jeudi 29 janvier 2009

Nitsidika ny Radiom –pirenena sy ny fahitalavitra nasionaly ny Filoham – pirenena



Nitsidika ny Radiom –pirenena sy ny fahitalavitra nasionaly nijery ny fahavoazana teny an -toerana io maraina io ny filoham – pirenena niaraka tamina mpikamban’ny governementa sasantsasany notarihin’ny Praiminisitra, ny minisitry ny raharaham – bahiny, ny minisitry ny fiarovam – pirenena sy ny lehiben’ny Emmo reg.
Laharam – pahamehana amin’izao fotoana ny famerenana ny filaminana eto amin’ny firenena. Izy no nanome ny baiko ho an’ny Emmo reg hiara – hiasa amin’ny rehetra eny fa miaraka amin’ny ben’ny Tanana aza.

Nanamarika ny filoham – pirenena fa aleo ny entana no simba toa izay ny aim – bahoaka no atao sorona manoloana ny filazana naely fa tsy nandray andraikitra ny mpitandro ny filaminana tamin’ny alatsinainy. “Ny entana azo soloina fa raha ny vahoaka marobe nitsena ahy teny ivato tamin’ny alahady no nifanehitra tamin’ny tanoran’ny TGV ny alatsinainy ka voatery niditra an – tsehatra ny mpitandro ny filaminana dia ra be no latsaka, ny ran’ireo mpiray tanindrazana amiko” hoy ny filoham – pirenena.

Efa fantatra izao fa ny mpanakorontana sy ny mpanimba miara – miasa amin’ny ben’ny tanàna dia I Roland Ratsiraka sy ny Jeneraly Dolin. Efa nandefa didy fampisamborana (mandat d’arrêt) ho an’I Roland Ratsiraka sy ny Jeneraly Dolin sy ireo mpiara – dia aminy ny filoham – pirenena ary nifampiresaka tamin’ny ministeran’ny raharaham – bahiny frantsay mba hanampy an’I Madagasikara amin’ny fisamborana ireo olona manimba ny fanjakana ireo . Nanentana sy niantso ny vahoaka mba hiara – hiasa amin’ny mpitandro ny filaminana izy ao anatin’ny fisamborana.

Ny zava – dehibe aloha ho an’ny filoham – pirenena dia ny misambotra ireo olona mpanakorontana. Raha ny fifanantonana miaraka amin’ny ben’ny tanàna dia nanamarika ny filoham – pirenena fa ny ben’ny tanàna no nandà ny fihaonana ary efa nomarihiny ampahibemaso izany teny amin’ny kianjan’ny 13 mai.

Nangataka ny vahoaka ho tony ny filoham – pirenena manoloana ny zava – misy, vetivety dia ho voaharina ny toe – draharaha hoy ny filoham – pirenena.

Ho ampiasaina ny fitaovana rehetra eo am – pelantanana hanatanterahana izany.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas