaiky aza fa tsy lavorary tsy akory izay vita.
Mila mieritreritra lalina Antananarivo mikasika izay toky azo omena olona mampanantena fanatsarana izao sy izao ny ho fitanantanana ny raharaham-pirenena rahtrizay, nampiesona tamin’ny resaka demokrasia ,nefa nikotrika fanonganam-panjakana raha ny marina !!! Olona manomboka ny lazaina fa hanatsarana ny fitondrana amin’ny lainga marivo tototra ve azo inoana ? Mahatsiaro voafitaka ny mponina nanaraka ny fihetsehana hatramin’izao sa tsia ? Mbola vonona hanaraka olona namahan-dalitra azy ve ny mponina ? Ohatra, omeny an’iza ny fitondrana avy eo ?

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas