jeudi 29 janvier 2009

Rencontre avec FFKM

Tokony hisy ao anatin’ny fotoana haingana ny fifanantonana eo amin’ny filoham – pirenena sy ny ben’ny tanànan’antananarivo raha ny nambaran’ireo solontenan’ny FFKM taorian’ny fihaonany tamin’ny filoham – pirenena io tolakandro io. Manaiky tsara izany ny filoham – pirenena raha ny nambaran’izy ireo tetsy amin’ny lapam – panjakana iavoloha mba ho fitsinjovana ny ain’ny firenena. Hita teo iavoloha ny filohan’ny fiangonana protestanta sy Anglikana, ny solontenan’ny fiangonana loterana, ny filohan’ny EKAR kosa dia mbola nanatrika fivorian’ny eveka raha ny fanazavan’ny filohan’ny fiangonana anglikana. Fihaonana nifanarahan’ny fiangonana efatra kosa anefa ity fotoana tamin’ny filoham – pirenena ity. Nanambara moa ireto solontenan’ny FFKM ireto fa efa niantso ny ben’ny tanàna ihany koa izy ireo ary miandry ny fotoana omen’ny ben’ny tanàna.

Taorian’io fihaonana io dia nandray ny solontenan’ny firenena mikambana ny filoham -pirenena.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

 
http://www.nivapas.com Annuaire
nivapas